1. Pejy fandraisana
  2. Ireo sokajy
  3. Ny hatsarana sy ny fahalalam-pomba

Hadith “Tsy ho lazaiko aminareo ve izay hamafan’I Allah ny fahotana sy hanandratana ny voninahitra?

عَنْ أَبِي هُرَيْرَةَ رضي الله عنه أَنَّ رَسُولَ اللهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ قَالَ:
«أَلَا أَدُلُّكُمْ عَلَى مَا يَمْحُو اللهُ بِهِ الْخَطَايَا، وَيَرْفَعُ بِهِ الدَّرَجَاتِ؟» قَالُوا بَلَى يَا رَسُولَ اللهِ قَالَ: «إِسْبَاغُ الْوُضُوءِ عَلَى الْمَكَارِهِ، وَكَثْرَةُ الْخُطَا إِلَى الْمَسَاجِدِ، وَانْتِظَارُ الصَّلَاةِ بَعْدَ الصَّلَاةِ، فَذَلِكُمُ الرِّبَاطُ».

Tatitra azo avy tamin'i Abou Horaira (R.A), niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe :
“Tsy ho lazaiko aminareo ve izay hamafan’I Allah ny fahotana sy hanandratana ny voninahitra?” Namaly izy ireo : “Eny, ry irak’i Allah ô.” dia hoy izy : Ny fanaovana ozo amin'ny fotoana manahirana sy fandehana im-betsaka any amin'ny moske ary ny fiandrasana swalat aorian'ny swalat, izany no fatorana lehibe".

Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim Sahìh Moslim - 251

Ny fanazavana

Nanontany ny mpiara-diany ny Mpaminany (S.A.W) raha tian'izy ireo ny hitarihany azy ireo amin'ny asa izay hahazoany ny famelan-keloka, ny famafana ao amin'ny bokin'ny fandraketana asa, ary ny toerana ambony kokoa ao amin'ny Paradisa?
Namaly ireo mpanara_diany hoe : Eny mila an'izany tokoa izahay, dia hoy izy :
Ny voalohany dia : Ny fanaovana ouzo sy ny fitazomana azy amin'ny fotoana manahirana; Toy ny hatsiaka, tsy fahampian-drano, fanaintainan’ny vatana, ary rano mafana.
Ny faharoa : Manao dingana betsaka mankany amin'ny moske, noho ny halaviran'ny trano, sy ny fiverimberenana matetika.
Ny fahatelo : Fiandrasana ny fotoam-bavaka, fiatonan'ny fo aminy, miomana amin’izany, ary mipetraka ao amin’ny moske mba hiandry ny olona hiaraka hanao swalat, ka rehefa avy nivavaka izy, dia miandry ao amin’ny moske ny swalat hafa indray.
Avy eo, nanazava ny Mpaminany (S.A.W) fa ireo zavatra ireo no tena famatorana; Satria manakana ny lalan'i Satana eo amin'ny olona, mandresy ny filana ary manakana azy tsy hanaiky ny fandrebirebena, dia ho resin'ny antokon'i Allah ireo miaramilan'i Satana amin'ny alàlan'izany. Io no ady lehibe indrindra, ary toy ny andian-kery eo amin'ny lavakan'ny fahavalo.

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Ny maha zava-dehibe ny fifikirana amin'ny vavaka miaraka amin'ny maro any amin'ny moske, ny fanaovana ny vavaka ho anton-draharaha ary ny tsy fanelingelenana azy.
  2. Tsara ny fomba nanoloran'ny Mpaminany (S.A.W) ny famelabelarana ary nampientanentana ireo mpiara-dia taminy izy, raha natombony tamin'ny valisoa lehibe, tamin'ny alalan'ny fametrahana fanontaniana, ary izany dia iray amin'ireo fomba fampianarana.
  3. Ny tombony amin'ny fametrahana fanontaniana miaraka amin'ny valiny : ka tena mipaka any amin'ny olona ilay teny ary mazava tsara.
  4. Niteny i Nawawi : Izany no fatorana, izay midika hoe : Ny fatorana tena ilaina, ary ny fototry ny fatorana dia ny fanagadrana amin'ny zavatra iray, toy ny nanagadrana ny tenany noho izany fankatoavana izany izy, ary voalaza ihany koa hoe : izany no fatorana tsara indrindra, araka ny voalaza hoe : ny tena ady dia ny fanoherana ny sitrapo, ary azo heverina fa ny fatorana izay mora sy azo atao ihany koa, izany hoe : iray amin'ireo karazana fatorana.
  5. Ny teny hoe "Ribat" (fatorana) dia naverimberina ary nofaritana tamin'ny (ny) famaritana; ho fanomezam-boninahitra an'ireo asa ireo izany.

Fanehona ny dikanteny

56 Ny teny
EN English Anglisy
UR اردو Ordo
ES Español Espana
ID Indonesia Indoneziana
BN বাংলা Bengaly
TR Türkçe Torkia
RU Русский Rosiana
BS Bosanski Bosnia
SI සිංහල Sinhala
HI हिन्दी India
ZH 中文 sinoa
FA فارسی Persiana
VI Tiếng Việt Vietnamiana
TL Tagalog Tagaloga
KU Kurdî Kordia
HA Hausa Hosia
PT Português portogalîa
ML മലയാളം Malayalamia
TE తెలుగు Teljo
SW Kiswahili saohilia
TA தமிழ் Tamily
MY မြန်မာ Birmana
TH ไทย Tailandia
DE Deutsch Alimanina
PS پښتو Pasito
AS অসমীয়া Asamia
SQ Shqip Albany
SV Svenska Soedianina
AM አማርኛ Amharika
NL Nederlands Holandia
GU ગુજરાતી Gojratia
KY Кыргызча Kargaria
NE नेपाली Nepalianina
YO Yorùbá Yorianina
LT Lietuvių Litoanianina
PRS دری Aldoria
SR Српски serbianina
SO Soomaali Somalianina
TG тоҷикӣ Tajakianina
RW Kinyarwanda Keniaroandia
RO Română Romaniana
HU Magyar Hongariana
CS Čeština Tsekianina
MOS Moore الموري
OM Oromoo Oromianina
KN ಕನ್ನಡ Kanadianina
WO Wolof الولوف
AZ Azərbaycan Azerianina
UZ O‘zbek Ozbekianina
UK Українська Okranianina
KA ქართული الجورجية
MK Македонски المقدونية
KM ភាសាខ្មែរ الخميرية
PA ਪੰਜਾਬੀ البنجابية
MR मराठी الماراثية
KMR Kurmancî الكرمنجية