1. Pejy fandraisana
  2. Ireo sokajy
  3. Ny foto-pinoana

Hadith Nodidiana aho hiady amin'ny olona mandra-pijoroan'izy ireo ho vavolombelona fa tsy misy tompo afa-tsy Allah, ary i Mohammad dia irak'Allah, ary manangana ny soalat sy mandoa zakat

عَنِ ابْنِ عُمَرَ رضي الله عنهما أَنَّ رَسُولَ اللَّهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ قَالَ:
«أُمِرْتُ أَنْ أُقَاتِلَ النَّاسَ حَتَّى يَشْهَدُوا أَنْ لاَ إِلَهَ إِلَّا اللَّهُ، وَأَنَّ مُحَمَّدًا رَسُولُ اللَّهِ، وَيُقِيمُوا الصَّلاَةَ، وَيُؤْتُوا الزَّكَاةَ، فَإِذَا فَعَلُوا ذَلِكَ عَصَمُوا مِنِّي دِمَاءَهُمْ وَأَمْوَالَهُمْ إِلَّا بِحَقِّ الإِسْلاَمِ، وَحِسَابُهُمْ عَلَى اللَّهِ».

Niteny Ibn Omar (RA), niteny ny Irak'Allah (S.A.W) manao hoe :
"Nodidiana aho hiady amin'ny olona mandra-pijoroan'izy ireo ho vavolombelona fa tsy misy tompo afa-tsy Allah, ary i Mohammad dia irak'Allah, ary manangana ny soalat sy mandoa zakat, raha manao izany izy ireo dia voaro amiko ny ràn'izy ireo sy ny fananany, afa-tsy ny zon'ny silamo, ary ny fitsarana azy ireo dia any amin’I Allah.”

Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim Sahìh Al-Bokhari - 25

Ny fanazavana

Manambara ny Mpaminany (S.A.W) fa Allah dia nandidy azy hiady amin'ireo mpanompo sampy mandra-pijoroan'izy ireo ho vavolombelona fa tsy hanompo afa-tsy Allah irery ihany, tsy misy mpiara-miombona Aminy, ary mijoro vavolombelona amin'i Mohammad (S.A.W) fa nitongavan'ny hafatra, ary ny hanao zavatra mifanaraka amin'izany fijoroana ho vavolombelona izany amin'ny fifikirana amin'ny soalat dimy isan'andro sy ny alina, ary ny famoaka ny zakat ho an'izay mendrika izany. Raha manao ireo zavatra ireo izy dia miaro ny rany sy ny hareny ny finoana silamo. Tsy azo atao ny mamono azy ireo raha tsy nanao heloka bevava na fahotana izay mendrika ny hamonoana azy araka ny lalànan'ny finoana silamo. Ary amin'ny andro fitsanganan'ny maty dia Allah Tsitoha no hiandraikitra ny fitsarana azy ireo araka ny fahafantarany ny tsiambaratelon'izy ireo.

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Mihatra amin’ny fisehoana ivelany ihany ny didy, ary Allah no miandraikitra ny zava-miafina.
  2. Ny maha zava-dehibe ny antso ho amin'ny fanokanana an'i Allah, ary izany no zavatra voalohany atomboka amin'ny antso sy ny fampielezana atao.
  3. Io hadith io dia tsy midika hoe terena hiditra amin'ny finoana silamo ireo mpanompo sampy, fa nomena safidy malalaka izy ireo na hiditra amin'ny finoana silamo na handoa hetra. Raha mandà afa-tsy ny hanakana ny antso ho amin'ny finoana silamo izy ireo dia tsy misy azo atao afa-tsy miady aminy araka lalàna mifandraika amin'ny finoana silamo.

Fanehona ny dikanteny

63 Ny teny
EN English Anglisy
UR اردو Ordo
ES Español Espana
ID Indonesia Indoneziana
UG ئۇيغۇرچە Aigoria
BN বাংলা Bengaly
FR Français Frantsay
TR Türkçe Torkia
RU Русский Rosiana
BS Bosanski Bosnia
SI සිංහල Sinhala
HI हिन्दी India
ZH 中文 sinoa
FA فارسی Persiana
VI Tiếng Việt Vietnamiana
TL Tagalog Tagaloga
KU Kurdî Kordia
HA Hausa Hosia
PT Português portogalîa
ML മലയാളം Malayalamia
TE తెలుగు Teljo
SW Kiswahili saohilia
TA தமிழ் Tamily
MY မြန်မာ Birmana
TH ไทย Tailandia
DE Deutsch Alimanina
JA 日本語 Zapone
PS پښتو Pasito
AS অসমীয়া Asamia
SQ Shqip Albany
SV Svenska Soedianina
AM አማርኛ Amharika
NL Nederlands Holandia
GU ગુજરાતી Gojratia
KY Кыргызча Kargaria
NE नेपाली Nepalianina
YO Yorùbá Yorianina
LT Lietuvių Litoanianina
PRS دری Aldoria
SR Српски serbianina
SO Soomaali Somalianina
TG тоҷикӣ Tajakianina
RW Kinyarwanda Keniaroandia
RO Română Romaniana
HU Magyar Hongariana
CS Čeština Tsekianina
MOS Moore الموري
OM Oromoo Oromianina
KN ಕನ್ನಡ Kanadianina
WO Wolof الولوف
AZ Azərbaycan Azerianina
UZ O‘zbek Ozbekianina
UK Українська Okranianina
KA ქართული الجورجية
MK Македонски المقدونية
KM ភាសាខ្មែរ الخميرية
BM Bambara البامبارية
PA ਪੰਜਾਬੀ البنجابية
MR मराठी الماراثية
DA Dansk الدنماركية
RN Kirundi الكيروندي
KMR Kurmancî الكرمنجية
MS Bahasa Melayu الملايو