1. Pejy fandraisana
  2. Ireo sokajy
  3. Ny tantaram-iainana sy ny tantara

Hadith Tsy nomena safidy ny irak'Allah (S.A.W) teo amin'ny raharaha roa afa-tsy nisafidy ilay moramora amin'izy roa, raha mbola tsy fahotana izany, fa raha ohatra ka fahotana dia izy no olona manalavitra izany indrindra

عَنْ عَائِشَةَ أُمِّ المُؤْمِنينَ رَضِيَ اللَّهُ عَنْهَا أَنَّهَا قَالَتْ:
مَا خُيِّرَ رَسُولُ اللَّهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ بَيْنَ أَمْرَيْنِ إِلَّا أَخَذَ أَيْسَرَهُمَا، مَا لَمْ يَكُنْ إِثْمًا، فَإِنْ كَانَ إِثْمًا كَانَ أَبْعَدَ النَّاسِ مِنْهُ، وَمَا انْتَقَمَ رَسُولُ اللَّهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ لِنَفْسِهِ إِلَّا أَنْ تُنْتَهَكَ حُرْمَةُ اللَّهِ، فَيَنْتَقِمَ لِلَّهِ بِهَا.

Tatitra azo avy tamin'i Aicha Renin'ny mpino (R.A) niteny hoe :
Tsy nomena safidy ny irak'Allah (S.A.W) teo amin'ny raharaha roa afa-tsy nisafidy ilay moramora amin'izy roa, raha mbola tsy fahotana izany, fa raha ohatra ka fahotana dia izy no olona manalavitra izany indrindra, ary toy izany koa ny Mpaminany (S.A.W) dia tsy mba namaly faty ny tenany raha tsy voahitsakitsaka ny fahamasinan’I Allah, ka amin’izay dia mamaly faty an’I Allah izy.

Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim Sahìh Al-Bokhari - 3560

Ny fanazavana

Ny Renin'ny mpino, Aisha (R.A) dia nitantara ny sasany amin'ireo fitondran-tenan'ny Mpaminany (S.A.W), ary anisan'ny zavatra nolazainy : I Mpaminany (S.A.W) dia tsy nomena safidy teo amin’ny raharaha roa afa-tsy ny mora kokoa tamin’ireo roa ireo no nalainy raha mbola tsy fahotana ilay moramora, fa raha tsy izany dia izy no nanalavitra ny olona ary nifidy izay henjana kokoa. Ary tsy namaly faty ho an'ny tenany manokana i Mpaminany (S.A.W), fa namela sy nandefitra amin'ny zony, raha tsy voahitsakitsaka ny fahamasinan'I Allah, amin'izay dia hamaly faty an'I Allah izy, ary izy no olona tezitra indrindra noho Allah.

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Tsaratsara ny misafidy ny mora kokoa amin’ny raharaha raha mbola tsy misy fahotana.
  2. Fahamoran'ny finoana silamo.
  3. Ny maha-ara-dalàna ny fahatezerana noho Allah.
  4. I Mpaminany (S.A.W) dia tsy nandefitra sy nanam-paharetana tamin'ny fametrahana ny fahamarinana momba ny fetran’I Allah ilay Tsitoha.
  5. Hoy I Ibn Hajar : Tafiditra ao anatin'izany ny fialana amin'ny asa sarotra, ny miaina amin'ny zavatra mora, ary ny fialana amin'ny fiziriziriana amin'izay tsy terena.
  6. Famporisihana amin'ny famelan-keloka afa-tsy amin'ny zon'I Allah ilay Tsitoha.

Fanehona ny dikanteny

46 Ny teny
EN English Anglisy
UR اردو Ordo
ES Español Espana
ID Indonesia Indoneziana
BN বাংলা Bengaly
TR Türkçe Torkia
RU Русский Rosiana
BS Bosanski Bosnia
SI සිංහල Sinhala
HI हिन्दी India
ZH 中文 sinoa
FA فارسی Persiana
VI Tiếng Việt Vietnamiana
TL Tagalog Tagaloga
KU Kurdî Kordia
HA Hausa Hosia
PT Português portogalîa
ML മലയാളം Malayalamia
TE తెలుగు Teljo
SW Kiswahili saohilia
TA தமிழ் Tamily
MY မြန်မာ Birmana
TH ไทย Tailandia
DE Deutsch Alimanina
PS پښتو Pasito
AS অসমীয়া Asamia
SQ Shqip Albany
SV Svenska Soedianina
AM አማርኛ Amharika
NL Nederlands Holandia
GU ગુજરાતી Gojratia
NE नेपाली Nepalianina
PRS دری Aldoria
SR Српски serbianina
SO Soomaali Somalianina
RO Română Romaniana
HU Magyar Hongariana
MOS Moore الموري
KN ಕನ್ನಡ Kanadianina
WO Wolof الولوف
UK Українська Okranianina
KA ქართული الجورجية
MK Македонски المقدونية
KM ភាសាខ្មែរ الخميرية
PA ਪੰਜਾਬੀ البنجابية
MR मराठी الماراثية