1. Pejy fandraisana
  2. Ireo sokajy
  3. Ny hatsarana sy ny fahalalam-pomba

Hadith Mahagaga tokoa ny fiainan'ny mpino, satria ny fiainany rehetra dia tsara avokoa, ary tsy hita amin'ny olon-kafa izany afa-tsy amin'ny mpino ihany

عَنْ صُهَيْبٍ رضي الله عنه قَالَ: قَالَ رَسُولُ اللهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ:
«عَجَبًا لِأَمْرِ الْمُؤْمِنِ، إِنَّ أَمْرَهُ كُلَّهُ خَيْرٌ، وَلَيْسَ ذَاكَ لِأَحَدٍ إِلَّا لِلْمُؤْمِنِ، إِنْ أَصَابَتْهُ سَرَّاءُ شَكَرَ، فَكَانَ خَيْرًا لَهُ، وَإِنْ أَصَابَتْهُ ضَرَّاءُ صَبَرَ، فَكَانَ خَيْرًا لَهُ».

Tatitra azo avy amin'i Sohaib (R.A), Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe :
"Mahagaga tokoa ny fiainan'ny mpino, satria ny fiainany rehetra dia tsara avokoa, ary tsy hita amin'ny olon-kafa izany afa-tsy amin'ny mpino ihany, raha ny zava-tsoa nahazo azy dia mankasitraka ka tsara ho azy izany, ary raha tra-pahorina dia miharitra ka tsara ho azy ihany koa".

Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim Sahìh Moslim - 2999

Ny fanazavana

Mahagaga an'ny Mpaminany (S.A.W) ny raharahan'ny mpino sy ny toe-piainany amin'ny fomba mendrika. Izany dia satria tsara avokoa ny toe-piainany rehetra, ary tsy hita izany afa-tsy amin'ny mpino irery ihany; Raha nahazo zava-tsoa dia nankasitraka an'Allah, dia hahazo valisoa tamin'ilay fanakasitrahana izy, ary raha tra-pahorina dia niharitra sy nanantena valisoa avy amin'Allah izy, dia hahazo valisoa tamin'ilay fiharetana, ka izy dia hahazo valisoa amin'ny toe-piainany rehetra.

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Valisoan'ny fankasitrahana amin'ny zava-tsoa sy fiharetana tamin'ny fahavoazana, ka izay manao izany dia hahazo hatsarana amin'ny tontolo anakiroa, ary izay tsy mankasitraka tamin'ny fahasoavana, sy tsy miharitra tamin'ny fahorina, dia very valisoa ary hahazo fahotana.
  2. Ny valisoan'ny finoana, ary ny valisoa amin'ny toe-javatra rehetra dia natao ho an'ny olon'ny finoana ihany.
  3. Ny fankasitrahana amin'ny zava-tsoa sy ny fiharetana amin'ny fahavoazana dia isan'ireo toetra mampiavaka ny mpino.
  4. Ny finoana ny lahatr'i Allah sy ny anjarany dia mahatonga ny mpino ho faly tanteraka amin'ny toe-piainany rehetra, tsy toy ny tsy mpino izay tsy afa-po sy tezitra rehefa misy fahorina mahazo azy, ary raha mahazo fahasoavana amin'I Allah dia ampiasainy amin'ny fankatoavana Allah ilay Tsitoha, mba tsy handaniam-potoana amin'ny tsy fankatoavana azy.

Fanehona ny dikanteny

57 Ny teny
EN English Anglisy
UR اردو Ordo
ES Español Espana
ID Indonesia Indoneziana
UG ئۇيغۇرچە Aigoria
BN বাংলা Bengaly
TR Türkçe Torkia
RU Русский Rosiana
BS Bosanski Bosnia
SI සිංහල Sinhala
HI हिन्दी India
ZH 中文 sinoa
FA فارسی Persiana
VI Tiếng Việt Vietnamiana
TL Tagalog Tagaloga
KU Kurdî Kordia
HA Hausa Hosia
PT Português portogalîa
ML മലയാളം Malayalamia
TE తెలుగు Teljo
SW Kiswahili saohilia
TA தமிழ் Tamily
MY မြန်မာ Birmana
TH ไทย Tailandia
DE Deutsch Alimanina
PS پښتو Pasito
AS অসমীয়া Asamia
SQ Shqip Albany
SV Svenska Soedianina
AM አማርኛ Amharika
NL Nederlands Holandia
GU ગુજરાતી Gojratia
KY Кыргызча Kargaria
NE नेपाली Nepalianina
YO Yorùbá Yorianina
LT Lietuvių Litoanianina
PRS دری Aldoria
SR Српски serbianina
SO Soomaali Somalianina
TG тоҷикӣ Tajakianina
RW Kinyarwanda Keniaroandia
RO Română Romaniana
HU Magyar Hongariana
CS Čeština Tsekianina
MOS Moore الموري
OM Oromoo Oromianina
KN ಕನ್ನಡ Kanadianina
WO Wolof الولوف
AZ Azərbaycan Azerianina
UZ O‘zbek Ozbekianina
UK Українська Okranianina
KA ქართული الجورجية
MK Македонски المقدونية
KM ភាសាខ្មែរ الخميرية
PA ਪੰਜਾਬੀ البنجابية
MR मराठी الماراثية
KMR Kurmancî الكرمنجية