1. Pejy fandraisana
  2. Ireo sokajy
  3. Ny Fikh sy ny fitspiny

Hadith “Tsy misy andro izay hifohazan’ny mpanompo amin’ny maraina, afa-tsy hoe misy anjely roa midina ety an-tany, ka ny anankiray amin’izy ireo miteny hoe : Allah ô, omeo fahasambarana izay manome, ary ny anankiray kosa miteny hoe : Allah ô, omeo fahorina izay mahihitra

عَنْ أَبِي هُرَيْرَةَ رَضِيَ اللَّهُ عَنْهُ أَنَّ النَّبِيَّ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ قَالَ:
«مَا مِنْ يَوْمٍ يُصْبِحُ العِبَادُ فِيهِ إِلَّا مَلَكَانِ يَنْزِلاَنِ، فَيَقُولُ أَحَدُهُمَا: اللَّهُمَّ أَعْطِ مُنْفِقًا خَلَفًا، وَيَقُولُ الآخَرُ: اللَّهُمَّ أَعْطِ مُمْسِكًا تَلَفًا».

Tatitra avy tamin'i Abo Horaira (R.A), Niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe :
“Tsy misy andro izay hifohazan’ny mpanompo amin’ny maraina, afa-tsy hoe misy anjely roa midina ety an-tany, ka ny anankiray amin’izy ireo miteny hoe : Allah ô, omeo fahasambarana izay manome, ary ny anankiray kosa miteny hoe : Allah ô, omeo fahorina izay mahihitra".

Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim Sahìh Al-Bokhari - 1442

Ny fanazavana

Nanambara ny Mpaminany (S.A.W), fa isan'andro, isaky ny miposaka ny masoandro dia misy anjely roa midina ety an-tany ary miantso, ny iray amin'izy ireo miteny hoe :
Allah ô, omeo fahasambarana izay mandany vola amin’ny fankatoavana, amin’ny ankohonany, amin’ny vahiny, ary amin’ny fanomezana an-tsitrapo, ary omeo soa amin’izay laniny izy, ary tahio izy.
Hoy kosa ny iray : Allah ô, Omeo fahorina izay mahihitra ary aringano ny hareny izay nohazoniny tamin’izay mendrika azy.

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Azo atao ny mivavaka ho an'ny malala-tànana mba hahazo tambiny bebe kokoa ary mamela zavatra tsara kokoa noho izay laniny, ary azo atao koa ny mivavaka ho an'ny olona mahihitra mba handrava ny volany satria mahihitra izy ka nanakana azy tsy tamin'ny fanomezana izay nandidian’I Allah azy.
  2. Vavaky ny anjely ho an’ireo mpino marina mpanao asa soa ka mandany amin’ny hatsaram-panahy sy fitahiana, ary vavak'ireo anjely dia ho voavaly.
  3. Famporisihana ny fandaniana amin'ny adidy sy an-tsitrapo; toy ny fandaniana amin’ny fianakaviana, ny fitazonana ny rohim-pihavanana, ary ny varavaran’ny hatsarana.
  4. Fanazavana ny hasin’ny fandaniana amin’ny asa soa, ary ny fiafaran’izany dia ny famalian’I Allah azy, dia hoy Allah ilay Tsitoha manao hoe : “Ary na inona na inona laninareo dia honerany, ary Izy no Mpanome anjaram_pivelomana tsara indrindra” [Saba: 39].
  5. Ity vavaka hatao amin'ny olona mahihitra ity, dia amin'ny fandaniana tsy maintsy atao ihany, fa ny fandaniana an-tsitrapo kosa dia tsy tafiditra ao; Satria tsy mendrika izany vavaka izany ny tompony.
  6. Fandrarana ny fahirana sy tsy famoahana.

Fanehona ny dikanteny

51 Ny teny
EN English Anglisy
UR اردو Ordo
ES Español Espana
ID Indonesia Indoneziana
UG ئۇيغۇرچە Aigoria
BN বাংলা Bengaly
TR Türkçe Torkia
RU Русский Rosiana
BS Bosanski Bosnia
SI සිංහල Sinhala
HI हिन्दी India
ZH 中文 sinoa
FA فارسی Persiana
VI Tiếng Việt Vietnamiana
TL Tagalog Tagaloga
KU Kurdî Kordia
HA Hausa Hosia
PT Português portogalîa
ML മലയാളം Malayalamia
TE తెలుగు Teljo
SW Kiswahili saohilia
TA தமிழ் Tamily
MY မြန်မာ Birmana
TH ไทย Tailandia
DE Deutsch Alimanina
PS پښتو Pasito
AS অসমীয়া Asamia
SQ Shqip Albany
SV Svenska Soedianina
AM አማርኛ Amharika
NL Nederlands Holandia
GU ગુજરાતી Gojratia
NE नेपाली Nepalianina
YO Yorùbá Yorianina
LT Lietuvių Litoanianina
PRS دری Aldoria
SR Српски serbianina
TG тоҷикӣ Tajakianina
RW Kinyarwanda Keniaroandia
RO Română Romaniana
HU Magyar Hongariana
MOS Moore الموري
OM Oromoo Oromianina
KN ಕನ್ನಡ Kanadianina
WO Wolof الولوف
UK Українська Okranianina
KA ქართული الجورجية
MK Македонски المقدونية
KM ភាសាខ្មែរ الخميرية
PA ਪੰਜਾਬੀ البنجابية
MR मराठी الماراثية