عن أبِي هُرَيْرَةَ رضي الله عنه قَالَ: قَالَ رَسُولُ اللهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ:
«لَا يَحِلُّ لِامْرَأَةٍ مُسْلِمَةٍ تُسَافِرُ مَسِيرَةَ لَيْلَةٍ إِلَّا وَمَعَهَا رَجُلٌ ذُو حُرْمَةٍ مِنْهَا».

Tatitra azo avy amin'i Abo Horaira (R.A), Niteny ny Mpaminany (ٍS.A.W) manao hoe :
"Tsy azo ataon'ny vehivavy silamo ny manao dia alina raha tsy misy lehilahy akaiky azy miaraka aminy."

Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim Sahìh Moslim - 1339

Ny fanazavana

Nanazava ny Mpaminany (S.A.W) fa voarara ho an'ny vehivavy silamo ny mandeha amin'ny dia alina raha tsy misy lehilahy havany miaraka aminy.

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Hoy I Ibn Hajar : Tsy azo atao ny mandehandeha tsy misy havana akaiky ny vehivavy, ary izany dia marimaritra iraisana amin'ny raharaha hafa ankoatra ny Hajj sy ny Omrah, ary ny fialana amin'ny tranon'ny mpivavaka amin'ny sampy, ary ny sasany tamin'izy ireo dia nanao izany ho anisan'ny fepetran'ny Hajj.
  2. Ny fahafenoan'ny lalàna silamika, ary ny fahavononany hiaro sy hitandro mandrakariva ny vehivavy.
  3. Ny finoana an’IAllah sy ny andro farany dia mitaky ny fanekena ny lalàn’I Allah sy ny fijanonana ao anatin’ny fetrany.
  4. Ny olona akaiky an'ny vehivavy dia ny vadiny na olona voarara tanteraka hanambady azy noho ny fihavanana, noho ny fampinonoana, na ny fanambadiana, ary izy io dia silamo olon-dehibe, manan-tsaina, azo itokisana. Ny tanjon'ireo havana akaiky dia ny miaro ny vehivavy, manampy azy ary mikarakara azy.
  5. Al-Bayhaki dia nilaza momba ny fitantarana voarakitra ao anatin'ny fe-potoanan'ny dia izay tsy misy afa-tsy ny mahram ny vehivavy iray : Ny farany dia ny hoe ny zavatra rehetra atao hoe fandehanana dia voarara ny vehivavy tsy misy vady na mahram, na telo andro, roa andro, indray andro, na hafa. Araka ny fitantarana nataon’I Ibn Abbas, izay farany amin’ireo fitantaran’ny silamo teo aloha : {Tsy misy vehivavy mandeha afa-tsy miaraka amin’ny havany akaiky} ary izany dia mandrakotra izay rehetra atao hoe dia. Farany, ary io hadith io dia nifototra tamin'ny toe-javatra nisy ilay nanontany sy ny toeram-ponenany.

Fanehona ny dikanteny

47 Ny teny
EN English Anglisy
UR اردو Ordo
ES Español Espana
ID Indonesia Indoneziana
UG ئۇيغۇرچە Aigoria
BN বাংলা Bengaly
TR Türkçe Torkia
RU Русский Rosiana
BS Bosanski Bosnia
SI සිංහල Sinhala
HI हिन्दी India
ZH 中文 sinoa
FA فارسی Persiana
VI Tiếng Việt Vietnamiana
TL Tagalog Tagaloga
KU Kurdî Kordia
HA Hausa Hosia
PT Português portogalîa
ML മലയാളം Malayalamia
TE తెలుగు Teljo
SW Kiswahili saohilia
TA தமிழ் Tamily
MY မြန်မာ Birmana
TH ไทย Tailandia
DE Deutsch Alimanina
PS پښتو Pasito
AS অসমীয়া Asamia
SQ Shqip Albany
SV Svenska Soedianina
AM አማርኛ Amharika
NL Nederlands Holandia
GU ગુજરાતી Gojratia
NE नेपाली Nepalianina
PRS دری Aldoria
SR Српски serbianina
TG тоҷикӣ Tajakianina
RO Română Romaniana
HU Magyar Hongariana
MOS Moore الموري
KN ಕನ್ನಡ Kanadianina
WO Wolof الولوف
UK Українська Okranianina
KA ქართული الجورجية
MK Македонски المقدونية
KM ភាសាខ្មែរ الخميرية
PA ਪੰਜਾਬੀ البنجابية
MR मराठी الماراثية