عَنْ أَبِي هُرَيْرَةَ رضي الله عنه أَنَّ رَسُولَ اللهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ قَالَ:
«أَتَدْرُونَ مَا الْمُفْلِسُ؟» قَالُوا: الْمُفْلِسُ فِينَا مَنْ لَا دِرْهَمَ لَهُ وَلَا مَتَاعَ، فَقَالَ: «إِنَّ الْمُفْلِسَ مِنْ أُمَّتِي يَأْتِي يَوْمَ الْقِيَامَةِ بِصَلَاةٍ وَصِيَامٍ وَزَكَاةٍ، وَيَأْتِي قَدْ شَتَمَ هَذَا، وَقَذَفَ هَذَا، وَأَكَلَ مَالَ هَذَا، وَسَفَكَ دَمَ هَذَا، وَضَرَبَ هَذَا، فَيُعْطَى هَذَا مِنْ حَسَنَاتِهِ، وَهَذَا مِنْ حَسَنَاتِهِ، فَإِنْ فَنِيَتْ حَسَنَاتُهُ قَبْلَ أَنْ يُقْضَى مَا عَلَيْهِ أُخِذَ مِنْ خَطَايَاهُمْ فَطُرِحَتْ عَلَيْهِ، ثُمَّ طُرِحَ فِي النَّارِ».

Tatitra azo avy amin'i Abou Horaira (R.A), niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe :
"Fantatrareo ve iza no olona bankirompitra (faillite)?" Namaly izy ireo hoe : bankirompitra aminay dia ireo izay tsy manana dirham na tsy manan-karena, niteny ny Mpaminany (S.A.W) hoe : “Ny olona bankirompitra amin’ny vahoakako, rehefa tonga ny andro farany miaraka amin’ny Swalat, fifehezana, zakat, nefa izy nanompa an'itsy, nanendrikendrika an'itsy, nisoloky fananan'itsy, nandatsa-drà an'itsy, nikapoka an'itsy, ka akana amin'ireo asa soany atolotra an'itsy, ary itsy amin'ny asa soany, rehefa lany ny asa soa vitany mialohan'ny hivitan'ny trosany dia alaina indray ny haratsiana amin’ireo olona nambakainy dia omena azy avy eo atsipy any amin’ny Afobe izy.”

Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim Sahìh Moslim - 2581

Ny fanazavana

Nanontany ny mpanara_diany ny Mpaminany (S.A.W) hoe : Fantatrareo ve hoe iza no bankirompitra (maty antoka)? Hoy izy ireo namaly : Ny bankirompitra eo aminay dia izay tsy manam-bola na fananana, dia hoy ny Mpaminany (S.A.W) hoe : Ny bankirompitra amin’ny vahoakako amin’ny andro fitsanganana amin’ny maty dia izay manao asa soa toy ny swalat sy ny fifehezana ary ny zakat, nefa efa nanompa sy nanozona olona, nanendrikendrika olona tamin'ny voninahiny, ary nihinana volan'ny olona nefa nandà izany, nandatsaka ny ran'ny olona sy nanambaka azy, nikapoka sy nanevateva olona, ka nomena ny olona nambakany ny sasany amin'ny asa soa nataony, ka rehefa lany ny asa soa nataony nefa mbola tsy tapitra ny olona mitaky zon'izy ireo aminy, dia alaina ny otan’ny voambaka ary apetraka eo amin’ny bokin’ny mpanambaka, avy eo dia ariana sy atsipy any amin’ny afo satria tsy misy asa soa tavela intsony aminy.

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Fampitandremana mba tsy ho tafalatsaka amin'ny zavatra voarara, indrindra momba ny zon'olombelona ara-materialy sy ara-moraly.
  2. Ny zon'ny zavaboary eo amin'izy samy izy dia mifototra amin'ny tsy fifanolanana, ary ny zon'ny Mpahary, afa-tsy ny fampiombonana azy amin'ny hafa, dia mifototra amin'ny fifamelana.
  3. fampiasana ny fomba fifampiresahana izay mampientanentana ny mpihaino, misarika ny sainy ary manaitra ny fahalianany, indrindra eo amin’ny fanabeazana sy ny fanitsina.
  4. Fanazavana ny tena dikan'ny bankirompitra, izy io dia fakan'ny trosany amin'ireo asa soa vitany amin'ny andro farany.
  5. Ny valifaty any ankoatra dia mety hitranga amin'ny fakana ny asa soa rehetra, ka tsy misy tavela na dia iray aza.
  6. Miorina amin’ny rariny sy ny fahamarinana ny fitondran’i Allah ny zavaboary.

Fanehona ny dikanteny

52 Ny teny
EN English Anglisy
UR اردو Ordo
ES Español Espana
ID Indonesia Indoneziana
BN বাংলা Bengaly
TR Türkçe Torkia
RU Русский Rosiana
BS Bosanski Bosnia
SI සිංහල Sinhala
HI हिन्दी India
ZH 中文 sinoa
FA فارسی Persiana
VI Tiếng Việt Vietnamiana
TL Tagalog Tagaloga
KU Kurdî Kordia
HA Hausa Hosia
PT Português portogalîa
ML മലയാളം Malayalamia
TE తెలుగు Teljo
SW Kiswahili saohilia
TA தமிழ் Tamily
MY မြန်မာ Birmana
TH ไทย Tailandia
DE Deutsch Alimanina
PS پښتو Pasito
AS অসমীয়া Asamia
SQ Shqip Albany
SV Svenska Soedianina
AM አማርኛ Amharika
NL Nederlands Holandia
GU ગુજરાતી Gojratia
KY Кыргызча Kargaria
NE नेपाली Nepalianina
LT Lietuvių Litoanianina
PRS دری Aldoria
SR Српски serbianina
TG тоҷикӣ Tajakianina
RW Kinyarwanda Keniaroandia
RO Română Romaniana
HU Magyar Hongariana
CS Čeština Tsekianina
MOS Moore الموري
OM Oromoo Oromianina
KN ಕನ್ನಡ Kanadianina
WO Wolof الولوف
AZ Azərbaycan Azerianina
UK Українська Okranianina
KA ქართული الجورجية
MK Македонски المقدونية
KM ភាសាខ្មែរ الخميرية
PA ਪੰਜਾਬੀ البنجابية
MR मराठी الماراثية