1. Pejy fandraisana
  2. Ireo sokajy
  3. Ny hatsarana sy ny fahalalam-pomba

Hadith Ny nofy tsara dia avy amin'IAllah, ary ny nofy ratsy dia avy amin'i Satana, ka raha misy aminareo manonofy izay mampahatahotra azy, dia aoka handrora amin'ny ilany havia izy, ary hitady fialofana amin'IAllah amin'ny faharatsian'izany, dia tsy hahavita haninona azy

عَنْ أَبِي قَتَادَةَ رضي الله عنه قَالَ: قَالَ النَّبِيُّ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ:
«الرُّؤْيَا الصَّالِحَةُ مِنَ اللَّهِ، وَالحُلُمُ مِنَ الشَّيْطَانِ، فَإِذَا حَلَمَ أَحَدُكُمْ حُلُمًا يَخَافُهُ فَلْيَبْصُقْ عَنْ يَسَارِهِ، وَلْيَتَعَوَّذْ بِاللَّهِ مِنْ شَرِّهَا، فَإِنَّهَا لاَ تَضُرُّهُ».

Tatitra azo avy tamin'i Abo Qoatada (R.A) : Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe :
"Ny nofy tsara dia avy amin'IAllah, ary ny nofy ratsy dia avy amin'i Satana, ka raha misy aminareo manonofy izay mampahatahotra azy, dia aoka handrora amin'ny ilany havia izy, ary hitady fialofana amin'IAllah amin'ny faharatsian'izany, dia tsy hahavita haninona azy".

Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim Sahìh Al-Bokhari - 3292

Ny fanazavana

Nampahafantatra ny Mpaminany (S.A.W) fa ny nofy tsara mahafaly amin’ny torimaso dia avy amin’I Allah, ary ny nofy ratsy izay maharikoriko sy mampalahelo dia avy amin’i Satana.
Ka izay mahita zavatra halany, aoka izy handrora amin'ny ankaviany, ary hitady fialofana amin'IAllah amin'ny faharatsiany. Tsy hanisy ratsy azy izany, satria nataon’I Allah ho fiarovana amin’ny loza ateraky ny nofy ilay voalaza.

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Ny fahitana sy ny nofy dia fanehoana ny zavatra hitan’ny matory amin’ny torimasony, fa ny fahitana no mibahan-toerana amin’izay hitany momba ny tsara sy ny mahafinaritra, ary ny nofy dia mibahan-toerana amin’izay hitany ny ratsy sy ny maharikoriko, ary samy ampiasaina ho solon’ny hafa.
  2. Sokajin'ny nofy : 1- Nofy tsara, izy io dia fahitana marina sy vaovao mahafaly avy amin'I Allah izay hitany na aseho aminy, 2- Bitsibitsiky ny tena, izay lazain'ny olona amin'ny tenany eo am-pifohazana, 3-Alahelo sy fampitahoran'i Satana sy ny fanelingelenany mba hampahory ny zanak’i Adama.
  3. Ny zavatra voalaza momba ny lohahevitra amin'ny nofy tsara dia zavatra telo : Ny misaotra an'I Allah noho izany, ny mifaly amin'izany, ary ny miresaka izany fa amin'izay olona tiany fa tsy amin'izay mankahala azy.
  4. Ny zavatra voalaza momba ny lohahevitra amin'ny nofy ratsy dia dimy : Ny fangatahana fiarovany amin'Allah amin'ny faharatsiany sy ny faharatsian'i Satana, ary ny mandrora intelo rehefa nifoha avy natory ho amin'ny ilany ankavia, ary tsy milaza na amin'iza na amin'iza, ary raha te hiverina amin'ny torimasony izy, dia mivadika amin'ny ilany; ka tsy nahavita ratsy azy izany.

Fanehona ny dikanteny

51 Ny teny
EN English Anglisy
UR اردو Ordo
ES Español Espana
ID Indonesia Indoneziana
UG ئۇيغۇرچە Aigoria
BN বাংলা Bengaly
TR Türkçe Torkia
RU Русский Rosiana
BS Bosanski Bosnia
SI සිංහල Sinhala
HI हिन्दी India
ZH 中文 sinoa
FA فارسی Persiana
VI Tiếng Việt Vietnamiana
TL Tagalog Tagaloga
KU Kurdî Kordia
HA Hausa Hosia
PT Português portogalîa
ML മലയാളം Malayalamia
TE తెలుగు Teljo
SW Kiswahili saohilia
TA தமிழ் Tamily
MY မြန်မာ Birmana
TH ไทย Tailandia
DE Deutsch Alimanina
PS پښتو Pasito
AS অসমীয়া Asamia
SQ Shqip Albany
SV Svenska Soedianina
AM አማርኛ Amharika
NL Nederlands Holandia
GU ગુજરાતી Gojratia
NE नेपाली Nepalianina
YO Yorùbá Yorianina
LT Lietuvių Litoanianina
PRS دری Aldoria
SR Српски serbianina
TG тоҷикӣ Tajakianina
RW Kinyarwanda Keniaroandia
RO Română Romaniana
HU Magyar Hongariana
MOS Moore الموري
OM Oromoo Oromianina
KN ಕನ್ನಡ Kanadianina
WO Wolof الولوف
UK Українська Okranianina
KA ქართული الجورجية
MK Македонски المقدونية
KM ភាសាខ្មែរ الخميرية
PA ਪੰਜਾਬੀ البنجابية
MR मराठी الماراثية