1. Pejy fandraisana
  2. Ireo sokajy
  3. Ny hatsarana sy ny fahalalam-pomba

Hadith Allah tsy mandray asa afa-tsy izay atao an-kitsim-po, sy nampifaliany an'i Allah

عَنْ أَبِي أُمَامَةَ الْبَاهِلِيِّ رضي الله عنه قَالَ:
جَاءَ رَجُلٌ إِلَى النَّبِيِّ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ، فَقَالَ: أَرَأَيْتَ رَجُلًا غَزَا يَلْتَمِسُ الْأَجْرَ وَالذِّكْرَ، مَا لَهُ؟ فَقَالَ رَسُولُ اللَّهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ: «لَا شَيْءَ لَهُ» فَأَعَادَهَا ثَلَاثَ مَرَّاتٍ، يَقُولُ لَهُ رَسُولُ اللَّهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ: «لَا شَيْءَ لَهُ» ثُمَّ قَالَ: «إِنَّ اللَّهَ لَا يَقْبَلُ مِنَ الْعَمَلِ إِلَّا مَا كَانَ لَهُ خَالِصًا، وَابْتُغِيَ بِهِ وَجْهُهُ»

Tatitra azo avy tamin'i Abou Omama Al-Bahili (R.A) niteny izy :
Nisy lehilahy nanatona ny Mpaminany (S.A.W), ka niteny hoe : Hitanao ve raha nisy olona niady manantena valisoa sy dera eo amin'ny olona, dia inona no valisoa azony? Dia hoy ny irak'Allah (S.A.W) hoe : “Tsy misy valisoa azony”. Dia naverin'ilay rangahy in-telo ny fanontaniany dia namaly ny Mpaminany (S.A.W) hoe : “Tsy misy valisoa azony”, avy eo nolazainy hoe : "Allah tsy mandray asa afa-tsy izay atao an-kitsim-po, sy nampifaliany an'i Allah".

Mari-pototra رواه النسائي Sonan An-Nasàì - 3140

Ny fanazavana

Nisy lehilahy tonga tany amin'ny Mpaminany (S.A.W) hanontany sy hanadihady azy ny didy momba ny lehilahy iray izay mivoaka hiady amin'ny jiady, mitady valisoa avy amin'I Allah ary maniry dera sy fankasitrahana avy amin'ny olona, ka moave mahazo valisoa izy? Namaly ny irak'Allah (S.A.W) nanao hoe : Tsy misy valisoa azony mihitsy; satria nampiditra zavatra hafa ankoatra an’I Allah tao anatin’ny fikasany izy. Ka namerina ny fanontaniany in-telo tamin’ny Mpaminany (S.A.W) ilay lehilahy, dia namaly azy ny Mpaminany (S.A.W) ary nanamafy izany valiny izany hoe : tsy misy valisoa ho azony, avy eo dia nolazain'ny Mpaminany (S.A.W) taminy ny fitsipiky mifehy ny fanekena ny asa eo anatrehan'IAllah : Ary Allah dia tsy mandray ny asa raha tsy natao ho an'I Allah izany rehetra izany ary tsy misy ifandraisany amin'ny zavatra hafa, ary izany dia noho ny amin’IAllah irery.

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Tsy eken’i Allah ny asa afa-tsy izay natao an-kitsim-po amin’i Allah Ilay Tsitoha sy araka ny sori-dalan'ny Mpaminaniny (S.A.W).
  2. Ny valin-teny tsara ho avy amin'ny mpamoaka lalàna dia ny lalàna navoakany tonga amin'ny tanjon'ilay mpanontany sy ny mihoatra.
  3. Fanamafisana ny zava-dehibe amin'ny famerenana ny fanontaniana momba izany.
  4. Ny mpiady masina tena izy dia izay miezaka ny hanandratra ambony ny tenin'I Allah, mitady valisoa sy fahasoavana any ankoatra, amin'ny fahadiovam-po, fa tsy noho ny eto an-tany no nanaovany ny ady masina.

Fanehona ny dikanteny

51 Ny teny
EN English Anglisy
UR اردو Ordo
ID Indonesia Indoneziana
BN বাংলা Bengaly
TR Türkçe Torkia
RU Русский Rosiana
BS Bosanski Bosnia
SI සිංහල Sinhala
HI हिन्दी India
ZH 中文 sinoa
FA فارسی Persiana
VI Tiếng Việt Vietnamiana
TL Tagalog Tagaloga
KU Kurdî Kordia
HA Hausa Hosia
PT Português portogalîa
ML മലയാളം Malayalamia
TE తెలుగు Teljo
SW Kiswahili saohilia
TA தமிழ் Tamily
MY မြန်မာ Birmana
TH ไทย Tailandia
DE Deutsch Alimanina
PS پښتو Pasito
AS অসমীয়া Asamia
SQ Shqip Albany
SV Svenska Soedianina
AM አማርኛ Amharika
NL Nederlands Holandia
GU ગુજરાતી Gojratia
KY Кыргызча Kargaria
NE नेपाली Nepalianina
LT Lietuvių Litoanianina
PRS دری Aldoria
SR Српски serbianina
TG тоҷикӣ Tajakianina
RW Kinyarwanda Keniaroandia
RO Română Romaniana
HU Magyar Hongariana
CS Čeština Tsekianina
MOS Moore الموري
OM Oromoo Oromianina
KN ಕನ್ನಡ Kanadianina
WO Wolof الولوف
AZ Azərbaycan Azerianina
UK Українська Okranianina
KA ქართული الجورجية
MK Македонски المقدونية
KM ភាសាខ្មែរ الخميرية
PA ਪੰਜਾਬੀ البنجابية
MR मराठी الماراثية