1. Pejy fandraisana
  2. Ireo sokajy
  3. Ny hatsarana sy ny fahalalam-pomba

Hadith “Tsy hambarako anareo ve ny tsara indrindra amin’ny asanareo, izay madio indrindra eo imason’ny Mpanjakanareo, izay ambony indrindra eo amin’ny voninahitrareo

عَنْ أَبِي الدَّرْدَاءِ رضي الله عنه قَالَ: قَالَ النَّبِيُّ صَلَّى اللَّهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ:
«أَلاَ أُنَبِّئُكُمْ بِخَيْرِ أَعْمَالِكُمْ، وَأَزْكَاهَا عِنْدَ مَلِيكِكُمْ، وَأَرْفَعِهَا فِي دَرَجَاتِكُمْ وَخَيْرٌ لَكُمْ مِنْ إِنْفَاقِ الذَّهَبِ وَالوَرِقِ، وَخَيْرٌ لَكُمْ مِنْ أَنْ تَلْقَوْا عَدُوَّكُمْ فَتَضْرِبُوا أَعْنَاقَهُمْ وَيَضْرِبُوا أَعْنَاقَكُمْ؟» قَالُوا: بَلَى. قَالَ: «ذِكْرُ اللهِ تَعَالَى».

Tatitra azo avy tamin'i Abo Darda (R.A) : Niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe :
“Tsy hambarako anareo ve ny tsara indrindra amin’ny asanareo, izay madio indrindra eo imason’ny Mpanjakanareo, izay ambony indrindra eo amin’ny voninahitrareo ary tsara kokoa ho anareo noho ny famoahana volamena sy ny vola, ary tsara kokoa ho anareo mihoatra fifandonanareo amin'ny fahavalonareo ka tapahinareo ny vozony ary hotapahainy ny vozonareo?" Namaly izy ireo hoe : Eny dia hoy ny Mpaminany (S.A.W) : “Ny fahatsiarovana an’i Allah ilay Tsitoha”.

Mari-pototra Notantarain'i al-Tirmizì sy Ibn Màjah ary Ahmad Sonan At-Tirmizì - 3377

Ny fanazavana

Nanontany ireo mpanara-diany ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe :
Tianareo ve ny hilazako aminareo sy hampahafantatra anareo ny asa tsara indrindra, mendri-kaja indrindra, madio ary tsara indrindra eo imason'i Allah Ilay Mpanjaka, Ilay Tsitoha?
Ary tena mampiakatra ny voninahitrareo ao amin'ny Paradisa?
Ary tsara aminareo mihoatry ny fanomezana volamena sy volafotsy?
Tsara ho anareo mihoatry ny mifanena amin'ireo tsy mpino hiady, ka mikapoka ny vozony ianareo, ary mamely ny vozonareo koa izy ireo?
Namaly ireo mpanara_diany hoe : Eny, ilainay izany.
Niteny izy (S.A.W) hoe : Fahatsiarovana an'Allah amin’ny fotoana rehetra sy amin’ny endrika rehetra ary amin’ny toe-javatra rehetra.

