1. Pejy fandraisana
  2. Ireo sokajy
  3. Ny foto-pinoana

Hadith Izay zavatra rehetra nandrarako Anareo dia ihatahonareo, ary izay zavatra rehetra nanirahako Anareo dia ataovinareo izay mety vitanareo

عَنْ أَبِي هُرَيْرَةَ عَبْدِ الرَّحْمَنِ بْنِ صَخْرٍ رَضِيَ اللَّهُ عَنْهُ قَالَ: سَمِعْت رَسُولَ اللَّهِ صَلَّى اللَّهُ عَلَيْهِ وَسَلَّم يَقُولُ:
«مَا نَهَيْتُكُمْ عَنْهُ فَاجْتَنِبُوهُ، وَمَا أَمَرْتُكُمْ بِهِ فَافْعَلُوا مِنْهُ مَا اسْتَطَعْتُمْ، فَإِنَّمَا أَهْلَكَ الَّذِينَ مِنْ قَبْلِكُمْ كَثْرَةُ مَسَائِلِهِمْ، وَاخْتِلَافُهُمْ عَلَى أَنْبِيَائِهِمْ».

Tatitra azo avy tamin'i Abo Horaira, Abd rahmani ibn Soakhry (R.A) niteny ka nanao hoe : Izaho naheno an'ny Mpaminany (S.A.W) niteny hoe :
Izay zavatra rehetra nandrarako Anareo dia ihatahonareo, ary izay zavatra rehetra nanirahako Anareo dia ataovinareo izay mety vitanareo amin'izany; Satria ny naharingana ireo Olona talohanareo dia ny hamaroan'ny fanontaniana sy ny fifandiran'izy ireo tamin'ireo mpaminanin'izy ireo.

Mari-pototra رواه البخاري ومسلم الأربعون النووية - 9

Ny fanazavana

Nohazavain’ny irakan’i Tompo Allah amintsika fa raha mandrara atsika amin’ny zavatra iray izy dia tsy maintsy miala amin’izany Isika tsirairay tsy an-kanavaka, ary raha mandidy atsika hanao zavatra kosa Izy dia tsy maintsy manao araka izay vitantsika Isika. Avy eo dia nampitandrina atsika Izy mba tsy ho tahaka ny vahoaka sasany teo aloha izay nametraka fanontaniana maro samy hafa tamin’ny mpaminan'izy ireo nefa tsy nankatò azy ireo akory izy ireo, ka nofaizin’i Tompo Allah tamin’ny karazana fandringanana . Ka tsy tokony hitovy amin’izy ireo Isika mba tsy ho ringana tahaka ny naharingana azy ireo.

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Ny Hadith dia fitsipika manazava ny maha-voadidy izay rehetra nodidina tamintsika sy ny fialana amin'izay rehetra efa voarara.
  2. Ny fandrarana dia tsy mamela ny fanaovana na inona na inona, ary ny baiko dia voafetra ho amin'ny fahavitana azy, Satria azo atao ny tsy fijanonana ary ny asa rehetra dia mitaky fahaizana manatanteraka ny asa izay nandidiana.
  3. Fandrarana ny amin'ny fametrahana ny fanontaniana be loatra, efa nozarain'ireo manam-pahaizana ho roa ny fanontaniana : Ny iray amin'izy ireo: Izay fanontaniana rehetra napetraka noho ny fianarana ny zavatra ilaina momba ny finoana, takina ny hanaovana izany, ary tahaka izany ny fanontaniana nataon'ireo Mpanaradia (sahaba). Ary ny faharoa : Izay miendrika di-doha sy hanihany, ary izany ilay voarara.
  4. Fampitandremana an’ity vahoaka ity amin’ny tsy fankatoavana ny Mpaminaniny, toy ny nitranga tamin’ireo vahoaka teo alohany.
  5. Ny zavatra voarara dia ahitana ny kely sy ny betsaka, Satria ny fialana amin'ny kely sy ny betsaka ihany no azo ialana. Ohatra: Noraràny tsy hanao zana_bola isika, izay ahitana ny kely sy ny betsaka.
  6. Ny fandaozana ireo antony no mitondra any amin’ny fady, Satria tafiditra anisan’ny dikan’ny fanalavirana izany.
  7. Rehefa mandre baiko avy amin'ny Irakan'i Tompo Allah ny Olona iray dia tsy tokony hanontany hoe : Tsy maintsy atao ve izany sa tsaratsara atao ? Fa kosa tokony hataony haingana izany, satria hoy Izy : “ Ataovy izay vitanareo atao.”
  8. Ny fametraham-panontaniana be loatra dia lasa miteraka fahapotehana, indrindra amin’ny raharaha tsy azo tratrarina, toy ny raharaha tsy hita maso sy ny toetry ny andro fitsarana. Aza mametra-panontaniana be loatra momba azy ireo, fandrao ho faty Ianao ka ho mpandinika.

Fanehona ny dikanteny

57 Ny teny
EN English Anglisy
UR اردو Ordo
ES Español Espana
ID Indonesia Indoneziana
BN বাংলা Bengaly
FR Français Frantsay
TR Türkçe Torkia
RU Русский Rosiana
BS Bosanski Bosnia
SI සිංහල Sinhala
HI हिन्दी India
ZH 中文 sinoa
FA فارسی Persiana
VI Tiếng Việt Vietnamiana
TL Tagalog Tagaloga
KU Kurdî Kordia
HA Hausa Hosia
PT Português portogalîa
ML മലയാളം Malayalamia
TE తెలుగు Teljo
SW Kiswahili saohilia
TA தமிழ் Tamily
TH ไทย Tailandia
DE Deutsch Alimanina
PS پښتو Pasito
AS অসমীয়া Asamia
SQ Shqip Albany
AM አማርኛ Amharika
NL Nederlands Holandia
GU ગુજરાતી Gojratia
KY Кыргызча Kargaria
NE नेपाली Nepalianina
LT Lietuvių Litoanianina
PRS دری Aldoria
SR Српски serbianina
TG тоҷикӣ Tajakianina
RW Kinyarwanda Keniaroandia
RO Română Romaniana
HU Magyar Hongariana
CS Čeština Tsekianina
MOS Moore الموري
OM Oromoo Oromianina
KN ಕನ್ನಡ Kanadianina
WO Wolof الولوف
AZ Azərbaycan Azerianina
UZ O‘zbek Ozbekianina
UK Українська Okranianina
KA ქართული الجورجية
MK Македонски المقدونية
KM ភាសាខ្មែរ الخميرية
BM Bambara البامبارية
PA ਪੰਜਾਬੀ البنجابية
MR मराठी الماراثية
DA Dansk الدنماركية
RN Kirundi الكيروندي
KMR Kurmancî الكرمنجية
MS Bahasa Melayu الملايو