1. Pejy fandraisana
  2. Ireo sokajy
  3. Ny Fikh sy ny fitspiny

Hadith Marina tokoa fa i Tompo Allah dia nandidy ireo zavatra tsy maintsy atao, ka aza ataonareo tsirambina izany; ary namaritra lalàna Izy ka aza dikainareo izany lalàna izany; ary nandrara zavatra Izy ka aza ataonareo izany zavatra izany, ary nangina amin'ny zavatra maro Izy, noho ny indrafony Aminareo fa tsy noho ny fanadinoana akory, ka aza karohinareo intsony izany zavatra izany

عَنْ أَبِي ثَعْلَبَةَ الخُشَنِيِّ جُرْثُومِ بن نَاشِرٍ رَضِيَ اللَّهُ عَنْهُ عَنْ رَسُولِ اللَّهِ صَلَّى اللَّهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ قَال:
«إِنَّ اللَّهَ فَرَضَ فَرَائِضَ فَلَا تُضَيِّعُوهَا، وَحَدَّ حُدُودًا فَلَا تَعْتَدُوهَا، وَحَرَّمَ أَشْيَاءَ فَلَا تَنْتَهِكُوهَا، وَسَكَتَ عَنْ أَشْيَاءَ رَحْمَةً لَكُمْ غَيْرَ نِسْيَانٍ فَلَا تَبْحَثُوا عَنْهَا».

Tatitra azo avy tamin'i Abo Sa'labah Al-khoshanii, Jorsoom ibno Naashir (R.A), niteny ny Irakan'i Tompo Allah (S.W.A) manao hoe :
Marina tokoa fa i Tompo Allah dia nandidy ireo zavatra tsy maintsy atao, ka aza ataonareo tsirambina izany; ary namaritra lalàna Izy ka aza dikainareo izany lalàna izany; ary nandrara zavatra Izy ka aza ataonareo izany zavatra izany, ary nangina amin'ny zavatra maro Izy, noho ny indrafony Aminareo fa tsy noho ny fanadinoana akory, ka aza karohinareo intsony izany zavatra izany.

قال النووي: حديث حسن رواه الدارقطني في سننه وغيره الأربعون النووية - 30

Ny fanazavana

Nilaza ny Mpaminany (S.W.A) fa I m Tompo Allah dia nandidy zavatra sasany ka napetrany ho adidy sy andraikitra, koa araho izany ary aza ataonareo tsinontsinona amin'ny fandaozana azy ireo na amin'ny fanalana azy. Nametraka sakana sy faritra ho Anareo Izy izay hanakana Anareo sy hisakana Anareo tsy hanao izay tsy sitrany, koa aza mihoatra amin'izay nandidian’ny lalàna. Nandrara zavatra sasany Izy, koa aza manatona na manakaiky azy ireny Ianareo. Nandao azy ireo Izy ary nangina tamin’ny zavatra hafa rehetra noho ny famindram-pony tamin’ny mpanompony, noho izany dia mbola azo atao ihany izy ireo amin’ny endriny voalohany, koa aza mitady azy ireo intsony.

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Ny Hadith dia porofo fa i Tompo Allah no mpanao lalàna, ka eo an-tanany ny raharaha rehetra, ka voninahitra ho Azy irery.
  2. Ny Hadith dia ahitana ireo fitsipika ny finoana silamo, na ny fanapahana na ny fahazoana alàlana. Ny didy iray dia mangina na miresaka, ary na : baiko ho adidy na tolo-kevitra, na voarara ho fandrarana na tsy tiana, na azo atao.
  3. Fa izay tsy nodidian’i Tompo Allah Dia tsy voadidy, na noferany, dia lazaina fa azo atao.
  4. Nohazavain'ny Mpaminany tamin'ny alalan'io fizarazarana mazava tsara amin'io Hadith io.
  5. Voadidy ny fifikirana amin'ny didin’i Tompo Allah Ilay avo Tsitoha.
  6. Ny voarara amin’ny endrika fampitandremana fatratra ny mandika ny didy izay efa napetrany Tompo Allah ilay avo Tsitoha.

Fanehona ny dikanteny

58 Ny teny
EN English Anglisy
UR اردو Ordo
ES Español Espana
ID Indonesia Indoneziana
BN বাংলা Bengaly
FR Français Frantsay
TR Türkçe Torkia
RU Русский Rosiana
BS Bosanski Bosnia
SI සිංහල Sinhala
HI हिन्दी India
ZH 中文 sinoa
FA فارسی Persiana
VI Tiếng Việt Vietnamiana
TL Tagalog Tagaloga
KU Kurdî Kordia
HA Hausa Hosia
PT Português portogalîa
ML മലയാളം Malayalamia
TE తెలుగు Teljo
SW Kiswahili saohilia
TA தமிழ் Tamily
MY မြန်မာ Birmana
TH ไทย Tailandia
DE Deutsch Alimanina
PS پښتو Pasito
AS অসমীয়া Asamia
SQ Shqip Albany
AM አማርኛ Amharika
NL Nederlands Holandia
GU ગુજરાતી Gojratia
KY Кыргызча Kargaria
NE नेपाली Nepalianina
LT Lietuvių Litoanianina
PRS دری Aldoria
SR Српски serbianina
TG тоҷикӣ Tajakianina
RW Kinyarwanda Keniaroandia
RO Română Romaniana
HU Magyar Hongariana
CS Čeština Tsekianina
MOS Moore الموري
OM Oromoo Oromianina
KN ಕನ್ನಡ Kanadianina
WO Wolof الولوف
AZ Azərbaycan Azerianina
UZ O‘zbek Ozbekianina
UK Українська Okranianina
KA ქართული الجورجية
MK Македонски المقدونية
KM ភាសាខ្មែរ الخميرية
BM Bambara البامبارية
PA ਪੰਜਾਬੀ البنجابية
MR मराठी الماراثية
DA Dansk الدنماركية
RN Kirundi الكيروندي
KMR Kurmancî الكرمنجية
MS Bahasa Melayu الملايو