1. Pejy fandraisana
  2. Ireo sokajy
  3. Ny foto-pinoana

Hadith Ny andro tsara indrindra niposahan'ny masoandro dia ny andro zoma

عَنْ أَبِي هُرَيْرَةَ رضي الله عنه أَنَّ النَّبِيَّ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ قَالَ:
«خَيْرُ يَوْمٍ طَلَعَتْ عَلَيْهِ الشَّمْسُ يَوْمُ الْجُمُعَةِ، فِيهِ خُلِقَ آدَمُ، وَفِيهِ أُدْخِلَ الْجَنَّةَ، وَفِيهِ أُخْرِجَ مِنْهَا، وَلَا تَقُومُ السَّاعَةُ إِلَّا فِي يَوْمِ الْجُمُعَةِ».

Tatitra avy tamin'i Abou Horaira (R.A), Niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe :
"Ny andro tsara indrindra niposahan'ny masoandro dia ny andro zoma, izay nanamboarana an'i Adama, ary nampidirana azy tao amin'ny Paradisa, ary namoahana azy tao, ary tsy ho tonga ny andro farany raha tsy amin'ny andro zoma".

Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim Sahìh Moslim - 854

Ny fanazavana

Manambara ny Mpaminany (S.A.W) fa ny andro tsara indrindra niposahan'ny masoandro dia ny andro zoma, ary ny mampiavaka azy : Dia tamin'io no nanamboaran'I Allah an'i Adama (A.S), sy nampidirana azy tao amin'ny Paradisa, ary namoahana azy tao sy nampidinana azy tety an-tany, ary tsy ho tonga ny andro farany raha tsy amin'ny andro zoma.

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Ny hatsaran'ny andro zoma manoloana ny andro rehetra sisa ao anatin'ny herinandro.
  2. Famporisihana amin'ny fanaovana im-betsaka ny asa soa amin'ny andro zoma, ary fiezahana hahazo famindram-pon'I Allah, ary fialana amin'ny saziny.
  3. Ireo mampiavaka ny andro zoma izay voalaza ao amin'ny Hadith ireo dia voalaza ihany koa fa : Izy io tsy tafiditra ho isan'ny hatsaran'ny andro zoma; satria ny famoahana an'i Adama sy fahatongavan'ny andro farany dia tsy azo lazaina ho fahatsarana. Voalaza ihany koa fa: Izy rehetra dia hatsarana satria namoahana an'i Adama tao amin'ny Paradisa no antom-pisian'ny taranany amin'ireo mpaminany sy Iraka ary ireo olona tsara, ary ny fahatongavan'ny andro farany dia antony fanafainganana valisoan'ireo mpanao asa soa sy fahazoan'izy ireo izay nomanin'i Allah ho azy ireo amin'ireo fanomezana maro.
  4. Misy hafa mampiavaka ny andro zoma izay tsy voalaza tato amin'ity fitantarana ity, isan'izany : Tamin'io no nandraisana ny fibebahan'i Adama, ary tamin'io nahafaty azy, ary ao amin'ny andro zoma misy ora iray raha mifandraika aminy vavaka sy hataka ataon'ny mpino dia voavaly avy hatrany.
  5. Ny andro tsara indrindra ao anatin'ny iray taona dia andro Arafa, voalaza koa : Andro fanapahana, ary ny andro tsara indrindra mandritry ny herinandro dia ny andro zoma, ary ny alina tsara indrindra dia Lailatol-Qadri.

Fanehona ny dikanteny

56 Ny teny
EN English Anglisy
UR اردو Ordo
ES Español Espana
ID Indonesia Indoneziana
BN বাংলা Bengaly
TR Türkçe Torkia
RU Русский Rosiana
BS Bosanski Bosnia
SI සිංහල Sinhala
HI हिन्दी India
ZH 中文 sinoa
FA فارسی Persiana
VI Tiếng Việt Vietnamiana
TL Tagalog Tagaloga
KU Kurdî Kordia
HA Hausa Hosia
PT Português portogalîa
ML മലയാളം Malayalamia
TE తెలుగు Teljo
SW Kiswahili saohilia
TA தமிழ் Tamily
MY မြန်မာ Birmana
TH ไทย Tailandia
DE Deutsch Alimanina
PS پښتو Pasito
AS অসমীয়া Asamia
SQ Shqip Albany
SV Svenska Soedianina
AM አማርኛ Amharika
NL Nederlands Holandia
GU ગુજરાતી Gojratia
KY Кыргызча Kargaria
NE नेपाली Nepalianina
YO Yorùbá Yorianina
LT Lietuvių Litoanianina
PRS دری Aldoria
SR Српски serbianina
SO Soomaali Somalianina
TG тоҷикӣ Tajakianina
RW Kinyarwanda Keniaroandia
RO Română Romaniana
HU Magyar Hongariana
CS Čeština Tsekianina
MOS Moore الموري
OM Oromoo Oromianina
KN ಕನ್ನಡ Kanadianina
WO Wolof الولوف
AZ Azərbaycan Azerianina
UZ O‘zbek Ozbekianina
UK Українська Okranianina
KA ქართული الجورجية
MK Македонски المقدونية
KM ភាសាខ្មែរ الخميرية
PA ਪੰਜਾਬੀ البنجابية
MR मराठी الماراثية
KMR Kurmancî الكرمنجية