1. Pejy fandraisana
  2. Ireo sokajy
  3. Ny foto-pinoana

Hadith fantatrareo va inona no lazain'ny Tomponareo ? " Namaly Azy izy ireo ka nanao hoe : i Tompo Allah sy ny Irany ihany no mahalala, ka Niteny indray Izy ny hoe : " Misy amin'ireny Mpanompoko ireny tratra-maraina mino Ahy ary Mpikomy

عَنْ زَيْدِ بْنِ خَالِدٍ الجُهَنِيِّ رضي الله عنه أَنَّهُ قَالَ:
صَلَّى لَنَا رَسُولُ اللهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ صَلَاةَ الصُّبْحِ بِالْحُدَيْبِيَةِ عَلَى إِثْرِ سَمَاءٍ كَانَتْ مِنَ اللَّيْلَةِ، فَلَمَّا انْصَرَفَ أَقْبَلَ عَلَى النَّاسِ، فَقَالَ: «هَلْ تَدْرُونَ مَاذَا قَالَ رَبُّكُمْ؟» قَالُوا: اللهُ وَرَسُولُهُ أَعْلَمُ، قَالَ: «أَصْبَحَ مِنْ عِبَادِي مُؤْمِنٌ بِي وَكَافِرٌ، فَأَمَّا مَنْ قَالَ: مُطِرْنَا بِفَضْلِ اللهِ وَرَحْمَتِهِ، فَذَلِكَ مُؤْمِنٌ بِي وَكَافِرٌ بِالْكَوْكَبِ، وَأَمَّا مَنْ قَالَ: بِنَوْءِ كَذَا وَكَذَا، فَذَلِكَ كَافِرٌ بِي وَمُؤْمِنٌ بِالْكَوْكَبِ».

Tatitra azo avy tamin'i Zayd bin Khalid al-Johany (R.A), Niteny ka nanao hoe :
Nitarika Soalat Soubhy i Mpaminany (S.W.A) tao Hodaybiat taorian'ny filatsahan'ny Orana nandritry ny alina, rehefa tapitra izany dia nitodika tany amin'ny Olona Izy, ka dia Niteny hoe : " fantatrareo va inona no lazain'ny Tomponareo ? " Namaly Azy izy ireo ka nanao hoe : i Tompo Allah sy ny Irany ihany no mahalala, ka Niteny indray Izy ny hoe : " Misy amin'ireny Mpanompoko ireny tratra-maraina mino Ahy ary Mpikomy , Ka izay Niteny hoe : Nirotsaka amintsika ny Orana noho ny fahasoavan'i Tompo Allah sy ny indrafony, izany dia Mino Ahy ary tsy mikomy ny kintana, fa izay milaza hoe : Nohon'ny zavatra izany sy izany, ireny dia Mikomy Ahy ary mino ireny kintana ".

Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim Sahìh Al-Bokhari - 846

Ny fanazavana

Nitarika vavaka maraina i Mpaminany (S.A.W) ny (Soalat) teo amin'ny hodaybiat - izy io dia tanàna ambanivohitra akaikin'ny Makka- taorian'ny Orana izay latsaka tamin'ny alina, Rehefa namarana ny vavaka izay nataony Izy, dia nitodika nanatrika ny Olona, avy eo nanontany azy ireo ka nanao hoe : Fantatrareo ve inona no lazain'ny Tomponareo ilay Avo Tsitoha ? Namaly izy ireo ny hoe : i Allah sy ny Irany ihany no mahalala sy mahafantatra, Niteny Izy ka nanao hoe : Nanambara mazava tsara i Allah fa mizarazara ny olona eo am-pilatsahan'ny orana : Misy ny mino an'i Allah ary ny sasany kosa tsy mino ka mikomy an'i Allah. Ka izay miteny hoe : Nahazo orana izahay nohon'ny fahasoavan'i Allah sy ny famindrampony, ary napetrany ho an'i Allah irery ihany ny fahefana fandatsahana an'izany orana izany; Dia izany tokoa no tena mino an'i Allah ilay Mpahary ary mandrindra ny fizotran'izao tontolo izao, ary tsy mino ny tonon'andro. Fa izay Niteny ny hoe : Nanorana ny andro noho ny kintana izao sy izao; izany dia Mpikomy an'i Tompo Allah, ary mino ny tonon'andro, ka izany dia fikomina kely Satria nolazainy fa nohon'ireo kintana no nahalatsaka ny Orana; ary i Allah tsy nametraka izany ho antony lalàna sy lahatra. Fa izay mametraka ny filatsahan'ny orana noho ny tranga miseho eto an-tany sy ny fietsefan'ny planeta amin'ny fiakarany sy ny fihidinany ka mino izy fa izany no manodina azy, ireny dia Mpikomy ary nanao fikomiana lehibe.

