1. Pejy fandraisana
  2. Ireo sokajy
  3. Ny foto-pinoana

Hadith Efa nanandrana ny tsiron'ny finoana izay nanaiky an'i Allah ho Tompony, ary ny silamo no finoany, ary i Mohammad no irak'Allah ho aminy

عَنِ الْعَبَّاسِ بْنِ عَبْدِ الْمُطَّلِبِ رضي الله عنه أَنَّهُ سَمِعَ رَسُولَ اللهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ، يَقُولُ:
«ذَاقَ طَعْمَ الْإِيمَانِ مَنْ رَضِيَ بِاللهِ رَبًّا، وَبِالْإِسْلَامِ دِينًا، وَبِمُحَمَّدٍ رَسُولًا».

Tatitra avy tamin'i Ibn Abbas (R.A), izy nandre an'ny Mpaminany (S.A.W) niteny manao hoe :
"Efa nanandrana ny tsiron'ny finoana izay nanaiky an'i Allah ho Tompony, ary ny silamo no finoany, ary i Mohammad no irak'Allah ho aminy"

Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim Sahìh Moslim - 34

Ny fanazavana

Milaza ny Mpaminany (S.A.W), fa ny mpino iray izay marina amin'ny finoany ary tony amin'izany ny fony dia hahita sy hahatsapa ao am-pony ny fisokafana, ny , ny hafaliana, ny mamy ary ny fahafinaretan'ny mfanitarana aha akaiky an'i Allah azy raha afa-po amin'ny zavatra telo ireto izy :
Voalohany : Afa-po amin’i Allah amin’ny maha-Tompo Azy, ary izany dia amin’ny famenoana ny fony amin’izay avy amin’I Allah araka ny maha tompo Azy, amin'ny lafiny fizarazarana ny anjaram-pivelomana sy ny toe-piainana, ka tsy hita ao am-pony ny fanoherana amin'izany rehetra izany, ary tsy mitady Tompo hafa afa-tsy Allah izy.
Faharoa : Afa-po tamin'ny finoana silamo izy, izany dia ny fisokafan'ny fony amin'ireo adidy aman-draikitra ao amin'ny finoana silamo, ary tsy hitady làlana hafa ankoatra ny finoana silamo.
Fahatelo : Afa-po tamin’ny maha Iraka an'i Mohammad (S.A.W), izany dia ny fisokafan'ny fony sy firavoravoany amin’ny zavatra rehetra nentiny tsy misy fisalasalana, ka tsy nanaraka afa-tsy izay mifanaraka tamin’ny sori-dàlany ihany.

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Ny finoana dia misy hamamiana sy tsiro izay andramana amin'ny fo, tahaka ny hamamin’ny hanina sy ny zava-pisotro andramana ao am-bava.
  2. Ny vatana dia tsy mahatsapa ny tsiron-kanina sy zava-pisotro raha tsy rehefa salama, ary toy izany koa ny fo raha afaka amin’ny aretin’ny fanirian-dratsy sy ny filàna voarara, dia mahita ny hamamin’ny finoana, fa rehefa marary ny fo dia tsy hahatsapa ny hamamian'ny finoana, ary mety hihevitra ny faniriana sy ny fahotana izay manimba azy.
  3. Raha afa-po amin’ny zavatra iray ny olona ka mankasitraka izany, dia ho mora aminy ny raharahany, ary tsy hisy ny sarotra aminy ny fanatanterahana azy, ary ho faly izy amin’izay rehetra nentiny, ary hifangaro amin'ny fifalina ny fony. Ary toy izany koa ny mpino, raha miditra ao am-pony ny finoana, dia ho mora aminy ny fankatoavana ny Tompony ary hahazo tsiro izany ny fanahiny, ary tsy havesatra aminy ny fahasarotany.
  4. Nilaza i Ibn al-kayyim : Ity Hadith ity dia ahitana ny fahafaham-po amin'ny maha-tompo Mpahary Azy, sy amin'ny maha Tompo tompoina Azy, ary fahafaham-po amin'ny irak'Allah sy fanekena azy ary ny fahafaham-po amin'ny finoany sy miambany aminy.

Fanehona ny dikanteny

51 Ny teny
EN English Anglisy
UR اردو Ordo
ID Indonesia Indoneziana
BN বাংলা Bengaly
TR Türkçe Torkia
RU Русский Rosiana
BS Bosanski Bosnia
SI සිංහල Sinhala
HI हिन्दी India
ZH 中文 sinoa
FA فارسی Persiana
VI Tiếng Việt Vietnamiana
TL Tagalog Tagaloga
KU Kurdî Kordia
HA Hausa Hosia
PT Português portogalîa
ML മലയാളം Malayalamia
TE తెలుగు Teljo
SW Kiswahili saohilia
TA தமிழ் Tamily
MY မြန်မာ Birmana
TH ไทย Tailandia
DE Deutsch Alimanina
PS پښتو Pasito
AS অসমীয়া Asamia
SQ Shqip Albany
SV Svenska Soedianina
AM አማርኛ Amharika
NL Nederlands Holandia
GU ગુજરાતી Gojratia
KY Кыргызча Kargaria
NE नेपाली Nepalianina
LT Lietuvių Litoanianina
PRS دری Aldoria
SR Српски serbianina
TG тоҷикӣ Tajakianina
RW Kinyarwanda Keniaroandia
RO Română Romaniana
HU Magyar Hongariana
CS Čeština Tsekianina
MOS Moore الموري
OM Oromoo Oromianina
KN ಕನ್ನಡ Kanadianina
WO Wolof الولوف
AZ Azərbaycan Azerianina
UK Українська Okranianina
KA ქართული الجورجية
MK Македонски المقدونية
KM ភាសាខ្មែរ الخميرية
PA ਪੰਜਾਬੀ البنجابية
MR मराठी الماراثية