1. Pejy fandraisana
  2. Ireo sokajy
  3. Ny hatsarana sy ny fahalalam-pomba

Hadith Aza miarahaba voalohany ireo Jiosy na Kristiana, fa raha mifanena amin'ny anankiray amin'izy ireo eny an-dàlana ianareo, dia tereo amin'ny làlana tery izy ireo

عَنْ أَبِي هُرَيْرَةَ رضي الله عنه أَنَّ رَسُولَ اللهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ قَالَ:
«لَا تَبْدَؤوا الْيَهُودَ وَلَا النَّصَارَى بِالسَّلَامِ، فَإِذَا لَقِيتُمْ أَحَدَهُمْ فِي طَرِيقٍ فَاضْطَرُّوهُ إِلَى أَضْيَقِهِ».

Tatitra azo avy tamin'i Abo Horaira (R.A), niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe :
"Aza miarahaba voalohany ireo Jiosy na Kristiana, fa raha mifanena amin'ny anankiray amin'izy ireo eny an-dàlana ianareo, dia tereo amin'ny làlana tery izy ireo."

Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim Sahìh Moslim - 2167

Ny fanazavana

Nandrara ny fanombohana ny fiarahabana ireo jiosy sy ny kristiana i Mpaminany (S.A.W) tsy hanomboka amin'ny fiarahabana, na dia eo amin'ny tanin'ny silamo aza izy ireo. Nanazava i Mpaminany (S.A.W) fa raha mifanena amin’izy ireo eny an-dàlana isika dia voatery manery azy ireo ho amin’ny làlana tery indrindra. Ny mpino no mandeha eo afovoan-dàlana, fa ny tsy mpino no mivily, ary ny silamo dia tsy manaiky na inona na inona toe-javatra ho ambany.

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Tsy azo atao ny manomboka fiarahabana amin'ny Jiosy sy ny Kristianina na ny ankoatr'izay amin'ireo tsy mpino hafa.
  2. Azo atao ny mamaly ny fiarahabana amin’izy ireo raha manomboka amin’ny fiarahabana izy ireo amin’ny filazana hoe : Ary ho anareo koa.
  3. Tsy azo atao ny manao fanahy iniana hanisy ratsy ny tsy mpino amin'ny alàlan'ny finiavan'ny silamo tsy amin'ny antony. Manery azy handeha amin’ny làlana tery; fa raha tery na feno olona ny làlana dia manan-jo kokoa amin’izany ny silamo, ary tokony hiafy amin’izany ny tsy mpino.
  4. Maneho ny hambom-pon'ny silamo sy ny fahakelezan'ny hafa, saingy tsy mampiasa ny tsy rariny na fahavetavetana amin'ny teny.
  5. Ny fameperana ny tsy mpino noho ny tsy finoany an'I Allah Tsitoha dia mety ho antony hivadihany ho mpino silamo. Ka ho voavonjy amin’ny Helo izy ireo, raha izany no mitarika azy ireo hahafantatra ny antony.
  6. Tsy maninona raha ny mpino silamo ny miteny amin'ny tsy mpino hoe : "Manao ahoana ianao, manao ahoana ianao izao hariva izao?" Ary toy izany koa raha ilaina; satria mifototra amin’ny fandriam_pahalemana ny fandrarana.
  7. Hoy i Al-Tibi : Ny zavatra nofidiana dia tsy fanombohana amin'ny fiarahabana, ary raha miarahaba olona tsy fantany izy ka miseho ho tsy silamo na mpanao forona, dia hoy izy : haveriny ilay firahabany ho fanambaniana azy.

Fanehona ny dikanteny

50 Ny teny
EN English Anglisy
UR اردو Ordo
ES Español Espana
ID Indonesia Indoneziana
BN বাংলা Bengaly
TR Türkçe Torkia
RU Русский Rosiana
BS Bosanski Bosnia
SI සිංහල Sinhala
HI हिन्दी India
ZH 中文 sinoa
FA فارسی Persiana
VI Tiếng Việt Vietnamiana
TL Tagalog Tagaloga
KU Kurdî Kordia
HA Hausa Hosia
PT Português portogalîa
ML മലയാളം Malayalamia
TE తెలుగు Teljo
SW Kiswahili saohilia
TA தமிழ் Tamily
MY မြန်မာ Birmana
TH ไทย Tailandia
DE Deutsch Alimanina
PS پښتو Pasito
AS অসমীয়া Asamia
SQ Shqip Albany
SV Svenska Soedianina
AM አማርኛ Amharika
NL Nederlands Holandia
GU ગુજરાતી Gojratia
KY Кыргызча Kargaria
NE नेपाली Nepalianina
LT Lietuvių Litoanianina
PRS دری Aldoria
SR Српски serbianina
TG тоҷикӣ Tajakianina
RW Kinyarwanda Keniaroandia
RO Română Romaniana
HU Magyar Hongariana
MOS Moore الموري
OM Oromoo Oromianina
KN ಕನ್ನಡ Kanadianina
WO Wolof الولوف
UK Українська Okranianina
KA ქართული الجورجية
MK Македонски المقدونية
KM ភាសាខ្មែរ الخميرية
PA ਪੰਜਾਬੀ البنجابية
MR मराठी الماراثية