1. Pejy fandraisana
  2. Ireo sokajy
  3. Ny boky masina CORAN sy ny siansa

Hadith “Ny mpino mamaky ny kor'any dia tahaka ny voankazo Otroja, ny fofony dia manitra ary ny tsirony dia mamy, ary ny mpino tsy mamaky ny kor'any dia toy ny atrendry, tsy misy fofona fa ny tsirony dia mamy

عَن أَبي مُوْسى الأَشْعريِّ رضي الله عنه قال: قال رسولُ اللهِ صلى اللهُ عليه وسلم:
«مَثَلُ الْمُؤْمِنِ الَّذِي يَقْرَأُ الْقُرْآنَ كَمَثَلِ الْأُتْرُجَّةِ، رِيحُهَا طَيِّبٌ وَطَعْمُهَا طَيِّبٌ، وَمَثَلُ الْمُؤْمِنِ الَّذِي لَا يَقْرَأُ الْقُرْآنَ كَمَثَلِ التَّمْرَةِ، لَا رِيحَ لَهَا وَطَعْمُهَا حُلْوٌ، وَمَثَلُ الْمُنَافِقِ الَّذِي يَقْرَأُ الْقُرْآنَ مَثَلُ الرَّيْحَانَةِ، رِيحُهَا طَيِّبٌ وَطَعْمُهَا مُرٌّ، وَمَثَلُ الْمُنَافِقِ الَّذِي لَا يَقْرَأُ الْقُرْآنَ كَمَثَلِ الْحَنْظَلَةِ، لَيْسَ لَهَا رِيحٌ وَطَعْمُهَا مُرٌّ».

Tatitra azo avy tamin'i Abo mossa Al-Ash'ario (R.A) : Niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe :
“Ny mpino mamaky ny kor'any dia tahaka ny voankazo Otroja, ny fofony dia manitra ary ny tsirony dia mamy, ary ny mpino tsy mamaky ny kor'any dia toy ny atrendry, tsy misy fofona fa ny tsirony dia mamy, ary ny mpihatsaravelatsihy mamaky ny kor'any dia toy ny rayhana, ny fofony dia tsara fa ny tsirony mangidy, ary ny ny mpihatsaravelatsihy tsy mamaky ny kor'any dia toy Hanzwalat, tsy misy fofona ary mangidy ny tsirony."

Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim Sahìh Al-Bokhari - 5427

Ny fanazavana

Nanazava ny sokajin'olona amin'ny famakiana ny kor'any sy ny tombontsoa azo avy amin'izany ny Mpaminany (S.A.W) :
Ny sokajy voalohany : Ny mpino izay mamaky ny kor'any ka mandray soa avy amin'izany, tahaka ny voan'ny Otroja izy, tsara ny tsirony, fofony, tsara tarehy, maro ny soa azo avy aminy ary mahasoa ny mpanompon’Allah.
Ny faharoa : Ny mpino tsy mamaky ny kor'any dia toy ny atrendry izay mamy sy tsy misy fofona, ny fony dia feno finoana, toy ny atrendry izay misy mamy sy tsiro ao anatiny, saingy tsy manana hanitra ho an'ny olona mifofona azy; Satria tsy nisy vakiteny avy aminy izay hahazoan'ny olona mpihaino azy fahafinaretana.
Ny fahatelo : Ny mpihatsaravelatsihy izay mamaky ny kor'any dia toy ny Rayhana, izay misy fofona mahafinaritra saingy mangidy ny tsirony, satria tsy nanao asa tamin'ny fony feno finoana izy, ary tsy nanatanteraka ny voalazan'ny kor'any, fa miseho eo imasombahoaka fa hoe mpino. Ny fofony manitra dia mitovy amin'ny vakiteny nataony, ary ny tsirony mangidy dia mitovy amin'ny tsy finoany.
Ny fahefatra : Ny mpihatsaravelatsihy izay tsy mamaky ny kor'any, dia toy ny Hanzwala izy, satria tsy misy fofona ary mangidy ny tsirony, ka ny tsy fisian'ny hanitra aminy (hanzwala) dia mitovy amin'ny tsy fisian'ny fofony (Mpihatsaravelatsihy). noho ny tsy famakiany izany, ary ny hidin'ny tsirony dia mitovy amin’ny fangidian’ny tsy finoany, foana ny fianoana ao anatiny, ary ny endriny ivelany dia tsy mahasoa, raha ny marina dia manimba.

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Manazava ny tombotsoan'ny mpamaky ny kor'any sy ny mampihatra azy.
  2. Anisan'ny fomba fampianarana ny fanomezana ohatra mba hampifanantona kokoa ny fahatakarana.
  3. Ny mpino silamo dia tokony hanana ampahany vakina isanandro tsy tapaka ao amin'ny bokin'Allah Ilay Tsitoha.

Fanehona ny dikanteny

57 Ny teny
EN English Anglisy
UR اردو Ordo
ES Español Espana
ID Indonesia Indoneziana
UG ئۇيغۇرچە Aigoria
BN বাংলা Bengaly
TR Türkçe Torkia
RU Русский Rosiana
BS Bosanski Bosnia
SI සිංහල Sinhala
HI हिन्दी India
ZH 中文 sinoa
FA فارسی Persiana
VI Tiếng Việt Vietnamiana
TL Tagalog Tagaloga
KU Kurdî Kordia
HA Hausa Hosia
PT Português portogalîa
ML മലയാളം Malayalamia
TE తెలుగు Teljo
SW Kiswahili saohilia
MY မြန်မာ Birmana
TH ไทย Tailandia
DE Deutsch Alimanina
PS پښتو Pasito
AS অসমীয়া Asamia
SQ Shqip Albany
SV Svenska Soedianina
AM አማርኛ Amharika
NL Nederlands Holandia
GU ગુજરાતી Gojratia
KY Кыргызча Kargaria
NE नेपाली Nepalianina
YO Yorùbá Yorianina
LT Lietuvių Litoanianina
PRS دری Aldoria
SR Српски serbianina
SO Soomaali Somalianina
TG тоҷикӣ Tajakianina
RW Kinyarwanda Keniaroandia
RO Română Romaniana
HU Magyar Hongariana
CS Čeština Tsekianina
MOS Moore الموري
IT Italiano Italianina
OM Oromoo Oromianina
KN ಕನ್ನಡ Kanadianina
WO Wolof الولوف
AZ Azərbaycan Azerianina
UZ O‘zbek Ozbekianina
UK Українська Okranianina
KA ქართული الجورجية
MK Македонски المقدونية
KM ភាសាខ្មែរ الخميرية
PA ਪੰਜਾਬੀ البنجابية
MR मराठी الماراثية
KMR Kurmancî الكرمنجية