1. Pejy fandraisana
  2. Ireo sokajy
  3. Ny Fikh sy ny fitspiny

Hadith Nisy lehilahy iray nanao ouzò ka namela toerana mitovy amin'ny hoho teo amin’ny tongony, Nahita azy ny Mpaminany (S.A.W) dia niteny hoe : “Miverena ary manaova fidiovana (ouzò) tsara.” Niverina nanao ozò izy avy eo dia nanao soalat

عَنْ جَابِرٍ رضي الله عنه قال: أَخْبَرَنِي عُمَرُ بْنُ الْخَطَّابِ:
أَنَّ رَجُلًا تَوَضَّأَ فَتَرَكَ مَوْضِعَ ظُفُرٍ عَلَى قَدَمِهِ فَأَبْصَرَهُ النَّبِيُّ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ فَقَالَ: «ارْجِعْ فَأَحْسِنْ وُضُوءَكَ» فَرَجَعَ، ثُمَّ صَلَّى.

Tatitra azo avy tamin'i Jàbir (R.A) niteny : Niteny tamiko i Omar bin Al-khatwab :
Nisy lehilahy iray nanao ouzò ka namela toerana mitovy amin'ny hoho teo amin’ny tongony, Nahita azy ny Mpaminany (S.A.W) dia niteny hoe : “Miverena ary manaova fidiovana (ouzò) tsara.” Niverina nanao ozò izy avy eo dia nanao soalat.

Marina miaraka amin'ny porofo hafa Notantaraiin'i Moslim Sahìh Moslim - 243

Ny fanazavana

Nitatitra i Oumar (R.A) fa ny Mpaminany (S.A.W) dia nahita lehilahy iray izay nahavita ozò, ka namela ampahany mitovy amin'ny halehiben'ny hoho eo amin'ny tongony, ka tsy voatondraka rano tamin'ny ozò nataony, Hoy izy taminy, sady nanondro ny toerana nisy ny tsy fitandremana : Miverena ary manaova ozò tsara, fenoy izany, ary omeo rano araka ny tokony ho izy ny rantsana tsirairay. Dia niverina ralehilahy, ka nofenoany tanteraka ny ozò nataony, avy eo dia nivavaka.

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Takina ny fanoloran-tena amin'ny famporosiana amin'ny tsara, sy fitarihan-dalana ny tsy mahalala sy ny tsy miraharaha, indrindra fa raha ilay zavatra ratsy mifandraika amin'ny fahasimban'ny fanompoana ataony.
  2. Tsy maintsy atao ny mandena ny rantsana manontolo rehefa manao ozò ary izay namela amin’ny ampahany – na dia kely aza – dia tsy manan-kery ny ouzò nataony ary tsy maintsy mamerina izany izy raha lava ny elanelana.
  3. Ny maha-ara-dalàna ny fanaovana ozò araka ny tokony ho izy, amin'ny alàlan'ny famitana azy sy ny fanatanterahana izany amin'ny fomba tsara araka ny lalàna Sharia.
  4. Ny tongotra roa dia anisan'ny rantsana sasana amin'ny ouzò, ary tsy ampy ny fisafona azy, fa tsy maintsy sasana.
  5. Takina amin'ireo rantsana sasana amin'ny ouzò ny hanasna azy mifanesisesy, izany dia ny fanasana azy mialohan'ny haha maina ny teo alohany.
  6. Ny tsy fahalalana sy ny fanadinoana dia tsy manafoana ny adidy tsy maintsy atao, fa manafoana ny ota, Fa ity lehilahy izay tsy nanatanteraka tsara ny ouzò-ny noho ny tsy fahalalany dia tsy namela azy ny Mpaminany (S.A.W), fa nandidy azy hamerina izany.

Fanehona ny dikanteny

58 Ny teny
EN English Anglisy
UR اردو Ordo
ES Español Espana
ID Indonesia Indoneziana
UG ئۇيغۇرچە Aigoria
BN বাংলা Bengaly
FR Français Frantsay
TR Türkçe Torkia
RU Русский Rosiana
BS Bosanski Bosnia
SI සිංහල Sinhala
HI हिन्दी India
ZH 中文 sinoa
FA فارسی Persiana
VI Tiếng Việt Vietnamiana
TL Tagalog Tagaloga
KU Kurdî Kordia
HA Hausa Hosia
PT Português portogalîa
ML മലയാളം Malayalamia
TE తెలుగు Teljo
SW Kiswahili saohilia
MY မြန်မာ Birmana
TH ไทย Tailandia
DE Deutsch Alimanina
PS پښتو Pasito
AS অসমীয়া Asamia
SQ Shqip Albany
SV Svenska Soedianina
AM አማርኛ Amharika
NL Nederlands Holandia
GU ગુજરાતી Gojratia
KY Кыргызча Kargaria
NE नेपाली Nepalianina
YO Yorùbá Yorianina
LT Lietuvių Litoanianina
PRS دری Aldoria
SR Српски serbianina
SO Soomaali Somalianina
TG тоҷикӣ Tajakianina
RW Kinyarwanda Keniaroandia
RO Română Romaniana
HU Magyar Hongariana
CS Čeština Tsekianina
MOS Moore الموري
IT Italiano Italianina
OM Oromoo Oromianina
KN ಕನ್ನಡ Kanadianina
WO Wolof الولوف
AZ Azərbaycan Azerianina
UZ O‘zbek Ozbekianina
UK Українська Okranianina
KA ქართული الجورجية
MK Македонски المقدونية
KM ភាសាខ្មែរ الخميرية
PA ਪੰਜਾਬੀ البنجابية
MR मराठी الماراثية
KMR Kurmancî الكرمنجية