1. Pejy fandraisana
  2. Ireo sokajy
  3. Ny Fikh sy ny fitspiny

Hadith Loza ho any amin'ny afobe izay tsy nanasa ny voditongony ary ataovy tsara ny Ozò

عَنْ عَبْدِ اللهِ بْنِ عَمْرٍو رَضيَ اللهُ عنهما قَالَ:
رَجَعْنَا مَعَ رَسُولِ اللهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ مِنْ مَكَّةَ إِلَى الْمَدِينَةِ حَتَّى إِذَا كُنَّا بِمَاءٍ بِالطَّرِيقِ تَعَجَّلَ قَوْمٌ عِنْدَ الْعَصْرِ، فَتَوَضَّؤُوا وَهُمْ عِجَالٌ، فَانْتَهَيْنَا إِلَيْهِمْ وَأَعْقَابُهُمْ تَلُوحُ لَمْ يَمَسَّهَا الْمَاءُ فَقَالَ رَسُولُ اللهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ: «وَيْلٌ لِلْأَعْقَابِ مِنَ النَّارِ أَسْبِغُوا الْوُضُوءَ».

Tatitra azo avy tamin'i Abdollah bin A'mro (R.A) niteny manao hoe :
Niverina niaraka tamin'ny Irak'Allah (S.A.W) izahay avy any Makkat ho any Madina, rehefa teny an-dàlana izay nahita rano ka nisy andian'olona nihazakazaka hanao soalat Asri, ka nanao ozò izy ireo tao anatin'ny fahamekana, ka tazanay izy ireo fa tsy lenandrano ny voditongotr'izy ireo, dia niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Loza ho any amin'ny afobe izay tsy nanasa ny voditongony ary ataovy tsara ny Ozò".

Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim Sahìh Moslim - 241

Ny fanazavana

Nandeha avy tany Makkat ho any Madina ny Mpaminany (S.A.W) sy ireo mpanaradiany, ary teny an-dàlana dia nahita rano ny sasany izy ireo, ka nihazakazaka ireo mpanaradiany hanao ozò an'ny soalat Asr ka vokatry ny fahamaihana loatra dia nisy nahatazana fa tsy voasasa ny voditongotr'izy ireo, dia hoy ny Mpaminany (S.A.W) : Sazy sy fandringanana any amin'ny afo ho an'izay manao tsirambina ny fanasana ny lamosin'ny tongony rehefa manao Ouzò, ary nandidy azy ireo mba hameno sy hendena tsara rehefa manao ouzò.

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Tsy maintsy sasana ny tongotra roa rehefa manao ozò; Satria raha azo atao ny misafo dia tsy ho voarahona amin'ny afo izay tsy miraharaha manasa ny voditongony.
  2. Tsy maintsy atao ny manasa manonontolo ny faritra tsy maintsy sasana, ary izay namela ampahany kely amin'ny faritra tsy maintsy diovina amin'ny ozò, noho ny fanahiniana na tsy firaharahana dia tsy manan-kery ny soalat ataony.
  3. Ny maha zava-dehibe ny fampianarana ny olona tsy mahalala sy ny fanorona lalana azy.
  4. Ny manampahaizana dia tokony tsy mankasitraka izay hitany fa manao tsinontsinona ny adidy tsy maintsy atao sy ny sonnat amin'ny fomba mety.
  5. Niteny i Mohammad Ishaq Ad-Dahlawi manao hoe : Misy karazany telo ny fanasana : ny tsy maintsy atao, dia ny fanasana ny toerana indray mandeha, ny sonnat dia manasa in-telo, ary mendrika kokoa dia manao azy mihoatra ary atao in-telo.

Fanehona ny dikanteny

52 Ny teny
EN English Anglisy
UR اردو Ordo
ID Indonesia Indoneziana
BN বাংলা Bengaly
TR Türkçe Torkia
RU Русский Rosiana
BS Bosanski Bosnia
SI සිංහල Sinhala
HI हिन्दी India
ZH 中文 sinoa
FA فارسی Persiana
VI Tiếng Việt Vietnamiana
TL Tagalog Tagaloga
KU Kurdî Kordia
HA Hausa Hosia
PT Português portogalîa
ML മലയാളം Malayalamia
TE తెలుగు Teljo
SW Kiswahili saohilia
TA தமிழ் Tamily
MY မြန်မာ Birmana
TH ไทย Tailandia
DE Deutsch Alimanina
PS پښتو Pasito
AS অসমীয়া Asamia
SQ Shqip Albany
SV Svenska Soedianina
AM አማርኛ Amharika
NL Nederlands Holandia
GU ગુજરાતી Gojratia
KY Кыргызча Kargaria
NE नेपाली Nepalianina
YO Yorùbá Yorianina
LT Lietuvių Litoanianina
PRS دری Aldoria
SR Српски serbianina
TG тоҷикӣ Tajakianina
RW Kinyarwanda Keniaroandia
RO Română Romaniana
HU Magyar Hongariana
CS Čeština Tsekianina
MOS Moore الموري
OM Oromoo Oromianina
KN ಕನ್ನಡ Kanadianina
WO Wolof الولوف
AZ Azərbaycan Azerianina
UK Українська Okranianina
KA ქართული الجورجية
MK Македонски المقدونية
KM ភាសាខ្មែរ الخميرية
PA ਪੰਜਾਬੀ البنجابية
MR मराठी الماراثية