1. Pejy fandraisana
  2. Ireo sokajy
  3. Ny foto-pinoana

Hadith “Ho lazain’I Allah Ilay Tsitoha amin’ireo mponin’ny afobe izay mahazo sazy kely indrindra amin'ny andro farany hoe : Raha fanananao daholo ny eny an-tany, moa havotanao amin’izany ve ny tenanao? dia hoy izy : Eny

عَنْ أَنَسِ بْنِ مَالِكٍ رَضِيَ اللَّهُ عَنْهُ عَنِ النَّبِيِّ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ قَالَ:
«يَقُولُ اللَّهُ تَعَالَى لِأَهْوَنِ أَهْلِ النَّارِ عَذَابًا يَوْمَ القِيَامَةِ: لَوْ أَنَّ لَكَ مَا فِي الأَرْضِ مِنْ شَيْءٍ أَكُنْتَ تَفْتَدِي بِهِ؟ فَيَقُولُ: نَعَمْ، فَيَقُولُ: أَرَدْتُ مِنْكَ أَهْوَنَ مِنْ هَذَا، وَأَنْتَ فِي صُلْبِ آدَمَ: أَلّاَ تُشْرِكَ بِي شَيْئًا، فَأَبَيْتَ إِلَّا أَنْ تُشْرِكَ بِي».

Tatitra azo avy amin'i Anas (R.A), niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe :
“Ho lazain’I Allah Ilay Tsitoha amin’ireo mponin’ny afobe izay mahazo sazy kely indrindra amin'ny andro farany hoe : Raha fanananao daholo ny eny an-tany, moa havotanao amin’izany ve ny tenanao? dia hoy izy : Eny, hoy I Allah : Naniry zavatra mora kokoa noho izany ho anao Aho, taminy anao mbola tao anatin’ny lamosin’i Adama: mba tsy hampitambatra fanompoana Ahy amin'ny zavatra hafa, nefa tsy nanaiky ianao afa-tsy ny fampitambarana ny fanompoana Ahy".

Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim Sahìh Al-Bokhari - 6557

Ny fanazavana

Milaza ny Mpaminany (S.A.W) fa tompo Allah miteny amin'ireo olona izay mahazo sazy kely indrindra ao amin'ny afobe rehefa tafiditra ao aminy manao hoe : Raha manana an'izao tontolo izao sy izay rehetra eo aminy ianao dia ho foinao omena ho fanavotana anao amin'ity sazy ity ve izany? Dia hiteny izy hoe : Eny, Koa hoy Allah : Nila anao sy nandidy anao Aho tamin’ny fomba tsotra kokoa noho izany, rehefa nifanaiky taminao Izaho fony ianao mbola tao an-damosin'i Adama hoe mba tsy hampitambatra fanompoana Ahy amin'ny hafa; dia nandà afa-tsy ny hanao izany ianao rehefa navoakako teny an-tany.

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Ny hasin'ny fanokanana an'i Allah sy ny fahamoran'ny fanatanterahana azy.
  2. Ny loza ateraky ny fampiombonana an'i Allah sy fiafarany.
  3. Allah dia naka fanekem_pihavanana tamin’ny zanak’i Adama fony izy ireo tao andamosin'i Adama rainy, mba tsy hampifandray ny fanompoana an'I Allah amin'ny hafa.
  4. Fampitandremana amin'ny fampiombonana an'I Allah amin'ny hafa, ary tsy hahasoa ny tsy mpino na dia izao tontolo izao amin'ny andro farany.

Fanehona ny dikanteny

52 Ny teny
EN English Anglisy
UR اردو Ordo
ES Español Espana
ID Indonesia Indoneziana
BN বাংলা Bengaly
TR Türkçe Torkia
RU Русский Rosiana
BS Bosanski Bosnia
SI සිංහල Sinhala
HI हिन्दी India
ZH 中文 sinoa
FA فارسی Persiana
VI Tiếng Việt Vietnamiana
TL Tagalog Tagaloga
KU Kurdî Kordia
HA Hausa Hosia
PT Português portogalîa
ML മലയാളം Malayalamia
TE తెలుగు Teljo
SW Kiswahili saohilia
TA தமிழ் Tamily
MY မြန်မာ Birmana
TH ไทย Tailandia
DE Deutsch Alimanina
PS پښتو Pasito
AS অসমীয়া Asamia
SQ Shqip Albany
SV Svenska Soedianina
AM አማርኛ Amharika
NL Nederlands Holandia
GU ગુજરાતી Gojratia
KY Кыргызча Kargaria
NE नेपाली Nepalianina
LT Lietuvių Litoanianina
PRS دری Aldoria
SR Српски serbianina
TG тоҷикӣ Tajakianina
RW Kinyarwanda Keniaroandia
RO Română Romaniana
HU Magyar Hongariana
CS Čeština Tsekianina
MOS Moore الموري
OM Oromoo Oromianina
KN ಕನ್ನಡ Kanadianina
WO Wolof الولوف
AZ Azərbaycan Azerianina
UK Українська Okranianina
KA ქართული الجورجية
MK Македонски المقدونية
KM ភាសាខ្មែរ الخميرية
PA ਪੰਜਾਬੀ البنجابية
MR मराठी الماراثية