عَنْ يحيى بنِ عُمَارةَ المَازِنِيِّ قَالَ:
شَهِدْتُ عَمْرَو بْنَ أَبِي حَسَنٍ سَأَلَ عَبْدَ اللَّهِ بْنَ زَيْدٍ، عَنْ وُضُوءِ النَّبِيِّ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ فَدَعَا بِتَوْرٍ مِنْ مَاءٍ، فَتَوَضَّأَ لَهُمْ وُضُوءَ النَّبِيِّ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ، فَأَكْفَأَ عَلَى يَدِهِ مِنَ التَّوْرِ، فَغَسَلَ يَدَيْهِ ثَلاَثًا، ثُمَّ أَدْخَلَ يَدَهُ فِي التَّوْرِ، فَمَضْمَضَ وَاسْتَنْشَقَ وَاسْتَنْثَرَ، ثَلاَثَ غَرَفَاتٍ، ثُمَّ أَدْخَلَ يَدَهُ فَغَسَلَ وَجْهَهُ ثَلاَثًا، ثُمَّ غَسَلَ يَدَيْهِ مَرَّتَيْنِ إِلَى المِرْفَقَيْنِ، ثُمَّ أَدْخَلَ يَدَهُ فَمَسَحَ رَأْسَهُ، فَأَقْبَلَ بِهِمَا وَأَدْبَرَ مَرَّةً وَاحِدَةً، ثُمَّ غَسَلَ رِجْلَيْهِ إِلَى الكَعْبَيْنِ.

Tatitra azo avy tamin'i Yahya bin Amara Al-Mazini nilaza manao hoe :
Nahita an'i Amr bin Abi Hassan aho nanontany an'i Abdollah bin Zaid ny amin'ny ouzon'ny Mpaminany (S.A.W), dia nangataka koveta feno rano izy, ka dia nanao ozoò ho azy ireo tahaka ny an'ny Mpaminany (S.A.W). Nalainy teo aminy ilay koveta dia nanasa ny tànany in-telo izy, dia natsofony tao anatin'ny koveta ny tànany naka rano ka nihotsam-bava sy nanadio ny orony ary namoaka ny rano avy ao anatiny, tamin'ny rano telo raon-tanana kely, avy eo dia nampidiriny tao ny tànany ary nanasa ny tavany in-telo, avy eo nanasa tànana in-droa hatreo amin’ny kiho, dia nampidiriny tao ny tànany ka nosafoiny ny lohany, teo aloha sy aoriana indray mandeha, avy eo izy nanasa ny tongony hatreo amin’ny kitrokeliny.

Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim Sahìh Al-Bokhari - 186

Ny fanazavana

Nanazava ny fomba nanatanterahan'ny Mpaminany (S.A.W) ny ouzo araka ny tokony ho izy i Abdollah bin Zaid (R.A), Nangataka lovia kely misy rano izy. Teo am-panombohana izy dia anasa ny felatànany, ary avy eo dia natongilany kely lovia ka nandraraka rano, dia nanasa azy in-telo teo ivelan’ny lovia. Dia natsofony tao anatin’ilay lovia ny tànany, ka nandraotra rano kely in-telo tamin’izany izy, nanotsam-bava sy nampiditra rano amin'ny orony sy namoaka izany avy eo. Dia naka rano kely tao amin'ny lovia izy ka nanasa ny tarehiny in-telo, Avy eo naka rano kely tao amin'ny lovia dia nanasa ny tànany roa hatreo amin'ny kiho in-droa miatona. Dia nataony tao anaty lovia ny tànany dia nisafo ny lohany tamin’ny tànany roa izy, nanomboka teo anoloan’ny lohany ka tonga tany amin'ny farany, dia naveriny izany mandra-pahatongany tany amin’ilay toerana niaingany. Dia nanasa ny tongony roa izy niaraka amin'ny kitrokeliny.

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Ny fitondran-tenan'ny mpampianatra no fomba akaiky indrindra amin'ny fahazoana sy fampiraiketana ny fahalalana, ary ao anatin'izany ny fampianarana amin'ny fampiharana.
  2. Azo atao ny mamerina in-telo ny fanasana ny faritra sasany raha in-droa kosa ny amin’ny faritra hafa, fa ny indray mandeha kosa dia maintsy kosa atao.
  3. Tsy maintsy takina ny mandahatra ny fanadiovana ireo rantsana araka ny voalaza ao amin'ny hadith.
  4. Faritry ny tarehiny dia miainga avy amin`ny fiandohan'ny volo mahazatra hatramin'ny volom-bava sy saoka ny halavany, ary hatrany amin'ny sofina mankany amin'ny ny sofina ny sakany.

Fanehona ny dikanteny

59 Ny teny
EN English Anglisy
UR اردو Ordo
ES Español Espana
ID Indonesia Indoneziana
UG ئۇيغۇرچە Aigoria
BN বাংলা Bengaly
FR Français Frantsay
TR Türkçe Torkia
RU Русский Rosiana
BS Bosanski Bosnia
SI සිංහල Sinhala
HI हिन्दी India
ZH 中文 sinoa
FA فارسی Persiana
VI Tiếng Việt Vietnamiana
TL Tagalog Tagaloga
KU Kurdî Kordia
HA Hausa Hosia
PT Português portogalîa
ML മലയാളം Malayalamia
TE తెలుగు Teljo
SW Kiswahili saohilia
TA தமிழ் Tamily
MY မြန်မာ Birmana
TH ไทย Tailandia
DE Deutsch Alimanina
PS پښتو Pasito
AS অসমীয়া Asamia
SQ Shqip Albany
SV Svenska Soedianina
AM አማርኛ Amharika
NL Nederlands Holandia
GU ગુજરાતી Gojratia
KY Кыргызча Kargaria
NE नेपाली Nepalianina
YO Yorùbá Yorianina
LT Lietuvių Litoanianina
PRS دری Aldoria
SR Српски serbianina
SO Soomaali Somalianina
TG тоҷикӣ Tajakianina
RW Kinyarwanda Keniaroandia
RO Română Romaniana
HU Magyar Hongariana
CS Čeština Tsekianina
MOS Moore الموري
IT Italiano Italianina
OM Oromoo Oromianina
KN ಕನ್ನಡ Kanadianina
WO Wolof الولوف
AZ Azərbaycan Azerianina
UZ O‘zbek Ozbekianina
UK Українська Okranianina
KA ქართული الجورجية
MK Македонски المقدونية
KM ភាសាខ្មែរ الخميرية
PA ਪੰਜਾਬੀ البنجابية
MR मराठी الماراثية
KMR Kurmancî الكرمنجية