1. Pejy fandraisana
  2. Ireo sokajy
  3. Ny hatsarana sy ny fahalalam-pomba

Hadith “Izay mianiana ka niteny amin’ny fianianana hoe : Mianiana amin’ny alalan'i Lata sy Ozza, dia aoka izy hiteny hoe: Lailaha Illallah, izay midika : Tsy misy tompo marina afa-tsy Allah, ary izay miteny amin’ny namany hoe : Avia hiara-hiloka amiko ianao, dia aoka izy hamoaka fanomezana

عَنْ أَبِي هُرَيْرَةَ رَضِيَ اللَّهُ عَنْهُ قَالَ: قَالَ رَسُولُ اللَّهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ:
«مَنْ حَلَفَ فَقَالَ فِي حَلِفِهِ: وَاللَّاتِ وَالعُزَّى، فَلْيَقُلْ: لاَ إِلَهَ إِلَّا اللَّهُ، وَمَنْ قَالَ لِصَاحِبِهِ: تَعَالَ أُقَامِرْكَ، فَلْيَتَصَدَّقْ».

Tatitra azo avy amin'i Abo Horaira (R.A), Niteny ny Mpaminany (ٍS.A.W) manao hoe :
“Izay mianiana ka niteny amin’ny fianianana hoe : Mianiana amin’ny alalan'i Lata sy Ozza, dia aoka izy hiteny hoe: Lailaha Illallah, izay midika : Tsy misy tompo marina afa-tsy Allah, ary izay miteny amin’ny namany hoe : Avia hiara-hiloka amiko ianao, dia aoka izy hamoaka fanomezana".

Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim Sahìh Al-Bokhari - 4860

Ny fanazavana

Ny Mpaminany (S.A.W) dia mampitandrina ny amin'ny fianianana amin'ny zavatra hafa ankoatra an'I Allah; satria ny mpino dia tsy mianiana afa-tsy amin’I Allah irery ihany, Nilaza izy fa izay mianiana amin’ny zavatra hafa ankoatra an’I Allah; Ohatra amin'izany tahaka ny olona mianiana amin'ny Làta sy Al-Ozza - sampy roa izay nivavahana tamin'ny andron'ny habadoana - dia tsy maintsy miteny avy hatrany izy manao hoe : Là ilàha Illallàh, mba hanarenany avy hatrany ny tenany, mba hiala amin'ny fanompoan-tsampy, ary hanonitra ho an'ny tenany tamin'ny fianianana nataony.
Avy eo nanambara ny Mpaminany (S.A.W) fa izay miteny amin'ny namany : Andeha isika hiloka - izany dia olona roa na maroamaro milalao dia izay mpandresy no mandray ny vola; ka tsaratarsa ny mamoaka fanomezana ho fanonerana amin'ny antso nataony.

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Ny fianianana dia tsy azo atao raha tsy amin'I Allah irery sy ireo Anarany ary ny Toetoetrany.
  2. Voarara ny mianiana amin’ny zavatra hafa ankoatra an’i Allah Ilay Tsitoha, na mianiana amin’ny sampy toy ny Lata na Ozza, na ny fianianana amin’ny olona azo itokisana, na ny fianianana amin’ny Mpaminany, na ny hafa ankoatr'izany.
  3. Nilaza i Khattabi : Ny fianiana dia natokana ho amin'ilay mendrika ho tompoina, ilay be voniahitra irery ihany, ka raha mianiana amin’ny Lata sy ny toy izany ny olona iray dia efa naka tahaka ny olona tsy mpino, ka didina avy hatrany izy hanarina ny tenany amin'ny alalan'ny teny fanokanana an'i Allah.
  4. Izay mianiana amin’ny hafa ankoatra an’I Allah dia tsy voatery hanao fanonerana amin’ny fianianany, fa tsy maintsy mibebaka sy mangataka famelan-keloka. Satria lehibe loatra ka tsy ho voavonjy raha tsy amin'ny fibebahana.
  5. Fandrarana ny filokana amin’ny endriny rehetra sy ny fisehoany, izy io dia ny filokana izay noraran’I Allah ilay Tsitoha ary nampitahainy tamin’ny toaka sy ny sampy.
  6. Voadidy ny miala amin'ny fahotana raha sendra tafanao izany.
  7. Izay tafanao ratsy dia aoka hampanaraka izany amin'ny asa soa; Satria ny asa soa dia manala ny ratsy.

Fanehona ny dikanteny

52 Ny teny
EN English Anglisy
UR اردو Ordo
ES Español Espana
ID Indonesia Indoneziana
BN বাংলা Bengaly
TR Türkçe Torkia
RU Русский Rosiana
BS Bosanski Bosnia
SI සිංහල Sinhala
HI हिन्दी India
ZH 中文 sinoa
FA فارسی Persiana
VI Tiếng Việt Vietnamiana
TL Tagalog Tagaloga
KU Kurdî Kordia
HA Hausa Hosia
PT Português portogalîa
ML മലയാളം Malayalamia
TE తెలుగు Teljo
SW Kiswahili saohilia
TA தமிழ் Tamily
MY မြန်မာ Birmana
TH ไทย Tailandia
DE Deutsch Alimanina
PS پښتو Pasito
AS অসমীয়া Asamia
SQ Shqip Albany
SV Svenska Soedianina
AM አማርኛ Amharika
NL Nederlands Holandia
GU ગુજરાતી Gojratia
KY Кыргызча Kargaria
NE नेपाली Nepalianina
LT Lietuvių Litoanianina
PRS دری Aldoria
SR Српски serbianina
TG тоҷикӣ Tajakianina
RW Kinyarwanda Keniaroandia
RO Română Romaniana
HU Magyar Hongariana
CS Čeština Tsekianina
MOS Moore الموري
OM Oromoo Oromianina
KN ಕನ್ನಡ Kanadianina
WO Wolof الولوف
AZ Azərbaycan Azerianina
UK Українська Okranianina
KA ქართული الجورجية
MK Македонски المقدونية
KM ភាសាខ្មែរ الخميرية
PA ਪੰਜਾਬੀ البنجابية
MR मराठी الماراثية