1. Pejy fandraisana
  2. Ireo sokajy
  3. Ny foto-pinoana

Hadith “Tsy misy areti-mifindra, tsy misy finoanoam-poana, ary tiako ilay fambara tsara.” Hoy izy ireo: Inona no fambara? dia hoy izy : “Ny teny tsara.”

عَنْ أَنَسِ بْنِ مَالِكٍ رضي الله عنه عَنِ النَّبِيِّ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ قَالَ:
«لَا عَدْوَى، وَلَا طِيَرَةَ، وَيُعْجِبُنِي الْفَأْلُ» قَالَ قِيلَ: وَمَا الْفَأْلُ؟ قَالَ: «الْكَلِمَةُ الطَّيِّبَةُ».

Tatitra azo avy amin'i Anas bin Malik (R.A), niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe :
“Tsy misy areti-mifindra, tsy misy finoanoam-poana, ary tiako ilay fambara tsara.” Hoy izy ireo: Inona no fambara? dia hoy izy : “Ny teny tsara.”

Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim Sahìh Moslim - 2224

Ny fanazavana

Nilaza ny Mpaminany (S.A.W) fa ny fifindran'ny aretina izay ninoan'ny olona talohan'ny silamo, ka ny aretina dia mifindra amin'ny alàlan'ny tenany ihany ho amin'ny hafa, fa tsy noho ny lahatr'Allah, dia lainga izany. Ary ny zavatra antsoina hoe "Tiara" dia lainga, izany dia finoanoam-poana amin'ny zavatra rehetra, na heno na hita, amin'ireo vorona, biby, olona manana fahasembanana, isa, andro, na zavatra hafa. Nolazainy fotsiny ny vorona satria nalaza izany tamin'ny fotoan'ny habadoana, ary ny fiavian'izany dia ny famotsorana ilay vorona rehefa manao hetsika toy ny dia lavitra, varotra, na zavatra hafa, raha manidina miankavanana dia feno ny fanantenana ka manatanteraka izay tiany, ary raha manidina miankavia izany dia lasa minomino foana izy ary tsy nanao izay tiany. Avy eo nilaza ny Mpaminany (S.A.W) fa tiany ny manantena ny tsara, izy io dia fifaliana sy fahafinaretan’ny olona iray avy nahazo teny feno hatsarana, ka mahatonga azy hieritreritra tsara ny Tompony.

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Fatokisana an’Allah ilay Tsitoha, ary tsy misy mitondra soa afa-tsy Allah, ary tsy misy mahatohitra ny ratsy afa-tsy Allah ihany.
  2. Fandrarana ny amain'ny "Tiara", izay finoanoam-poana ka manakana ny olona tsy hiasa.
  3. Ny fambara tsara dia tsy fihetsika voarara, fa finoana tsara an'Allah ilay Tsitoha.
  4. Ny zava-drehetra miseho dia avy amin'ny fahefan'Allah ilay Tsitoha irery ihany, tsy misy mpiombona aminy.

Fanehona ny dikanteny

58 Ny teny
EN English Anglisy
UR اردو Ordo
ES Español Espana
ID Indonesia Indoneziana
UG ئۇيغۇرچە Aigoria
BN বাংলা Bengaly
FR Français Frantsay
TR Türkçe Torkia
RU Русский Rosiana
BS Bosanski Bosnia
SI සිංහල Sinhala
HI हिन्दी India
ZH 中文 sinoa
FA فارسی Persiana
VI Tiếng Việt Vietnamiana
TL Tagalog Tagaloga
KU Kurdî Kordia
HA Hausa Hosia
PT Português portogalîa
ML മലയാളം Malayalamia
TE తెలుగు Teljo
SW Kiswahili saohilia
MY မြန်မာ Birmana
TH ไทย Tailandia
DE Deutsch Alimanina
PS پښتو Pasito
AS অসমীয়া Asamia
SQ Shqip Albany
SV Svenska Soedianina
AM አማርኛ Amharika
NL Nederlands Holandia
GU ગુજરાતી Gojratia
KY Кыргызча Kargaria
NE नेपाली Nepalianina
YO Yorùbá Yorianina
LT Lietuvių Litoanianina
PRS دری Aldoria
SR Српски serbianina
SO Soomaali Somalianina
TG тоҷикӣ Tajakianina
RW Kinyarwanda Keniaroandia
RO Română Romaniana
HU Magyar Hongariana
CS Čeština Tsekianina
MOS Moore الموري
IT Italiano Italianina
OM Oromoo Oromianina
KN ಕನ್ನಡ Kanadianina
WO Wolof الولوف
AZ Azərbaycan Azerianina
UZ O‘zbek Ozbekianina
UK Українська Okranianina
KA ქართული الجورجية
MK Македонски المقدونية
KM ភាសាខ្មែរ الخميرية
PA ਪੰਜਾਬੀ البنجابية
MR मराठी الماراثية
KMR Kurmancî الكرمنجية