1. Pejy fandraisana
  2. Ireo sokajy
  3. Ny hatsarana sy ny fahalalam-pomba

Hadith Fantatro ny teny iray fa raha miteny izany izy, dia hiala aminy ny olana. Raha niteny izy hoe : Mangataka fiarovana amin'IAllah manoloana an'i Satana aho, dia hiala aminy ny olana

عَنْ سُلَيْمَانَ بْنِ صُرَدٍ رضي الله عنه قَالَ:
كُنْتُ جَالِسًا مَعَ النَّبِيِّ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ وَرَجُلاَنِ يَسْتَبَّانِ، فَأَحَدُهُمَا احْمَرَّ وَجْهُهُ، وَانْتَفَخَتْ أَوْدَاجُهُ، فَقَالَ النَّبِيُّ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ: «إِنِّي لَأَعْلَمُ كَلِمَةً لَوْ قَالَهَا ذَهَبَ عَنْهُ مَا يَجِدُ، لَوْ قَالَ: أَعُوذُ بِاللَّهِ مِنَ الشَّيْطَانِ، ذَهَبَ عَنْهُ مَا يَجِدُ» فَقَالُوا لَهُ: إِنَّ النَّبِيَّ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ قَالَ: «تَعَوَّذْ بِاللَّهِ مِنَ الشَّيْطَانِ»، فَقَالَ: وَهَلْ بِي جُنُونٌ؟

Tatitra azo avy tamin'i Solaiman Ibn Sward (R.A) niteny :
Nipetraka niaraka tamin’ny Mpaminany (S.A.W) aho, ary nisy roa lahy nanontany, ny tarehin’iray tamin’izy ireo nivaramena ary nivonto ny lalan-drany, ka hoy ny Mpaminany (S.A.W) : "Fantatro ny teny iray fa raha miteny izany izy, dia hiala aminy ny olana. Raha niteny izy hoe : Mangataka fiarovana amin'IAllah manoloana an'i Satana aho, dia hiala aminy ny olana" Dia hoy izy ireo taminy : ny Mpaminany (S.A.W) niteny hoe “Mitadiava fiarovana amin’I Allah manoloana ny Satana.” Dia hoy izy : Very saina ve aho?

Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim Sahìh Al-Bokhari - 3282

Ny fanazavana

Nisy roa lahy nanozona sy nifanompa teo anatrehan’ny Mpaminany (S.A.W), nivadika mena ny tarehin’iray tamin’izy ireo ary nivonto ny lalan-dra teo amin’ny tendany.
Ka hoy i Mpaminany (S.A.W) : Mahafantatra teny iray aho ka raha miteny izany ilay olona tezitra, dia hiala aminy ny fahatezerana, raha miteny izy hoe : Mangataka fiarovana amin’I Allah manoloana ny Satana voaozona aho.
Ka hoy izy ireo taminy : Niteny ny Mpaminany (S.A.W) hoe : Mitadiava fialofana amin’I Allah manoloana ny Satana.
Hoy izy : Adala ve aho?! Nihevitra izy fa ny olona adala ihany no afaka mangataka fiarovana amin’I Allah manoloana ny Satana.

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Ny Mpaminany (S.A.W) dia tsy mitsahatra manome fitarihana sy sori-dàlana, rehefa misy antony izany.
  2. Ny fahatezerana dia avy amin'ny devoly.
  3. Ny baiko mandidy amin'ny fangatahana fiarovana amin’I Allah manoloana ny Satana voaozona rehefa tezitra, Hoy i Allah ilay Tsitoha : (Ary raha misy fanelingelenana anao avy amin'i Satana, dia mitadiava fialofana amin’I Allah) Ny andininy.
  4. Fampitandremana amin'ny fanevatevana sy fanozonana sy izay mitovitovy amin'izany, ary fandroahana azy ireo; Satria miteraka fanimbana eo amin’ny olona.
  5. Fampitana ny torohevitra ho an'ireo izay tsy nandre izany mba hahazoany tombony amin'izany.
  6. Nampitandrina amin'ny fahatezerana ny Mpaminany (S.A.W). Satria mahatonga ny faharatsiana sy ny tsy fitandremana izany, ary ny Mpaminany (S.A.W) dia tsy ho tezitra raha tsy voahitsakitsaka ny fahamasinan’I Allah ilay Tsitoha, ary izany dia fahatezerana mendri-piderana.
  7. Hoy i Al-Nawawi momba ny teniny hoe : “Mihevitra ve ianao fa misy hadalana ato amiko?”: Mety ho anisan'ireo mpihatsaravelatsihy na iray tamin'ireo tambanivolo masiaka ity mpandahateny ity.

Fanehona ny dikanteny

50 Ny teny
EN English Anglisy
UR اردو Ordo
ES Español Espana
ID Indonesia Indoneziana
BN বাংলা Bengaly
TR Türkçe Torkia
RU Русский Rosiana
BS Bosanski Bosnia
SI සිංහල Sinhala
HI हिन्दी India
ZH 中文 sinoa
FA فارسی Persiana
VI Tiếng Việt Vietnamiana
TL Tagalog Tagaloga
KU Kurdî Kordia
HA Hausa Hosia
PT Português portogalîa
ML മലയാളം Malayalamia
TE తెలుగు Teljo
SW Kiswahili saohilia
TA தமிழ் Tamily
MY မြန်မာ Birmana
TH ไทย Tailandia
DE Deutsch Alimanina
PS پښتو Pasito
AS অসমীয়া Asamia
SQ Shqip Albany
SV Svenska Soedianina
AM አማርኛ Amharika
NL Nederlands Holandia
GU ગુજરાતી Gojratia
NE नेपाली Nepalianina
YO Yorùbá Yorianina
LT Lietuvių Litoanianina
PRS دری Aldoria
SR Српски serbianina
TG тоҷикӣ Tajakianina
RW Kinyarwanda Keniaroandia
RO Română Romaniana
HU Magyar Hongariana
MOS Moore الموري
OM Oromoo Oromianina
KN ಕನ್ನಡ Kanadianina
WO Wolof الولوف
UK Українська Okranianina
KA ქართული الجورجية
MK Македонски المقدونية
KM ភាសាខ្មែរ الخميرية
PA ਪੰਜਾਬੀ البنجابية
MR मराठी الماراثية