عَن أَبِي هُرَيْرَةَ رضي الله عنه قَالَ:
سَأَلَ رَجُلٌ رَسُولَ اللهِ صَلَّى اللَّهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ، فَقَالَ: يَا رَسُولَ اللهِ، إِنَّا نَرْكَبُ البَحْرَ، وَنَحْمِلُ مَعَنَا القَلِيلَ مِنَ الْمَاءِ، فَإِنْ تَوَضَّأْنَا بِهِ عَطِشْنَا، أَفَنَتَوَضَّأُ مِنَ الْبَحْرِ؟ فَقَالَ رَسُولُ اللهِ صَلَّى اللَّهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ: «هُوَ الطَّهُورُ مَاؤُهُ، الحِلُّ مَيْتَتُهُ».

Tatitra azo avy tamin'i Abo horaira (R.A) niteny :
Nisy lehilahy iray nanontany an'ny Mpaminany (S.A.W) hoe : Ry irak'Allah ô, mandeha an-dranomasina izahay, ary mitondra rano kely miaraka aminay, ka raha manao ozo amin' izany izahay dia hangetaheta, ka afaka manao ozo amin'ny ranomasina ve izahay? Dia hoy i Mpaminany (S.A.W) hoe : "Madio ny ranony, ary azo hanina ny hazandrano maty ao".

Mari-pototra رواه أبو داود والترمذي والنسائي وابن ماجه وأحمد Sonan At-Tirmizì - 69

Ny fanazavana

Nisy lehilahy iray nanontany an'ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : Miondrana an-tsambo eny an-dranomasina izahay mba hanaratoana na hanao varotra sy ny toy izany, ary mitondra rano fisotro kely izahay, ka raha ampiasainay ho an’ny fanaovana ozo sy fanadiovana dia ho lany ary tsy mahita rano hosotroina, ka azo atao ve ny manao ozo amin'ny ranomasina?
Hoy i Mpaminany (S.A.W) momba ny ranon-dranomasina : Madio sy manadio ny ranony, Azo atao ny manadio sy mandro amin’izany, ary azo atao koa ny mihinana izay mivoaka avy ao, toy ny trondro, trozona, sns, na dia hita faty aza ka nitsinkafona teo an-damosiny nefa tsy nihaza.

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Ny fatin’ny biby an-dranomasina dia azo hanina, ary ny atao hoe biby maty dia ny biby maty ao anatiny izay tsy afaka miaina afa-tsy ao anatiny.
  2. Famaliana ny mpanontany amin'ny valiny mihoatra ny nangatahany mba hamenoana ny tombontsoa.
  3. Raha miova ny tsirony, ny lokony na ny fofony amin’ny zavatra madio ny rano, dia mitoetra ho madio izy raha mbola mitoetra ho rano amin’ny tena toetrany, na dia mitombo aza ny sira, ny hafanana, ny hatsiaka ary ny toy izany.
  4. Ny ranomasina dia manala ny loto lehibe sy madinidinika, ary manala ny loto (najisy) izay mitranga amin'ny olona madio, na amin'ny vatana, na amin'ny akanjo, na amin'ny zavatra hafa.

Fanehona ny dikanteny

50 Ny teny
EN English Anglisy
UR اردو Ordo
ES Español Espana
ID Indonesia Indoneziana
BN বাংলা Bengaly
TR Türkçe Torkia
RU Русский Rosiana
BS Bosanski Bosnia
SI සිංහල Sinhala
HI हिन्दी India
ZH 中文 sinoa
FA فارسی Persiana
VI Tiếng Việt Vietnamiana
TL Tagalog Tagaloga
KU Kurdî Kordia
HA Hausa Hosia
PT Português portogalîa
ML മലയാളം Malayalamia
TE తెలుగు Teljo
SW Kiswahili saohilia
TA தமிழ் Tamily
MY မြန်မာ Birmana
TH ไทย Tailandia
DE Deutsch Alimanina
PS پښتو Pasito
AS অসমীয়া Asamia
SQ Shqip Albany
SV Svenska Soedianina
AM አማርኛ Amharika
NL Nederlands Holandia
GU ગુજરાતી Gojratia
KY Кыргызча Kargaria
NE नेपाली Nepalianina
LT Lietuvių Litoanianina
PRS دری Aldoria
SR Српски serbianina
TG тоҷикӣ Tajakianina
RW Kinyarwanda Keniaroandia
RO Română Romaniana
HU Magyar Hongariana
MOS Moore الموري
OM Oromoo Oromianina
KN ಕನ್ನಡ Kanadianina
WO Wolof الولوف
UK Українська Okranianina
KA ქართული الجورجية
MK Македонски المقدونية
KM ភាសាខ្មែរ الخميرية
PA ਪੰਜਾਬੀ البنجابية
MR मराठी الماراثية