1. Pejy fandraisana
  2. Ireo sokajy
  3. Ny hatsarana sy ny fahalalam-pomba

Hadith “Mifikira amin'ny marina ianareo, fa ny fanaovana ny marina dia mitarika any amin’ny tsara, ary ny tsara dia mitondra any amin’ny Paradisa

عَنْ عَبْدِ اللهِ بنِ مَسعُودٍ رضي الله عنه قَالَ: قَالَ رَسُولُ اللهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ:
«عَلَيْكُمْ بِالصِّدْقِ، فَإِنَّ الصِّدْقَ يَهْدِي إِلَى الْبِرِّ، وَإِنَّ الْبِرَّ يَهْدِي إِلَى الْجَنَّةِ، وَمَا يَزَالُ الرَّجُلُ يَصْدُقُ وَيَتَحَرَّى الصِّدْقَ حَتَّى يُكْتَبَ عِنْدَ اللهِ صِدِّيقًا، وَإِيَّاكُمْ وَالْكَذِبَ، فَإِنَّ الْكَذِبَ يَهْدِي إِلَى الْفُجُورِ، وَإِنَّ الْفُجُورَ يَهْدِي إِلَى النَّارِ، وَمَا يَزَالُ الرَّجُلُ يَكْذِبُ وَيَتَحَرَّى الْكَذِبَ حَتَّى يُكْتَبَ عِنْدَ اللهِ كَذَّابًا».

Tatitra azo avy tamin'i Abdollahi Ibn Masso'di (R.A) : Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe :
“Mifikira amin'ny marina ianareo, fa ny fanaovana ny marina dia mitarika any amin’ny tsara, ary ny tsara dia mitondra any amin’ny Paradisa, ary ny olona iray dia tsy mitsahatra milaza ny marina sy miezaka ny hanao ny marina mandra-panoratana azy ho olo-marina eo anatrehan'Allah, ary mitandrema ianareo amin'ny lainga satria ny lainga mitondra makany amin'ny ratsy, ary ny faharatsiana dia mitondra any amin’ny afobe, ary tsy mitsahatra ny olona iray mandainga sy manohy ny lainga mandra-panoratana azy ho mpandainga eo anatrehan’Allah".

Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim Sahìh Moslim - 2607

Ny fanazavana

Nandidy ny Mpaminany (S.A.W) amin'ny fanaovana ny marina, ary nilaza fa ny fanarahana izany dia mitarika amin'ny asa soa maharitra, ary ny fanaovan-tsoa maharitra dia mitarika ny mpanao azy ho any amin'ny Paradisa, ary tsy mitsahatra eo aminy ny fanaovana ny marina na ampahibemaso na miafina, ary mendrika hahazo ny anarana hoe: mpilaza ny marina, ny olona tena mpiteny ny marina hatrany no afaka antsoina amin'izany anarana izany. Avy eo dia nampitandrina ny Mpaminany (S.A.W) ny amin'ny lainga sy ny fitenenana lainga. Satria izany dia manosika ny olona hiala amin’ny fahitsiana sy fanaovana ratsy sy fanimbana ary ny fahotana, avy eo dia mitarika azy ho any amin’ny afobe izany, ary tsy mitsahatra izy manohy ny lainga mandra-panoratana azy ho isan'ireo mpandainga eo anatrehan’Allah.

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Ny fahamarinana dia toetra mendrika azo trandrahana sy ezahana, ka tsy mitsahatra ny manao ny marina ny olona iray ary mikatsaka ny fahamarinana, mandra-pahatongan’ny fahamarinana ho toetra raikitapisaka sy toy ny voajanahary ao aminy, ary voarakitra an-tsoratra eo anatrehan'I Allah ho isan'ireo olo-marina sy tsara izy.
  2. Ny lainga dia toetra ratsy izay azon’ny mpanao azy amin’ny alàlan’ny fanazaran-tena lava ary ny fampiharana azy amin’ny teny sy fihetsika, mandra-pahatongany ho lasa toetra raikitapisaka aminy, ary avy eo dia voarakitra eo anatrehan'I Allah ho isan'ireo mpandainga izy.
  3. Ny fahamarinana dia azo lazaina amin'ny fahamarinan'ny lela, izay mifanohitra amin'ny lainga, sy ny fahamarinan'ny fikasana, dia ny fahadiovam-po, ny fahamarina fanapahan-kevitra dia miankina amin'ny fahamarinan'ny fikasany, ary ny fahamarinana amin'ny asa fatao ny farafaharatsiny amin'izany dia ny fitovizan'ny tsiambaratelony amin'izay ataony ankarihary, toy ny fahamarinana amin'ny tahotra sy ny fanantenana sy ny hafa ankoatr'ireo, ka izay manana izany toetra izany dia voasoratra ho olo-marina, na koa amin'ny ampahany ihany dia voasokajy ho olo-marina.

Fanehona ny dikanteny

52 Ny teny
EN English Anglisy
UR اردو Ordo
ES Español Espana
ID Indonesia Indoneziana
BN বাংলা Bengaly
TR Türkçe Torkia
RU Русский Rosiana
BS Bosanski Bosnia
SI සිංහල Sinhala
HI हिन्दी India
ZH 中文 sinoa
FA فارسی Persiana
VI Tiếng Việt Vietnamiana
TL Tagalog Tagaloga
KU Kurdî Kordia
HA Hausa Hosia
PT Português portogalîa
ML മലയാളം Malayalamia
TE తెలుగు Teljo
SW Kiswahili saohilia
TA தமிழ் Tamily
MY မြန်မာ Birmana
TH ไทย Tailandia
DE Deutsch Alimanina
PS پښتو Pasito
AS অসমীয়া Asamia
SQ Shqip Albany
SV Svenska Soedianina
AM አማርኛ Amharika
NL Nederlands Holandia
GU ગુજરાતી Gojratia
KY Кыргызча Kargaria
NE नेपाली Nepalianina
LT Lietuvių Litoanianina
PRS دری Aldoria
SR Српски serbianina
TG тоҷикӣ Tajakianina
RW Kinyarwanda Keniaroandia
RO Română Romaniana
HU Magyar Hongariana
CS Čeština Tsekianina
MOS Moore الموري
OM Oromoo Oromianina
KN ಕನ್ನಡ Kanadianina
WO Wolof الولوف
AZ Azərbaycan Azerianina
UK Українська Okranianina
KA ქართული الجورجية
MK Македонски المقدونية
KM ភាសាខ្មែរ الخميرية
PA ਪੰਜਾਬੀ البنجابية
MR मराठी الماراثية