1. Pejy fandraisana
  2. Ireo sokajy
  3. Ny Fikh sy ny fitspiny

Hadith Ny TALBIA nataon'ny Mpaminany (S.A.W) dia : "Labaikallaahoma labaika! Labaika la sharika laka labaika! Inalhamda wanniimata laka walmolko la sharika laka

عَنْ عَبْدِ اللهِ بْنِ عُمَرَ رَضِيَ اللهُ عَنْهُمَا:
أَنَّ تَلْبِيَةَ رَسُولِ اللهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ: «لَبَّيْكَ اللهُمَّ، لَبَّيْكَ، لَبَّيْكَ لَا شَرِيكَ لَكَ لَبَّيْكَ، إِنَّ الْحَمْدَ وَالنِّعْمَةَ لَكَ وَالْمُلْكَ لَا شَرِيكَ لَكَ» قَالَ: وَكَانَ عَبْدُ اللهِ بْنُ عُمَرَ رَضِيَ اللهُ عَنْهُمَا يَزِيدُ فِيهَا: لَبَّيْكَ لَبَّيْكَ، وَسَعْدَيْكَ، وَالْخَيْرُ بِيَدَيْكَ، لَبَّيْكَ وَالرَّغْبَاءُ إِلَيْكَ وَالْعَمَلُ.

Tatitra azo avy amin'i Abdollah Ibn Omar (R.A) :
Ny TALBIA nataon'ny Mpaminany (S.A.W) dia : "Labaikallaahoma labaika! Labaika la sharika laka labaika! Inalhamda wanniimata laka walmolko la sharika laka" Niteny izy : "Ary i Abdollahi Ibn Omar (R.A) nanampy tamin'izany hoe : "Labaika Labaika, Wasaadaika, Walkhair biadika, Labaika Warraghbaa Ilaika Wal-Amal.

Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim Sahìh Moslim - 1184

Ny fanazavana

Ny talbiyah nataon'ny Mpaminany (S.A.W) rahefa te-hanao ny fombafomba amin'ny Hajj na omrah izy dia miteny manao hoe : (Labaikallaahoma labaika) dia valim-panontaniana tsy maintsy atao ho Anao aorian’ny famaliana izay niantsoanao anay momba ny fahadiovam-po, ny fanokanana an'I Allah, ny Hajj, sy ny zavatra hafa, (Labaika la sharika laka labaika) ianao irery no mendrika ho tompoina, tsy misy mpikambana Aminao amin'ny maha tompo sy Andrimanitra ary amin'ny Anaranao sy ny toetranao (Inalhamda) ny dera ary ny tso-drano (wanniimata) dia avy Aminao ary Ianao no Mpanome izany. (Laka) ny fihetsika rehetra dia ho Anao amin'ny zava-drehetra, (walmolko) ny fanjakana dia ho Anao koa, (La sharika laka) ka Anao irery izany. Ibn Omar (R.A) dia nanampy tamin'izany : (Labaika Labaika, Wasaadaika) ampifalio aho amin'ny fahasambarana aorian'ny fahasambarana, (Walkhair biadika) izany rehetra izany ary avy amin'ny fahasoavanao, (Labaika Warraghbaa Ilaika) ary ny fangatahana sy ny fitalahoana dia amin'izay eny an-tànany tsara, (Wal-Amal), fa ianao no mendrika ivavahana.

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Ny maha ara-dalàna ny Talbiyah mandritra ny Hajj sy ny Omrah, ary ny fanamafisana izany; Satria io no teny filamatra manokana, tahaka ny takbir ny teny filamatra amin'ny Soalat.
  2. Ibn al-Monir dia nilaza hoe : Ny maha-ara-dalàna ny Talbiyah dia fanairana momba ny voninahitr'I Allah ilay Tsitoha ho an'ny mpanompony, fa ny mpitsidik'izy ireo dia ao amin'ny Tranony dia manao fiantsoana avy Aminy avokoa, Voninahitra ho Azy.
  3. Ny tsara indrindra dia ny mifikitra amin'ny Mpaminany (S.A.W) ary tsy misy maharatsy ny manampy izany satria ny Mpaminany dia nanaiky izany ho fomba tsara indrindra. Hoy I Ibn Hajar : Ity no fomba tsara indrindra, noho izany dia nomaniny manokana izay nitranga tamin'ny raharaha natsangana, ary raha misafidy ny hilaza izay tonga ao anatin'ny toe-javatra mihantona izy na mamorona izany ho azy manokana, dia mety ny milaza izany irery mba tsy hisian'izany nifangaro tamin’ilay raharaha natsangana, ary mitovy amin’ny resaka fitalahoana ao amin’ny tashahhoda izany, satria hoy izy tao anatin’izany : “Aoka izy hifidy amin’ny fanontaniana izay tiany : izany hoe rehefa tapitra ny anarana.
  4. Tsaratsara ny mampiakatra ny feo rehefa miteny ny Talbiyah, ary izany dia amin’ny lehilahy, fa ny vehivavy kosa dia tokony hampidina ny feony noho ny tahotra amin'ny fakam-panahy.

Fanehona ny dikanteny

46 Ny teny
EN English Anglisy
UR اردو Ordo
ES Español Espana
ID Indonesia Indoneziana
UG ئۇيغۇرچە Aigoria
BN বাংলা Bengaly
TR Türkçe Torkia
RU Русский Rosiana
BS Bosanski Bosnia
SI සිංහල Sinhala
HI हिन्दी India
ZH 中文 sinoa
FA فارسی Persiana
VI Tiếng Việt Vietnamiana
TL Tagalog Tagaloga
KU Kurdî Kordia
HA Hausa Hosia
PT Português portogalîa
ML മലയാളം Malayalamia
TE తెలుగు Teljo
SW Kiswahili saohilia
TA தமிழ் Tamily
MY မြန်မာ Birmana
TH ไทย Tailandia
DE Deutsch Alimanina
PS پښتو Pasito
AS অসমীয়া Asamia
SQ Shqip Albany
SV Svenska Soedianina
AM አማርኛ Amharika
NL Nederlands Holandia
GU ગુજરાતી Gojratia
NE नेपाली Nepalianina
PRS دری Aldoria
SR Српски serbianina
RO Română Romaniana
HU Magyar Hongariana
MOS Moore الموري
KN ಕನ್ನಡ Kanadianina
WO Wolof الولوف
UK Українська Okranianina
KA ქართული الجورجية
MK Македонски المقدونية
KM ភាសាខ្មែរ الخميرية
PA ਪੰਜਾਬੀ البنجابية
MR मराठी الماراثية