1. Pejy fandraisana
  2. Ireo sokajy
  3. Ny hatsarana sy ny fahalalam-pomba

Hadith Nisy lehilahy iray tonga teo amin’ny Mpaminany (S.A.W) ka niteny hoe : “Assalam Alaikom - Ho aminao anie ny fiadanana" avy eo dia nipetraka izy, ary namaly ny fiarahabany i Mpaminany (S.A.W) ka niteny manao hoe : “Folo”

عَنْ عِمْرَانَ بْنِ حُصَيْنٍ رَضِيَ اللَّهُ عَنْهُ قَالَ:
جَاءَ رَجُلٌ إِلَى النَّبِيِّ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ فَقَالَ: السَّلَامُ عَلَيْكُمْ، فَرَدَّ عَلَيْهِ ثُمَّ جَلَسَ، فَقَالَ النَّبِيُّ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ: «عَشْرٌ» ثُمَّ جَاءَ آخَرُ فَقَالَ: السَّلَامُ عَلَيْكُمْ وَرَحْمَةُ اللَّهِ، فَرَدَّ عَلَيْهِ فَجَلَسَ، فَقَالَ: «عِشْرُونَ» ثُمَّ جَاءَ آخَرُ فَقَالَ: السَّلَامُ عَلَيْكُمْ وَرَحْمَةُ اللَّهِ وَبَرَكَاتُهُ، فَرَدَّ عَلَيْهِ فَجَلَسَ، فَقَالَ: «ثَلَاثُونَ».

Tatitra azo avy tamin'i Imran Ibn Hoswain (R.A) niteny :
Nisy lehilahy iray tonga teo amin’ny Mpaminany (S.A.W) ka niteny hoe : “Assalam Alaikom - Ho aminao anie ny fiadanana" avy eo dia nipetraka izy, ary namaly ny fiarahabany i Mpaminany (S.A.W) ka niteny manao hoe : “Folo” Dia tonga ny iray hafa ka niteny hoe : “Assalam Alaikom Warahamatollahi - Ho aminao anie ny fiadanana sy ny famindram-pon’I Allah, avy eo dia nipetraka, dia namaly ny fiarahabany i Mpaminany (S.A.W) ary niteny hoe : "Roapolo". Ary tonga ny lehilahy fahatelo dia niteny hoe : "Assalam Alaikom Warahmatollahi Wabarakatoh - Fiadanana anie ho aminao sy famindram-pon'I Allah ary ny fahasoavany". Dia namaly azy i Mpaminany (S.A.W) ka niteny manao hoe : "Telopolo".

Tsara رواه أبو داود والترمذي وأحمد والدارمي Sonan Abo Daòd - 5195

Ny fanazavana

Nisy lehilahy iray tonga teo amin'ny Mpaminany (S.A.W) ary niteny hoe : (Ho aminao anie ny fiadanana) ary namaly azy izy, dia nipetraka, ka niteny ny Mpaminany (S.A.W) : Nanoratana asa soa folo ho azy, ary tonga ny iray hafa niteny manao hoe : (Ho aminao anie ny fiadanana sy ny famindram-pon’I Allah), dia namaly izy ka nipetraka, ka hoy ny Mpaminany (S.A.W) : Nahazo valisoa roapolo izy, avy eo dia tonga ny iray hafa ka niteny hoe : (Ho aminao anie ny fiadanana sy ny famindram-po ary ny fitahian'I Allah), namaly azy i Mpaminany (S.A.W) ary niteny manao hoe : Nahazo valisoa telopolo izy. Izany hoe, valisoa folo isaky ny teny.

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Ny tonga dia manomboka amin’ny fiarahabana amin'izay mipetraka.
  2. Fitomboan'ny valisoa amin'ny fampitomboana ny teny fiarahabana
  3. Ny fomba feno indrindra hanaovana ny fiarahabana dia : (Assalam Alaikom Warahamatollahi Wabarakatoh - Ho aminao anie ny fiadanana sy ny famindram-pon'I Allah ary ny fitahiany), ary ny endrika tsara indrindra ho valin-teny dia toy izao : (Wa anlaikom Salam Wa rahamatollahi Wabarakatoh - Ho aminao anie ny fiadanana sy ny ny famindram-pon'Allah ary ny fitahiany).
  4. Ny haavon'ny fiarahabana sy ny famaliana dia samy hafa, ary ny valisoa dia hafa.
  5. Mampianatra ny olona ny tsara sy manentana azy ireo mba hanatratra ny tsara indrindra.
  6. Hoy i Ibn Hajar : Raha mitombo (sy ny famindram-pon’Allah) ny voalohany dia tsaratsara ny manampy (sy ny fitahiany), koa raha mitombo izy (sy ny fitahiany), azo atao ve ny mampitombo ny fiverenana? Toy izany koa, raha manampy ny “sy ny tso-dranony” ilay vao manomboka, dia azo atao ve ny manao izany, hoy i Malik ao amin'ny Al-Mowatta' tamin'ny tatitr'i Ibn Abbas (R.A) mifarana amin’ny fitahiana.

Fanehona ny dikanteny

43 Ny teny
EN English Anglisy
UR اردو Ordo
ES Español Espana
ID Indonesia Indoneziana
BN বাংলা Bengaly
TR Türkçe Torkia
RU Русский Rosiana
BS Bosanski Bosnia
SI සිංහල Sinhala
HI हिन्दी India
ZH 中文 sinoa
FA فارسی Persiana
VI Tiếng Việt Vietnamiana
TL Tagalog Tagaloga
KU Kurdî Kordia
HA Hausa Hosia
PT Português portogalîa
ML മലയാളം Malayalamia
TE తెలుగు Teljo
SW Kiswahili saohilia
TA தமிழ் Tamily
MY မြန်မာ Birmana
TH ไทย Tailandia
PS پښتو Pasito
AS অসমীয়া Asamia
SQ Shqip Albany
SV Svenska Soedianina
AM አማርኛ Amharika
NL Nederlands Holandia
GU ગુજરાતી Gojratia
PRS دری Aldoria
SR Српски serbianina
RO Română Romaniana
HU Magyar Hongariana
MOS Moore الموري
KN ಕನ್ನಡ Kanadianina
WO Wolof الولوف
UK Українська Okranianina
KA ქართული الجورجية
MK Македонски المقدونية
KM ភាសាខ្មែរ الخميرية
PA ਪੰਜਾਬੀ البنجابية
MR मराठी الماراثية