1. Pejy fandraisana
  2. Ireo sokajy
  3. Ny Fikh sy ny fitspiny

Hadith Nanoro hevitra ahy hanao zavatra telo ilay sakaizako (S.A.W) : ny fifehezany telo andro isam-bolana, ny fanaovana ny swalat Douha roa rakat, ary ny fanaovana ny swalat Witr alohan'ny hatoriako

عَنْ أَبِي هُرَيْرَةَ رَضِيَ اللَّهُ عَنْهُ قَالَ:
أَوْصَانِي خَلِيلِي صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ بِثَلاَثٍ: صِيَامِ ثَلاَثَةِ أَيَّامٍ مِنْ كُلِّ شَهْرٍ، وَرَكْعَتَيِ الضُّحَى، وَأَنْ أُوتِرَ قَبْلَ أَنْ أَنَامَ.

Tatitra azo avy tamin'i Abo Horaira (R.A) niteny manao hoe :
Nanoro hevitra ahy hanao zavatra telo ilay sakaizako (S.A.W) : ny fifehezany telo andro isam-bolana, ny fanaovana ny swalat Douha roa rakat, ary ny fanaovana ny swalat Witr alohan'ny hatoriako.

Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim Sahìh Al-Bokhari - 1981

Ny fanazavana

Milaza i Abo Horaira (R.A) fa ny sakaizany dia ny Mpaminany (S.A.W) dia nanoro hevitra azy sy nanome azy zavatra telo ireto:
Ny voalohany : fifehezana telo andro isam-bolana.
Faharoa : Swalat roa raka'ah Doha isan'andro.
Fahatelo : Swalat Witr alohan'ny hatoriana; Izany dia ho an'ireo izay matahotra ny tsy hifoha amin'ny faran'ny alina.

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Ny fahasamihafan'ny hafatry ny Mpaminany (S.A.W) amin'ireo mpiara-dia aminy : Izany dia mifototra amin'ny fahalalan'ny Mpaminany (S.A.W) ny toetry ny mpiara-dia aminy sy izay mety ho an'ny tsirairay amin'izy ireo, ka ny matanjaka dia mety amin'ny fanaovana jiady, ny mpivavaka dia mifanaraka aminy ny fanompoana, ny manam-pahalalana dia mifanaraka amin'ny fahalalana, sy tahaka izany hatrany.
  2. Nilaza Ibn Hajar Al-Askalani tamin'ny teniny : Fifehezana telo andro isam-bolana, izay midika hoe andro fotsy; izy io dia : ny fahatelo ambin'ny folo, ny fahefatra ambin'ny folo, ary ny fahadimy ambin'ny folo amin'ny volana Hijria.
  3. Nilaza Ibn Hajar Al-Askalani hoe : Izany dia manondro ny famporisihana hanao Witr alohan'ny hatoriana, ary izany dia mihatra amin'ny olona tsy matoky tena amin'ny fifohazana.
  4. Ny maha zava-dehibe ireo asa telo ireo : satria nanoro izany tamin'ny namany maromaro ny Mpaminany (S.A.W).
  5. Hoy I Ibn Dakik al-Eid tao amin'ny teniny : (sy ny roa rakat amin'ny Doha) : Angamba izy nanonona ny kely indrindra misy eo aminy, ho fanamafisana amin'ny fanatanterahana azy, ary izany dia manondro ny hatsaran'ny vavaka Doha, ary ny kely indrindra dia roa rakat.
  6. Ny fotoan'ny vavaka Doha : tokony ho ampahefakadiny aorian'ny fiposahan'ny masoandro, ary ny fotoanany dia mahatratra folo minitra alohan'ny mitataovovonana, ary ny isany : ny kely indrindra aminy dia roa rakat, saingy misy ny tsy fitovian-kevitra momba ny be indrindra; misy ny milaza hoe : Valo rakaat, ary voalaza koa hoe : Tsy misy fetra ny amin'ny fahabetsahany.
  7. Fotoan'ny Witr : manomboka aorian'ny Swalat Isha ka hatramin'ny maraina mangiran-dratsy, izay kely indrindra dia rak'ah iray, ary ny fara-tampony dia iraika ambin'ny folo rak'ah.

Fanehona ny dikanteny

51 Ny teny
EN English Anglisy
UR اردو Ordo
ES Español Espana
ID Indonesia Indoneziana
UG ئۇيغۇرچە Aigoria
BN বাংলা Bengaly
TR Türkçe Torkia
RU Русский Rosiana
BS Bosanski Bosnia
SI සිංහල Sinhala
HI हिन्दी India
ZH 中文 sinoa
FA فارسی Persiana
VI Tiếng Việt Vietnamiana
TL Tagalog Tagaloga
KU Kurdî Kordia
HA Hausa Hosia
PT Português portogalîa
ML മലയാളം Malayalamia
TE తెలుగు Teljo
SW Kiswahili saohilia
TA தமிழ் Tamily
MY မြန်မာ Birmana
TH ไทย Tailandia
DE Deutsch Alimanina
PS پښتو Pasito
AS অসমীয়া Asamia
SQ Shqip Albany
SV Svenska Soedianina
AM አማርኛ Amharika
NL Nederlands Holandia
GU ગુજરાતી Gojratia
KY Кыргызча Kargaria
NE नेपाली Nepalianina
LT Lietuvių Litoanianina
PRS دری Aldoria
SR Српски serbianina
TG тоҷикӣ Tajakianina
RW Kinyarwanda Keniaroandia
RO Română Romaniana
HU Magyar Hongariana
MOS Moore الموري
OM Oromoo Oromianina
KN ಕನ್ನಡ Kanadianina
WO Wolof الولوف
UK Українська Okranianina
KA ქართული الجورجية
MK Македонски المقدونية
KM ភាសាខ្មែរ الخميرية
PA ਪੰਜਾਬੀ البنجابية
MR मराठी الماراثية