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Ny mahatsara fitenenana hoe : "Motorinà bifadhou-lillahy wa rahamati-hy " nahazo Orana izahay nohon'ny fahasoavan'i Allah sy ny famindrampony, aorian'ny filatsan'ny Orana.
  2. Izay nametraka finoany amin'ny filatsahan'ny Orana sy ankoatr'izay amin'ny Planeta fahariana sy fampirisihana, izany dia Mikomy amin'ny fikomiana lehibe, ary raha izany no nametrahany antony Aminy fahalatsahany dia nikomy amin'ny fikomiana kely Satria izany dia antony tsy ara-pinoana ary tsy azo tsapahin-tànana.
  3. Ny fahasoavana dia anisany antony lehibe amin'ny fikomiana raha hikomy Ianao, ary mbola anisany antony lehibe ihany koa amin'ny finoana raha toa ka mahay misaotra sy mankasitraka Ianao.
  4. Fandrarana amin'ny fitenenana hoe : "latsaka aminay ny orana nohon'ny izao sy izao ", na dia fotoana aza no tiany holazaina; izany dia sakana hitarika amin'ny fanakambanana an'i Tompo Allah amin'ny hafa.
  5. Voadidy ny fampiankinana ny fo amin'i Tompo Allah amin'ny fitadiavana ny fahasoavana sy fanalana ny olana.

Fanehona ny dikanteny

69 Ny teny
EN English Anglisy
UR اردو Ordo
ES Español Espana
ID Indonesia Indoneziana
UG ئۇيغۇرچە Aigoria
BN বাংলা Bengaly
FR Français Frantsay
TR Türkçe Torkia
RU Русский Rosiana
BS Bosanski Bosnia
SI සිංහල Sinhala
HI हिन्दी India
ZH 中文 sinoa
FA فارسی Persiana
VI Tiếng Việt Vietnamiana
TL Tagalog Tagaloga
KU Kurdî Kordia
HA Hausa Hosia
PT Português portogalîa
ML മലയാളം Malayalamia
TE తెలుగు Teljo
SW Kiswahili saohilia
TA தமிழ் Tamily
MY မြန်မာ Birmana
TH ไทย Tailandia
DE Deutsch Alimanina
JA 日本語 Zapone
PS پښتو Pasito
AS অসমীয়া Asamia
SQ Shqip Albany
SV Svenska Soedianina
AM አማርኛ Amharika
NL Nederlands Holandia
GU ગુજરાતી Gojratia
KY Кыргызча Kargaria
NE नेपाली Nepalianina
YO Yorùbá Yorianina
LT Lietuvių Litoanianina
PRS دری Aldoria
SR Српски serbianina
SO Soomaali Somalianina
TG тоҷикӣ Tajakianina
RW Kinyarwanda Keniaroandia
RO Română Romaniana
HU Magyar Hongariana
CS Čeština Tsekianina
MOS Moore الموري
FF Fulfulde Folianina
IT Italiano Italianina
OM Oromoo Oromianina
KN ಕನ್ನಡ Kanadianina
WO Wolof الولوف
BG Български البلغارية
AZ Azərbaycan Azerianina
EL Ελληνικά اليونانية
UZ O‘zbek Ozbekianina
UK Українська Okranianina
KA ქართული الجورجية
LN Lingala اللينجالا
MK Македонски المقدونية
KM ភាសាខ្មែរ الخميرية
BM Bambara البامبارية
PA ਪੰਜਾਬੀ البنجابية
MR मराठी الماراثية
DA Dansk الدنماركية
RN Kirundi الكيروندي
YAO Yao الياو
KMR Kurmancî الكرمنجية
MS Bahasa Melayu الملايو