عن أبي بكرة رضي الله عنه قال: قال النبي صلى الله عليه وسلم:
«‌أَلَا ‌أُنَبِّئُكُمْ بِأَكْبَرِ الْكَبَائِرِ؟» ثَلَاثًا، قَالُوا: بَلَى يَا رَسُولَ اللهِ، قَالَ: «الْإِشْرَاكُ بِاللهِ، وَعُقُوقُ الْوَالِدَيْنِ» وَجَلَسَ وَكَانَ مُتَّكِئًا، فَقَالَ: «أَلَا وَقَوْلُ الزُّورِ»، قَالَ: فَمَا زَالَ يُكَرِّرُهَا حَتَّى قُلْنَا: لَيْتَهُ سَكَتَ.

Tatitra azo avy tamin'i Abo Bakrata (R.A) niteny : Niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe :
“Ho lazaiko anareo ve ny fahotana lehibe indrindra?”naveriny in-telo". Hoy izy ireo namaly: “Eny, ry irak’i Allah.” Dia hoy izy : “Ny fampirafesana an'I Allah, ny tsy fanajana Ray aman-dreniny.” Nipetraka izy no sady niakina ka niteny hoe : “Tandremo ny fijorona vavolombelona amin'ny lainga.” Tsy nitsahatra namerimberina izany izy, ka nahatonga izahay niteny hoe : Enga anie izy mba hangina.

Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim Sahìh Al-Bokhari - 2654

Ny fanazavana

Nolazain'ny Mpaminany (S.A.W) tamin'ireo mpiara-diany ny fahotana lehibe indrindra, ka nilaza ireto telo ireto izy :
1. Fampiombonana an'I Allah amin'ny hafa: izany dia ny fandefasana n'inona n'inona amin'ireo fanompoana ho an'ny zavatra hafa ankoatra an’I Allah, sy ny fampitoviana an’I Allah amin’ny hafa eo amin’ny maha-Tompo Mpahary Azy, amin'ny maha-Tompo tompoina Azy, amin'ny ireo Anarany sy ny Toetoetrany.
2. Ny tsy fanajana Ray aman-dreny : izany dia izay rehetra ratsy atao amin’ny Ray aman-dreny, na amin’ny teny na amin’ny fihetsika, ary ny tsy fanaovana soa aminy.
3. Fitenenana lainga, anisan’izany ny fijoroana ho vavolombelona tsy marina : Izany dia ny teny sandoka sy lainga rehetra natao hanambaniana an’izay iharan’izany amin’ny fakana ny volany, ny fanitsakitsahana ny voninahiny, sy ny rehetra mitovy amin'izany.
Namerimberina ny fampitandremana amin'ny fitenenan-dratsy ny Mpaminany (S.A.W) mba ho fanairana ny amin'ny faharatsiana sy ny voka-dratsy aterany eo amin'ny fiaraha-monina, ka nahatonga an'ireo mpanara-diany niteny hoe : Enga anie izy mba hangina, ho fangorahana azy sy fankahalana izay manelingelina azy.

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Ny fahotana lehibe indrindra dia ny fampiombonana an'I Allah amin'ny hafa; Satria nataony hisahana ny laharana voalohany izany fahotana izany no sady lehibe indrindra, ary manamafy izany ny tenin’I Allah Ilay Tsitoha manao hoe : “Hamafisina, fa Allah dia tsy mamela heloka izay mampitambatra Azy amin'ny hafa, ary mamela heloka kosa Izy ankoatra izany raha sitrany.}”
  2. Ny halehiben’ny zon’ny Ray aman-dreny, satria dia nampitahaina amin’ny zon’i Allah ny zony.
  3. Mizara ho roa ny fahotana, dia ny fahotana lehibe sy kely. Ny fahotana lehibe dia : Ny ota rehetra izay misy sazy eto an-tany, toy ny famaizana sy ny ozona, na famaizana any ankoatra, toy ny fandrahonana hiditra ao amin’ny Afobe. Ary ny fahotana lehibe dia ambaratonga, ny sasany dia mafy kokoa noho ny sasany eo amin'ny fandrarana azy, ary ny fahotana madinika kosa dia ny rehetra ankoatr'ireo fahotana lehibe.

Fanehona ny dikanteny

63 Ny teny
EN English Anglisy
UR اردو Ordo
ES Español Espana
ID Indonesia Indoneziana
UG ئۇيغۇرچە Aigoria
BN বাংলা Bengaly
FR Français Frantsay
TR Türkçe Torkia
RU Русский Rosiana
BS Bosanski Bosnia
SI සිංහල Sinhala
HI हिन्दी India
ZH 中文 sinoa
FA فارسی Persiana
VI Tiếng Việt Vietnamiana
TL Tagalog Tagaloga
KU Kurdî Kordia
HA Hausa Hosia
PT Português portogalîa
ML മലയാളം Malayalamia
TE తెలుగు Teljo
SW Kiswahili saohilia
TA தமிழ் Tamily
MY မြန်မာ Birmana
TH ไทย Tailandia
DE Deutsch Alimanina
JA 日本語 Zapone
PS پښتو Pasito
AS অসমীয়া Asamia
SQ Shqip Albany
SV Svenska Soedianina
AM አማርኛ Amharika
NL Nederlands Holandia
GU ગુજરાતી Gojratia
KY Кыргызча Kargaria
NE नेपाली Nepalianina
YO Yorùbá Yorianina
LT Lietuvių Litoanianina
PRS دری Aldoria
SR Српски serbianina
SO Soomaali Somalianina
TG тоҷикӣ Tajakianina
RW Kinyarwanda Keniaroandia
RO Română Romaniana
HU Magyar Hongariana
CS Čeština Tsekianina
MOS Moore الموري
IT Italiano Italianina
OM Oromoo Oromianina
KN ಕನ್ನಡ Kanadianina
WO Wolof الولوف
BG Български البلغارية
AZ Azərbaycan Azerianina
UZ O‘zbek Ozbekianina
UK Українська Okranianina
KA ქართული الجورجية
MK Македонски المقدونية
KM ភាសាខ្មែរ الخميرية
BM Bambara البامبارية
PA ਪੰਜਾਬੀ البنجابية
MR मराठी الماراثية
YAO Yao الياو
KMR Kurmancî الكرمنجية