1. Pejy fandraisana
  2. Ireo sokajy
  3. Ny hatsarana sy ny fahalalam-pomba

Hadith “Tsy azon'ny lehilahy atao ny mijery henatry ny lehilahy hafa, ary ny vehivavy tsy mijery ny henatry ny vehivavy

عَن أَبِي سَعِيدٍ الْخُدْرِيِّ رضي الله عنه أَنَّ رَسُولَ اللهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ قَالَ:
«لَا يَنْظُرُ الرَّجُلُ إِلَى عَوْرَةِ الرَّجُلِ، وَلَا الْمَرْأَةُ إِلَى عَوْرَةِ الْمَرْأَةِ، وَلَا يُفْضِي الرَّجُلُ إِلَى الرَّجُلِ فِي ثَوْبٍ وَاحِدٍ، وَلَا تُفْضِي الْمَرْأَةُ إِلَى الْمَرْأَةِ فِي الثَّوْبِ الْوَاحِدِ».

Tatitra azo avy tamin'i Abo Saì'd Al-Khodri (R.A), niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe :
“Tsy azon'ny lehilahy atao ny mijery henatry ny lehilahy hafa, ary ny vehivavy tsy mijery ny henatry ny vehivavy hafa, ary ny lehilahy tsy tokony hiray lamba amin’ny lehilahy hafa, ary ny vehivavy tsy mahazo miray lamba amin'ny vehivavy hafa".

Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim Sahìh Moslim - 338

Ny fanazavana

Noraran'ny Mpaminany (S.A.W) tsy hijery ny taovam-pananahan'ny hafa ny lehilahy iray, na ny vehivavy tsy hijery ny taovan'ny vehivavy.
Ny henatra : dia izay rehetra mahamenatra ny olona rehefa miseho, ary ny henatra ho an'ny lehilahy dia izay eo anelanelan'ny foitrany sy ny lohaliny. Ny vehivavy dia henatra avokoa ny vatany rehetra ho an'ny olona tsy fady azy ny manambandy azy, ary ny vehivavy manoloana ireo olona fady azy dia afaka mampiseho faritra izay mahazatra ny mahita azy rehefa izy miasa ao an-trano.
Ny Mpaminany (S.A.W) dia nandrara ny lehilahy hikambana lamba amin'ny lehilahy hafa na hiara-mirakotra amin'ny lamba iray miboridana, ary ny vehivavy tsy hiray lamba amin'ny vehivavy hafa na hiara-mirakotra amin'ny lamba iray miboridana, Satria izany dia hitarika ho amin’ny fikasihan’ny tsirairay ny taovam-pananahan'ny namany, ka ny fikasihana izany dia voarara, toy ny mijery azy, ary voamaika voarara kokoa; satria mety hiteraka haratsiana lehibe kokoa izany.

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Fandrarana ny fijerena ny taovam-panana afa-tsy ny lehilahy sy ny vadiny.
  2. Ny finoana Islam dia miezaka mafy amin'ny fanadiovana ny fiarahamonina, ary manidy ny làlana mankany amin'ny fahalotoam-pitondrantena.
  3. Azo atao ny mijery ny taovam-pananahana raha toa ka ilaina izany, toy ny fitsabona sy ny mitovy endrika amin'izany, raha tsy miaraka amin'ny filàna.
  4. Nodidiana ny mpino silamo mba hanarona ny henatra ary hampidina ny fijeriny amin'ny henatry ny hafa.
  5. Norarana manokana ny lehilahy samy lehilahy sy ny vehivavy samy vehivavy; Satria izy ireo no afaka hifampijery sy hamoaka ny henatra.

Fanehona ny dikanteny

57 Ny teny
EN English Anglisy
UR اردو Ordo
ES Español Espana
ID Indonesia Indoneziana
UG ئۇيغۇرچە Aigoria
BN বাংলা Bengaly
TR Türkçe Torkia
RU Русский Rosiana
BS Bosanski Bosnia
SI සිංහල Sinhala
HI हिन्दी India
ZH 中文 sinoa
FA فارسی Persiana
VI Tiếng Việt Vietnamiana
TL Tagalog Tagaloga
KU Kurdî Kordia
HA Hausa Hosia
PT Português portogalîa
ML മലയാളം Malayalamia
TE తెలుగు Teljo
SW Kiswahili saohilia
MY မြန်မာ Birmana
TH ไทย Tailandia
DE Deutsch Alimanina
PS پښتو Pasito
AS অসমীয়া Asamia
SQ Shqip Albany
SV Svenska Soedianina
AM አማርኛ Amharika
NL Nederlands Holandia
GU ગુજરાતી Gojratia
KY Кыргызча Kargaria
NE नेपाली Nepalianina
YO Yorùbá Yorianina
LT Lietuvių Litoanianina
PRS دری Aldoria
SR Српски serbianina
SO Soomaali Somalianina
TG тоҷикӣ Tajakianina
RW Kinyarwanda Keniaroandia
RO Română Romaniana
HU Magyar Hongariana
CS Čeština Tsekianina
MOS Moore الموري
IT Italiano Italianina
OM Oromoo Oromianina
KN ಕನ್ನಡ Kanadianina
WO Wolof الولوف
AZ Azərbaycan Azerianina
UZ O‘zbek Ozbekianina
UK Українська Okranianina
KA ქართული الجورجية
MK Македонски المقدونية
KM ភាសាខ្មែរ الخميرية
PA ਪੰਜਾਬੀ البنجابية
MR मराठी الماراثية
KMR Kurmancî الكرمنجية