1. Pejy fandraisana
  2. Ireo sokajy
  3. Ny fiantsoana sy ny fampatsiahivana

Hadith “Izay miala amin’ny fankatoavana ary misaraka amin’ny vondron'ny maro ka maty, dia maty toy ny fahafatesan’ny olona tamin'ny fotoan'ny fahabadoana

عن أبي هريرة رضي الله عنه عن النبي صلى الله عليه وسلم أنه قال:
«مَنْ ‌خَرَجَ ‌مِنَ ‌الطَّاعَةِ، وَفَارَقَ الْجَمَاعَةَ فَمَاتَ، مَاتَ مِيتَةً جَاهِلِيَّةً، وَمَنْ قَاتَلَ تَحْتَ رَايَةٍ عِمِّيَّةٍ، يَغْضَبُ لِعَصَبَةٍ، أَوْ يَدْعُو إِلَى عَصَبَةٍ، أَوْ يَنْصُرُ عَصَبَةً، فَقُتِلَ، فَقِتْلَةٌ جَاهِلِيَّةٌ، وَمَنْ خَرَجَ عَلَى أُمَّتِي، يَضْرِبُ بَرَّهَا وَفَاجِرَهَا، وَلَا يَتَحَاشَى مِنْ مُؤْمِنِهَا، وَلَا يَفِي لِذِي عَهْدٍ عَهْدَهُ، فَلَيْسَ مِنِّي وَلَسْتُ مِنْهُ».

Tatitra avy tamin'i Abo Horaira (R.A), niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe :
“Izay miala amin’ny fankatoavana ary misaraka amin’ny vondron'ny maro ka maty, dia maty toy ny fahafatesan’ny olona tamin'ny fotoan'ny fahabadoana, ary izay miady eo ambany fanevan'ny hajambana, tezitra noho ny fokony, ​​na miantso ady noho ny fokony, ​​na manohana an'ady ny fokony ka maty, dia maty toy ny fahafatesana tamin'ny fotoan'ny habadoana (anaty fahaverezana), ary izay mikomy ny vahoakako, ka mamono ny olo-mendrika sy ny olon-dratsy ao aminy, ary tsy miraharaha ny mpino ao aminy, ary tsy mahatanteraka ny fanekena nifanaovany tamin'izay nanaovany izany (ireo olona tsy mpino eo ambany fiahian'ny mpino), ka dia tsy momba Ahy izy, ary Izaho tsy momba azy”.

Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim Sahìh Moslim - 1848

Ny fanazavana

Nanazava ny Mpaminany (S.A.W) fa izay niala amin'ny fankatòavana ny mpitondra sy nisaraka tamin'ny vondrona Islamika izay nifanaraka tamin'ny fanaovana velirano amin'ny mpitondra iray, ka maty tao anatin'izany fisarahana sy tsy fankatoavana izany, dia maty toy ny fahafatesan'ny olona tao anatin'ny fahabadoana izy, izay tsy nankatò mpitondra ary tsy nitambatra amin'ny vondrona iray, fa dia sekta sy ny andian-jiolahy nifamono.
Ary nolazain'ny (S.A.W) fa na iza na iza miady eo ambanin’ny faneva izay tsy hainy manavaka ny marina sy ny lainga, dia tezitra noho ny fanatisma tanteraka amin’ny olony na ny fokony, ka tsy hanohana ny fivavahana sy ny fahamarinana, noho izany. miady amin'ny fanatisma tsy misy fahiratan-tsaina sy fahalalana izy raha vonoina amin'izany fanjakana izany dia ho tahaka ireo olona naty talohan'ny finoana Islam.
Ary izay nikomy amin’ny vahokan'ny Mpaminany (S.A.W), hamono ny olo-mendrika sy ny ratsy ao aminy, ary tsy miraharaha izay ataony ary tsy matahotra ny sazy amin'ny famonoana ny mpino izy, ary tsy mahatanteraka ny fanekeny tamin’ny ny tsy mpino na ny mpitondra, fa mandika ny fanekeny, dia anisan’ny fahotana lehibe izany, ary izay manao izany dia mendrika ho azy ny fandrahonana mafy izany.

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Ny fankatoavana ireo mpitondra dia voadidy amintsika raha mbola tsy mandika lalàn'Allah izy.
  2. Ao anatin'izany dia fampitandremana mafy ho an'ireo izay tsy mankatò ny mpitondra ary misaraka amin'ny vondron'ny mpino silamo, ka maty amin'ny toe-javatra tahaka izany izy dia ho faty tahaka ny fahafatesan'ireo olona bado talohan'ny Islam.
  3. Ao amin'ny hadith io dia voarara ny miady noho ny fahafanam-po amin'ny foko.
  4. Voadidy ny fanatanterahana ny fampanantenana.
  5. Ao anatin'ny fankatoavana sy fifikirana ny vondron'ny mpino no misy ny hatsarana betsaka, ny filaminana sy ny fitoniana ary ny toe-piainana tsara.
  6. Fanakanana ny maka tahaka ny toe-javatra nisy tamin'ireo olona talohan'ny silamo.
  7. Ny baiko hijanonana amin'ny vondron'ny mpino silamo.

Fanehona ny dikanteny

60 Ny teny
EN English Anglisy
UR اردو Ordo
ES Español Espana
ID Indonesia Indoneziana
UG ئۇيغۇرچە Aigoria
BN বাংলা Bengaly
TR Türkçe Torkia
RU Русский Rosiana
BS Bosanski Bosnia
SI සිංහල Sinhala
HI हिन्दी India
ZH 中文 sinoa
FA فارسی Persiana
VI Tiếng Việt Vietnamiana
TL Tagalog Tagaloga
KU Kurdî Kordia
HA Hausa Hosia
PT Português portogalîa
ML മലയാളം Malayalamia
TE తెలుగు Teljo
SW Kiswahili saohilia
TA தமிழ் Tamily
MY မြန်မာ Birmana
TH ไทย Tailandia
DE Deutsch Alimanina
JA 日本語 Zapone
PS پښتو Pasito
AS অসমীয়া Asamia
SQ Shqip Albany
SV Svenska Soedianina
AM አማርኛ Amharika
NL Nederlands Holandia
GU ગુજરાતી Gojratia
KY Кыргызча Kargaria
NE नेपाली Nepalianina
YO Yorùbá Yorianina
LT Lietuvių Litoanianina
PRS دری Aldoria
SR Српски serbianina
SO Soomaali Somalianina
TG тоҷикӣ Tajakianina
RW Kinyarwanda Keniaroandia
RO Română Romaniana
HU Magyar Hongariana
CS Čeština Tsekianina
MOS Moore الموري
IT Italiano Italianina
OM Oromoo Oromianina
KN ಕನ್ನಡ Kanadianina
WO Wolof الولوف
AZ Azərbaycan Azerianina
UZ O‘zbek Ozbekianina
UK Українська Okranianina
KA ქართული الجورجية
MK Македонски المقدونية
KM ភាសាខ្មែរ الخميرية
BM Bambara البامبارية
PA ਪੰਜਾਬੀ البنجابية
MR मराठी الماراثية
KMR Kurmancî الكرمنجية