1. Pejy fandraisana
  2. Ireo sokajy
  3. Ny foto-pinoana

Hadith nampandainga ahy ny zanak’i Adama nefa tsy manan-jo amin'izany izy, ary nanompa ahy izy nefa tsy manan-jo amin'izany

عَنْ أَبِي هُرَيْرَةَ رَضِيَ اللَّهُ عَنْهُ:
عَنِ النَّبِيِّ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ قَالَ: «قَالَ اللَّهُ: كَذَّبَنِي ابْنُ آدَمَ وَلَمْ يَكُنْ لَهُ ذَلِكَ، وَشَتَمَنِي وَلَمْ يَكُنْ لَهُ ذَلِكَ، فَأَمَّا تَكْذِيبُهُ إِيَّايَ فَقَوْلُهُ: لَنْ يُعِيدَنِي، كَمَا بَدَأَنِي، وَلَيْسَ أَوَّلُ الخَلْقِ بِأَهْوَنَ عَلَيَّ مِنْ إِعَادَتِهِ، وَأَمَّا شَتْمُهُ إِيَّايَ فَقَوْلُهُ: اتَّخَذَ اللَّهُ وَلَدًا وَأَنَا الأَحَدُ الصَّمَدُ، لَمْ أَلِدْ وَلَمْ أُولَدْ، وَلَمْ يَكُنْ لِي كُفْؤًا أَحَدٌ».

Tatitra azo avy tamin'i Abou horaira (R.A) niteny :
Niteny ny Mpaminany (S.A.W) hoe : “Hoy Allah : nampandainga ahy ny zanak’i Adama nefa tsy manan-jo amin'izany izy, ary nanompa ahy izy nefa tsy manan-jo amin'izany, Koa ny fandaingana nataony, dia ny fitenenany hoe : Tsy hahavita hamerina ahy tahaka ny namoronany ahy Izy (Allah), ka tsy ny famoronana tamin'ny voalohany ve no sarotra kokoa noho ny mamerina izany, ary ny fanompana Ahy kosa dia ny fitenenana hoe : Allah naka zazalahy ho zanaka, nefa Izaho irery no hatrizay ary tokana, tafandrain'ny rehetra, sady tsy niteraka, na nateraka, ary tsy misy mitovy amiko".

Mari-pototra Notantarain’i Bokhari Sahìh Al-Bokhari - 4974

Ny fanazavana

Manazava ny Mpaminany (S.A.W) amin'ny Hadith Al-Qodsì fa Allah Tsitoha nilaza tamin'ireo mpanompo sampy sy ireo mpikomy fa izy ireo dia mampandainga Azy sy milaza Azy ho manana fahabangana sy kilema, nefa tsy mendrika azy ireo ny hiteny izany.
Fa ny fampandaingasana kosa ataon’izy ireo aminn’Allah : Dia ny fiheveran’izy ireo fa tsy hamerina azy ireo intsony Allah aorian’ny fahafatesany, tahaka ny namoronany azy ireo tamin’ny voalohany izay niainga avy tamin'ny tsy fisiana, ka namaly azy ireo i Allah fa Ilay namorona tamin’ny tsy fisiana dia afaka mamerina azy ireo, ary izany no mora kokoa aza , ary raha ny amin’Allah dia mitovy lenta aminy ny famoronana sy ny famerenana ny zavatra amin'ny laonany. Ary i Allah manana fahefana ny zava-drehetra.
Ny amin’ny fanopan'izy ireo Azy : dia ny fitenenan’izy ireo hoe : manan-janakalahy Izy, ka novaliany fa Izy no tokana amin’ny fahafenoana rehetra amin’ireo Anarany, amin’ny Toetoetrany ary amin’ny Asany, tsy misy kilema sy tsy fahampina, Ilay irery hitoetra mandrakizay tsy mila na iza na iza, fa ny rehatra dia mila Azy, ary tsy mba rain’iza na iza Izy, ary tsy mba zanak’iza na iza, ary tsy nisy tahaka Ahy, na mitovy aminy, ny voninahitra ho Azy.

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Porofo amin'ny fahafenoan'ny herin’Allah ilay tonga lafatra.
  2. Porofo ny fisian'ny fitsanganana amin’ny maty aorian’ny fahafatesana
  3. Izay mandà ny fitsanganana amin’ny maty na ny milaza fa manan-janaka i Allah dia tsy mpino.
  4. Allah ilay Tsitoha dia tsy misy mitovy na sahala aminy.
  5. Ny halehiben’ny faharetan’Allah, Voninahitra ho Azy, ary ny fanomezany fotoana ho an’ireo tsy mpino, angamba izy ireo mba hibebaka sy hiverina aminy.

Fanehona ny dikanteny

58 Ny teny
EN English Anglisy
UR اردو Ordo
ES Español Espana
ID Indonesia Indoneziana
UG ئۇيغۇرچە Aigoria
BN বাংলা Bengaly
FR Français Frantsay
TR Türkçe Torkia
RU Русский Rosiana
BS Bosanski Bosnia
SI සිංහල Sinhala
HI हिन्दी India
ZH 中文 sinoa
FA فارسی Persiana
VI Tiếng Việt Vietnamiana
TL Tagalog Tagaloga
KU Kurdî Kordia
HA Hausa Hosia
PT Português portogalîa
ML മലയാളം Malayalamia
TE తెలుగు Teljo
SW Kiswahili saohilia
MY မြန်မာ Birmana
TH ไทย Tailandia
DE Deutsch Alimanina
PS پښتو Pasito
AS অসমীয়া Asamia
SQ Shqip Albany
SV Svenska Soedianina
AM አማርኛ Amharika
NL Nederlands Holandia
GU ગુજરાતી Gojratia
KY Кыргызча Kargaria
NE नेपाली Nepalianina
YO Yorùbá Yorianina
LT Lietuvių Litoanianina
PRS دری Aldoria
SR Српски serbianina
SO Soomaali Somalianina
TG тоҷикӣ Tajakianina
RW Kinyarwanda Keniaroandia
RO Română Romaniana
HU Magyar Hongariana
CS Čeština Tsekianina
MOS Moore الموري
IT Italiano Italianina
OM Oromoo Oromianina
KN ಕನ್ನಡ Kanadianina
WO Wolof الولوف
AZ Azərbaycan Azerianina
UZ O‘zbek Ozbekianina
UK Українська Okranianina
KA ქართული الجورجية
MK Македонски المقدونية
KM ភាសាខ្មែរ الخميرية
PA ਪੰਜਾਬੀ البنجابية
MR मराठी الماراثية
KMR Kurmancî الكرمنجية