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Ny fahatsiarovana an’Allah Ilay Tsitoha tsy mitsahatra, na ivelany na anatiny, dia isan'ireo fanompoana lehibe sy mahasoa indrindra eo anatrehan’i Allah.
  2. Ny asa rehetra dia natao ho fanamafisana ny fahatsiarovana an'Allah Ilay Tsitoha, miteny Allah manao hoe : (Ary manaova vavaka ianao ho fahatsiarovana Ahy). Ary hoy ny Mpaminany (S.A.W) : Tsy natao ny fihodidinana ny Ka'aba sy ny fihazakazahana eo anelanelan'ny Safa sy Marwa ary ny fitoraham-bato afa-tsy hampijoroana ny fahatsiarovana an'I Allah ihany. Notantarain' i Abo Daod sy Tirmidhi.
  3. Nilaza i Izz bin Abdol Salam ao amin'ny fitsipika napetrany manao hoe : Ity hadith ity dia manondro fa tsy miankina amin'ny haavon'ny asa soa amin'ny fanompoana rehetra ny valisoa, fa Allah dia mety hamaly soa bebe kokoa amin'ny asa kely noho ny asa betsaka, ny valisoa dia miankina amin'ny fahasamihafan'ny laharana amin'ny voninahitra.
  4. Nilaza i Manawi ao amin'ny Fayd al-Qadir : Ity hadith ity dia midika fa ny fahatsiarovana dia tsara kokoa ho an'ireo izay olona niresahana azy, ary raha olona sahy sy matanjaka no niresahina, izay hahazoana tombony amin'ny finoana silamo amin'ny alàlan'ny ady, dia ny ady no nolazaina taminy, na ny manan-karena izay mahasoa ny mahantra dia nolazaina taminy ny famoaham-bola, ary ny olona afaka manao Hajj dia nolazaina taminy ny Hajj, na izay manana ray aman-dReny dia nolazaina taminy ny fanasoavana azy roa, ary amin’izany no hisian'ny fifandraisana eo amin'ny samy fanambarana.
  5. Ny fahatsiarovana feno indrindra dia izay nitononon'ny lela ary banjinin'ny fo, aorian'izay dia ny ao am-po irery toy ny fisainana, manarak'izany dia ny eo amin'ny lela ihany, ary samy misy valisoa daholo izany, raha sitrak'i Allah..
  6. Ny fifikiran'ny mpino silamo ireo Azkar mifandray amin'ny toe-piainany, toy ny tonom-bavaka vakina amin'ny maraina sy ny hariva, ny fidirana sy ny fivoahana ny moske, ny trano, ny trano fidiovana, ary ny hafa ankoatr'izany, dia mahatonga azy ho isan'ireo izay mahatsiaro an'I Allah matetika.

Fanehona ny dikanteny

57 Ny teny
EN English Anglisy
UR اردو Ordo
ES Español Espana
ID Indonesia Indoneziana
UG ئۇيغۇرچە Aigoria
BN বাংলা Bengaly
TR Türkçe Torkia
RU Русский Rosiana
BS Bosanski Bosnia
SI සිංහල Sinhala
HI हिन्दी India
ZH 中文 sinoa
FA فارسی Persiana
VI Tiếng Việt Vietnamiana
TL Tagalog Tagaloga
KU Kurdî Kordia
HA Hausa Hosia
PT Português portogalîa
ML മലയാളം Malayalamia
TE తెలుగు Teljo
SW Kiswahili saohilia
TA தமிழ் Tamily
MY မြန်မာ Birmana
TH ไทย Tailandia
DE Deutsch Alimanina
PS پښتو Pasito
AS অসমীয়া Asamia
SQ Shqip Albany
SV Svenska Soedianina
AM አማርኛ Amharika
NL Nederlands Holandia
GU ગુજરાતી Gojratia
KY Кыргызча Kargaria
NE नेपाली Nepalianina
YO Yorùbá Yorianina
LT Lietuvių Litoanianina
PRS دری Aldoria
SR Српски serbianina
SO Soomaali Somalianina
TG тоҷикӣ Tajakianina
RW Kinyarwanda Keniaroandia
RO Română Romaniana
HU Magyar Hongariana
CS Čeština Tsekianina
MOS Moore الموري
OM Oromoo Oromianina
KN ಕನ್ನಡ Kanadianina
WO Wolof الولوف
AZ Azərbaycan Azerianina
UZ O‘zbek Ozbekianina
UK Українська Okranianina
KA ქართული الجورجية
MK Македонски المقدونية
KM ភាសាខ្មែរ الخميرية
PA ਪੰਜਾਬੀ البنجابية
MR मराठी الماراثية
KMR Kurmancî الكرمنجية