1. Pejy fandraisana
  2. Ireo sokajy
  3. Ny hatsarana sy ny fahalalam-pomba

Hadith “Nihaona tamin’i Ibrahim aho tamin’ny alina nitondrana ahy tany an-danitra, dia hoy izy hoe : “Ry Mohammad, ampitao amin'ny vahoakanao ny fiarahabako azy ireo, ary lazao amin’izy ireo fa ny Paradisa dia tany lonaka sy rano mamy

عَنِ ابْنِ مَسْعُودٍ رضي الله عنه قَالَ: قَالَ رَسُولُ اللهِ صَلَّى اللَّهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ:
«لَقِيتُ إِبْرَاهِيمَ لَيْلَةَ أُسْرِيَ بِي فَقَالَ: يَا مُحَمَّدُ، أَقْرِئْ أُمَّتَكَ مِنِّي السَّلاَمَ، وَأَخْبِرْهُمْ أَنَّ الجَنَّةَ طَيِّبَةُ التُّرْبَةِ عَذْبَةُ الْمَاءِ، وَأَنَّهَا قِيعَانٌ، وَأَنَّ غِرَاسَهَا سُبْحَانَ اللهِ وَالحَمْدُ لِلَّهِ وَلاَ إِلَهَ إِلاَّ اللَّهُ وَاللَّهُ أَكْبَرُ».

Tatitra azo avy tamin'Ibn Massod (R.A) niteny : Niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe :
“Nihaona tamin’i Ibrahim aho tamin’ny alina nitondrana ahy tany an-danitra, dia hoy izy hoe : “Ry Mohammad, ampitao amin'ny vahoakanao ny fiarahabako azy ireo, ary lazao amin’izy ireo fa ny Paradisa dia tany lonaka sy rano mamy : “Ny fambolen-kazo ao aminy dia ny fitenenana Sobhanallah Walhamdoulillahi Walailaaha illallaho Wallaho Akbar".

Tsara miaraka amin'ny porofo hafa Notantarain'i Al-Tirmizì Sonan At-Tirmizì - 3462

Ny fanazavana

Milaza ny Mpaminany (S.A.W) fa nihaona tamin'i Ibrahim (A.S) tamin'ny Israa Wal Mi'raj, ary hoy izy taminy : Ry Mohammad : Ampitao amin'ny vahoakanao ny fiarahabana avy amiko, ary ampahafantaro azy ireo fa ny Paradisa dia tany lonaka, rano mamy ary tsy misy masira ny ao aminy, ary malalaka sy lemaka ny Paradisa, tsy misy hazo, ary ny fambolena ao aminy dia amin’ny alàlan'ny teny tsara, ary ireny no asa tsara sisa tavela, dia ny : Sobhanallah Walhamdolillahi Walailaaha illallaho Wallaho Akbar, ary isaky ny miteny sy mamerina izany ny mpino silamo iray dia misy hazo nambolena ho azy ao amin’ny Paradisa.

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Mamporisika ny fahatsiarovana tsy tapaka mba hampitomboana ny zavamaniry ao amin'ny Paradisa.
  2. Maneho ny hatsaran'ny vahoaka silamo; satria nandefasan'i Ibrahim (A.S) fiarahabana manokana.
  3. Namporisika ny vahoakan'i Mohammad (S.A.W) i Ibrahim mba hankamaro ny fahatsiarovana an'I Allah ilay Tsitoha.
  4. Nilaza i At-Tibi: Ny Paradisa dia midadasika, ary avy eo Allah, noho ny fahasoavany, dia nampisy hazo sy lapa tao aminy araka ny asan’ireo mpanatanteraka asa. Ny mpiasa tsirairay dia manana zavatra manokana ho azy noho ny asany, ary avy eo Allah, rehefa nanamora ny asa izay nahariana azy mba hahazoana izany valisoa izany, dia nohamorainy izany ho toy ny mpamboly ireo hazo ireo.

Fanehona ny dikanteny

50 Ny teny
EN English Anglisy
UR اردو Ordo
ES Español Espana
ID Indonesia Indoneziana
BN বাংলা Bengaly
TR Türkçe Torkia
RU Русский Rosiana
BS Bosanski Bosnia
SI සිංහල Sinhala
HI हिन्दी India
ZH 中文 sinoa
FA فارسی Persiana
VI Tiếng Việt Vietnamiana
TL Tagalog Tagaloga
KU Kurdî Kordia
HA Hausa Hosia
PT Português portogalîa
ML മലയാളം Malayalamia
TE తెలుగు Teljo
SW Kiswahili saohilia
TA தமிழ் Tamily
MY မြန်မာ Birmana
TH ไทย Tailandia
DE Deutsch Alimanina
PS پښتو Pasito
AS অসমীয়া Asamia
SQ Shqip Albany
SV Svenska Soedianina
AM አማርኛ Amharika
NL Nederlands Holandia
GU ગુજરાતી Gojratia
KY Кыргызча Kargaria
NE नेपाली Nepalianina
LT Lietuvių Litoanianina
PRS دری Aldoria
SR Српски serbianina
TG тоҷикӣ Tajakianina
RW Kinyarwanda Keniaroandia
RO Română Romaniana
HU Magyar Hongariana
MOS Moore الموري
OM Oromoo Oromianina
KN ಕನ್ನಡ Kanadianina
WO Wolof الولوف
UK Українська Okranianina
KA ქართული الجورجية
MK Македонски المقدونية
KM ភាសាខ្មែរ الخميرية
PA ਪੰਜਾਬੀ البنجابية
MR मराठी الماراثية