1. Pejy fandraisana
  2. Ireo sokajy
  3. Ny foto-pinoana

Hadith “Hozonin’I Allah anie ny Jiosy sy ny Kristianina noho ny fakan'izy ireo ny fasan’ny mpaminaniny ho toeram-pivavahana

عَنْ عَائِشَةَ أُمِّ المؤْمنينَ رَضيَ اللهُ عنها قَالَتْ: قَالَ رَسُولُ اللهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ فِي مَرَضِهِ الَّذِي لَمْ يَقُمْ مِنْهُ:
«لَعَنَ اللهُ الْيَهُودَ وَالنَّصَارَى، اتَّخَذُوا قُبُورَ أَنْبِيَائِهِمْ مَسَاجِدَ» قَالَتْ: فَلَوْلَا ذَاكَ أُبْرِزَ قَبْرُهُ، غَيْرَ أَنَّهُ خُشِيَ أَنْ يُتَّخَذَ مَسْجِدًا.

Tatitra azo avy tamin'i Aisha (R.A), Renin'ny mpino, Niteny i Mpaminany (S.A.W) nandritra ny aretiny izay tsy nahafahany nitsangana :
“Hozonin’I Allah anie ny Jiosy sy ny Kristianina noho ny fakan'izy ireo ny fasan’ny mpaminaniny ho toeram-pivavahana". Hoy i Aisha : Raha tsy izany, dia naharihary ny fasany, saingy natahotra izy sao hatao moske.

Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim Sahìh Moslim - 529

Ny fanazavana

Milaza amintsika i Aisha, Renin'ny Mpino (R.A) fa ny Mpaminany (S.A.W) niteny tamin'ny fotoana narariany izay nihamafy ka nahatonga ny fahafatesany : Allah dia nanozona ny Jiosy sy ny Kristianina, ary nandroaka azy ireo tamin’ny famindram-pony. Izany dia noho izy ireo nampiasa ny fasan’ny mpaminanin'izy ireo ho moske, tamin’ny fanorenana teo amboniny na nivavaka teo anilany na teo akaikiny. Dia hoy i Aisha (R.A) : Raha tsy noho izany fandrarana sy fampitandremana avy amin'ny Mpaminany (S.A.W) sy ny fahatahoran'ny mpanaradia izay hatao amin'ny fasan'ny Mpaminany, tahaka ny nataon’ny Jiosy sy ny Kristiana tamin’ny fasan’ny mpaminaniny, dia naseho sy nasongadina ny fasany.

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Io no iray amin'ireo hafatra farany nataony, izay manondro ny maha-zava-dehibe azy sy ny fiheverana azy.
  2. Ny fandrarana mivantana sy fandrarana mafy ny fakana fasana ho moske sy ny fikasana hivavaka any ankoatra ny vavaka fandevenana. Izany dia fanomezam-boninahitra ho an'ny maty, fihodikodinana ny fasany, hikasika ny zorony, ary hiantsoana ny anarany, ary izany rehetra izany dia fanompoan-tsampy sy ny fombafombany.
  3. Ny fahalianan'ilay Irak'Allah sy ny fiahiany mafy amin'ny fanokanana an'I Allah, ary ny tahotrany amin'ny fanomezam-boninahitra ny fasana; Satria mitarika ho amin'ny fanompoan-tsampy izany.
  4. Allah dia niaro ny Mpaminaniny (S.A.W) mba tsy hanaovana ny fivavahan-diso teo akaikin'ny fasany, ka nanome aingam-panahy ny mpanara_diany sy ireo nanaraka azy mba hiaro ny fasany tsy hisongadina.
  5. Fanarahan'ireo mpanaradia ny didin'ny Mpaminany (S.A.W) sy ny fifikiran'izy ireo amin'ny fanokanana an'I Allah.
  6. Voarara ny manahaka ny Jiosy sy ny Kristianina, ary anisan’ny fanaon'izy ireo ny mampiakatra avo ny fasana.
  7. Tsy azo atao ny mivavaka eo amin'ny fasana, na dia tsy nisy moske aza eo aminy.

Fanehona ny dikanteny

44 Ny teny
EN English Anglisy
UR اردو Ordo
ES Español Espana
ID Indonesia Indoneziana
UG ئۇيغۇرچە Aigoria
BN বাংলা Bengaly
TR Türkçe Torkia
RU Русский Rosiana
BS Bosanski Bosnia
SI සිංහල Sinhala
HI हिन्दी India
ZH 中文 sinoa
FA فارسی Persiana
VI Tiếng Việt Vietnamiana
TL Tagalog Tagaloga
KU Kurdî Kordia
HA Hausa Hosia
PT Português portogalîa
ML മലയാളം Malayalamia
TE తెలుగు Teljo
SW Kiswahili saohilia
TA தமிழ் Tamily
MY မြန်မာ Birmana
TH ไทย Tailandia
PS پښتو Pasito
AS অসমীয়া Asamia
SQ Shqip Albany
SV Svenska Soedianina
AM አማርኛ Amharika
NL Nederlands Holandia
GU ગુજરાતી Gojratia
PRS دری Aldoria
SR Српски serbianina
RO Română Romaniana
HU Magyar Hongariana
MOS Moore الموري
KN ಕನ್ನಡ Kanadianina
WO Wolof الولوف
UK Українська Okranianina
KA ქართული الجورجية
MK Македонски المقدونية
KM ភាសាខ្មែរ الخميرية
PA ਪੰਜਾਬੀ البنجابية
MR मराठी الماراثية