1. Pejy fandraisana
  2. Ireo sokajy
  3. Ny hatsarana sy ny fahalalam-pomba

Hadith Efa nilaza teny iray ianao, raha afangaro amin’ny ranomasina izany, dia hangidy.”

عَنْ عَائِشَةَ أُمِّ المؤْمنينَ رَضيَ اللهُ عنها قَالَت:
قُلْتُ لِلنَّبِيِّ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ: حَسْبُكَ مِنْ صَفِيَّةَ كَذَا وَكَذَا، -قَالَ أَحدُ الرُّوَاةِ: تَعْنِي قَصِيرَةً- فَقَالَ: «لَقَدْ قُلْتِ كَلِمَةً لَوْ مُزِجَتْ بِمَاءِ الْبَحْرِ لَمَزَجَتْهُ» قَالَتْ: وَحَكَيْتُ لَهُ إِنْسَانًا، فَقَالَ: «مَا أُحِبُّ أَنِّي حَكَيْتُ إِنْسَانًا وَأَنَّ لِي كَذَا وَكَذَا».

Tatitra azo avy tamin'i Aicha Renin'ny mpino (R.A) niteny :
Nolazaiko tamin'ny Mpaminany (S.A.W) ny hoe : Ampy ho anao ny avy amin'i Safiyya izao sy izao, hoy ny fitantarana hafa hoe : Izy dia fohy - Dia niteny i Mpaminany (S.A.W) : "Efa nilaza teny iray ianao, raha afangaro amin’ny ranomasina izany, dia hangidy.” Hoy izy : “Nolazaiko taminy ny momba ny olona iray, dia niteny i Mpaminany (SAW) : “Tsy tiako ny miresaka momba olona, ​​ary tsy tiako ny miteny hoe Izao sy izao.”

Mari-pototra Notantarain'I Abo Daòd, Al-Tirmizì ary Ahmad Sonan Abo Daòd - 4875

Ny fanazavana

Niteny tamin'ny Mpaminany (S.A.W) i Aicha (RA) renin'ny mpino, hoe : Ampy ho anao izany avy amin'i Safiyya - midika hoe fa ny kilema ara-batan'i Swafya Renin'ny mpino dia fohy, dia hoy i Mpaminany (S.A.W) hoe : Nilaza teny iray ianao ka raha nafangaro amin'ny rano an-dranomasina izany dia handresy azy, hanova azy ary hanimba azy. Niteny i Aicha (R.A) : Manao toy ny ataon'ny olombelona mba milaza ny momba azy aho, dia hoy ny Mpaminany (S.A.W) : "Tsy mahafaly ahy ny hiresaka momba ny kilemany, na hanahaka azy ary hanao toy ny ataony na hiteny mitovy amin'ny teniny amin'ny fomba fanambaniana, na dia nomena zavatra be dia be eto amin'izao tontolo izao aza aho.

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Fampitandremana sy fandrahonana amin'ny fifosana.
  2. Voarara ny fanambaniana sy firesahana na ny fitenenan-dratsy olona amin'ny endrika fanambaniana sy fanaratsiana.
  3. Ny famaritana ny kilema ara-batana dia anisan'ny fanalam-baraka.
  4. Hoy i Al-Qadi : Ny fampifangaroana, fampitambarana ary fanovana amin'ny fanampiana zavatra hafa amin'izany, ary ny dikany dia hoe raha zavatra nifangaro tamin'ny ranomasina io tsy fisiana io, dia hanova azy amin'ny toerany izy, na dia eo aza ny habeny sy ny hamarony, ka ahoana momba ny asa madinidinika nifangaro tamin'io?
  5. Manazava ny sasany amin'ireo fialonana mitranga eo amin'ny mpivady.
  6. Tsy nankasitraka ny fanaratsiana ny Mpaminany (S.A.W).
  7. Manambany ny maha zava-dehibe izao tontolo izao sy izay ao anatiny raha ampitahaina amin’ny fahafaham-pon’I Allah Tsitoha fa tsy ny fahatezerany.
  8. Ny finoana silamo dia finoana manana fitondran-tena tsara, ary mandidy ny fiarovana ny voninahitra tsy ho voahitsakitsaka amin'ny teny na amin'ny asa. Satria miteraka fifandrafiana sy fankahalana eo amin'ny samy mpino silamo izany.

Fanehona ny dikanteny

43 Ny teny
EN English Anglisy
UR اردو Ordo
ES Español Espana
ID Indonesia Indoneziana
BN বাংলা Bengaly
TR Türkçe Torkia
RU Русский Rosiana
BS Bosanski Bosnia
SI සිංහල Sinhala
HI हिन्दी India
ZH 中文 sinoa
FA فارسی Persiana
VI Tiếng Việt Vietnamiana
TL Tagalog Tagaloga
KU Kurdî Kordia
HA Hausa Hosia
PT Português portogalîa
ML മലയാളം Malayalamia
TE తెలుగు Teljo
SW Kiswahili saohilia
TA தமிழ் Tamily
MY မြန်မာ Birmana
TH ไทย Tailandia
PS پښتو Pasito
AS অসমীয়া Asamia
SQ Shqip Albany
SV Svenska Soedianina
AM አማርኛ Amharika
NL Nederlands Holandia
GU ગુજરાતી Gojratia
PRS دری Aldoria
SR Српски serbianina
RO Română Romaniana
HU Magyar Hongariana
MOS Moore الموري
KN ಕನ್ನಡ Kanadianina
WO Wolof الولوف
UK Українська Okranianina
KA ქართული الجورجية
MK Македонски المقدونية
KM ភាសាខ្មែរ الخميرية
PA ਪੰਜਾਬੀ البنجابية
MR मराठी الماراثية