1. Pejy fandraisana
  2. Ireo sokajy
  3. Ny foto-pinoana

Hadith Tena marina fa i Tompo Allah dia namela ny vahoakako, noho Izaho, amin'izay hadisoana tsy fananihana na hadino na koa ny amin'ireo zavatra nanerena azy ireo fa tsy antsitrapo

عَنْ ابْنِ عَبَّاسٍ رَضِيَ اللَّهُ عَنْهُمَا أَنَّ رَسُولَ اللَّهِ صَلَّى اللَّهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ قَالَ:
«إنَّ اللَّهَ تَجَاوَزَ لِي عَنْ أُمَّتِي الخَطَأَ وَالنِّسْيَانَ وَمَا اسْتُكْرِهُوا عَلَيْهِ».

Niteny Ibn 'Abbaasy (R.A), fa ny Irakan'i Tompo Allah (S.A.W) dia nilaza ka nanao hoe :
Tena marina fa i Tompo Allah dia namela ny vahoakako, noho Izaho, amin'izay hadisoana tsy fananihana na hadino na koa ny amin'ireo zavatra nanerena azy ireo fa tsy antsitrapo.

قال النووي: حديث حسن رواه ابن ماجه والبيهقي وغيرهما الأربعون النووية - 39

Ny fanazavana

Hoy ny Mpaminany nilaza fa : Namela ny heloky ny vahoakany i Tompo Allah amin'ny toe-javatra telo : Ny voalohany : Fahadisoana, izay tsy nahy, ka rehefa misy Mpino silamo mikasa amin'ny fanaovana zavatra, nefa ny zavatra nataony dia zavatra hafa noho izay nokasainy. Ny faharoa : ny fanadinoana, ka rehefa misy silamo mahatsiaro zavatra iray, nefa manadino izany rehefa teo am-panaovana azy. Tsy misy ota koa izany. Ny fahatelo : Fanerena. Mety noterena hanao zavatra tsy tiany ny mpanompo iray, na dia tsy mahatohitra ny fanerena aza. Amin'ity tranga ity dia tsy meloka amin'ny ota na fahasahiranana Izy. Marihina fa ny lohahevitry ny resaka eo amin’ny mpanompo sy ny Tompony dia ny fanaovana ireo zavatra voarara. Ny amin'ny fanadinoana ny zavatra voadidy dia tsy maninona. Raha toa ka mitarika heloka bevava anefa izany, dia tsy lany ny zon’ny zavaboary, toy ny hoe namono tsy nahy, ka tsy maintsy nandoa onitra, na nanimba fiara tsy nahy, dia tsy maintsy mandoa onitra.

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Ny habezan'ny famindram-pon'i Tompo Allah - Ilay Avo tsitoha- sy ny hatsaram-panahiny amin'ny mpanompony, rehefa manaisotra ny ota amin'izy ireo Izy raha manota amin'ireo tranga telo ireo.
  2. Ny fahasoavan'i Tompo Allah amin'ny Mpaminany Mohammadi (S.A.W) sy ny vahoakany.
  3. Ny fanesorana ny fahotana dia tsy midika hoe manala ny didy na ny antoka. Ohatra, raha misy Olona manadino ny midio ka mihevi-tena ho madio, dia tsy misy ota Aminy izany fa tsy maintsy misasa sy mamerina ny vavakany Izy.
  4. Mba hanalana ny fahotana amin’ny alàlan’ny fanerena dia tsy maintsy mahafeno ny fepetra sasany, toy ny fahafahan’ilay mpanery manatanteraka izay norahonany.

Fanehona ny dikanteny

59 Ny teny
EN English Anglisy
UR اردو Ordo
ES Español Espana
ID Indonesia Indoneziana
UG ئۇيغۇرچە Aigoria
BN বাংলা Bengaly
FR Français Frantsay
TR Türkçe Torkia
RU Русский Rosiana
BS Bosanski Bosnia
SI සිංහල Sinhala
HI हिन्दी India
ZH 中文 sinoa
FA فارسی Persiana
VI Tiếng Việt Vietnamiana
TL Tagalog Tagaloga
KU Kurdî Kordia
HA Hausa Hosia
PT Português portogalîa
ML മലയാളം Malayalamia
TE తెలుగు Teljo
SW Kiswahili saohilia
TA தமிழ் Tamily
MY မြန်မာ Birmana
TH ไทย Tailandia
DE Deutsch Alimanina
PS پښتو Pasito
AS অসমীয়া Asamia
SQ Shqip Albany
AM አማርኛ Amharika
NL Nederlands Holandia
GU ગુજરાતી Gojratia
KY Кыргызча Kargaria
NE नेपाली Nepalianina
YO Yorùbá Yorianina
LT Lietuvių Litoanianina
PRS دری Aldoria
SR Српски serbianina
TG тоҷикӣ Tajakianina
RW Kinyarwanda Keniaroandia
HU Magyar Hongariana
CS Čeština Tsekianina
MOS Moore الموري
OM Oromoo Oromianina
KN ಕನ್ನಡ Kanadianina
WO Wolof الولوف
AZ Azərbaycan Azerianina
UZ O‘zbek Ozbekianina
UK Українська Okranianina
KA ქართული الجورجية
MK Македонски المقدونية
KM ភាសាខ្មែរ الخميرية
BM Bambara البامبارية
PA ਪੰਜਾਬੀ البنجابية
MR मराठी الماراثية
DA Dansk الدنماركية
RN Kirundi الكيروندي
KMR Kurmancî الكرمنجية
MS Bahasa Melayu الملايو