1. Pejy fandraisana
  2. Ireo sokajy
  3. Ny foto-pinoana

Hadith Izay miantso amin'ny fahitsina dia hahazo valisoa tahaka ny valisoa ho an'ireo izay manaraka azy, tsy misy fampihenana na dia kely aza ny valisoany

عَنْ أَبِي هُرَيْرَةَ رضي الله عنه أَنَّ رَسُولَ اللهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ قَالَ:
«مَنْ دَعَا إِلَى هُدًى كَانَ لَهُ مِنَ الْأَجْرِ مِثْلُ أُجُورِ مَنْ تَبِعَهُ، لَا يَنْقُصُ ذَلِكَ مِنْ أُجُورِهِمْ شَيْئًا، وَمَنْ دَعَا إِلَى ضَلَالَةٍ كَانَ عَلَيْهِ مِنَ الْإِثْمِ مِثْلُ آثَامِ مَنْ تَبِعَهُ، لَا يَنْقُصُ ذَلِكَ مِنْ آثَامِهِمْ شَيْئًا».

Tatitra azo avy tamin'i Abo Horaira (R.A), niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe :
"Izay miantso amin'ny fahitsina dia hahazo valisoa tahaka ny valisoa ho an'ireo izay manaraka azy, tsy misy fampihenana na dia kely aza ny valisoany, ary izay miantso amin'ny fahaverezana dia hahazo fahotana tahaka ny fahotana ho an'ireo izay manaraka azy, tsy misy fampihenana na dia kely aza ny fahotany".

Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim Sahìh Moslim - 2674

Ny fanazavana

Nambaran’ny Mpaminany (S.A.W) mazava tsara fa izay mitarika sy manoro làlana ary mamporisika ny olona ho amin’ny làlana misy ny fahamarinana sy ny hatsarana, amin’ny alàlan’ny teny na ny fihetsika dia hahazo valisoa mitovy amin’ny azon'ireo nanaraka azy, tsy misy fihenana na dia kely amin'ny valisoa azon’ny mpanaraka izany. Ary izay mitarika sy manoro làlana ny olona ho amin’ny làlan-diso, sy ratsy, izay misy fahotana sy fahadisona, na zavatra tsy azo atao, amin’ny alàlan'ny teny na amin’ny fihetsika, dia hibaby enta-mavesatra mitovy amin’ny fahotan’izay manaraka azy izy, nefa tsy misy fihenana na dia kely amin’ny fahotan'izy ireo izany.

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Ny hasin’ny fiantsoana amin'ny fahitsina, kely na lehibe, ary ny mpiantso dia mahazo valisoa mitovy amin’ny mpanao azy, ary izany dia avy amin’ny fahasoavan’I Allah lehibe sy ny fahafenoan’ny fahalalahan-tànany.
  2. Ny loza ateraky ny fiantsoana ho amin’ny fahaverezana, kely na lehibe, ary ny mpiantso amin'izany dia hahazo fahotana toy ny enta-mavesatry ny mpanao azy.
  3. Ny valisoa dia mitovy karazana amin'ny asa.Izay miantso ho amin'ny tsara dia hahazo valisoa mitovy amin'ny valisoa ho an'izay mpanao azy, ary izay miantso ho amin'ny ratsy dia hanana enta-mavesatra mitovy amin'ny enta-mavesatry ny mpanao azy.
  4. Ny mpino silamo dia tokony hitandrina amin’ny fankan'olona tahaka azy amin’ny fanaovana fahotana ampahibe-maso noho ny fahitan’ny olona azy manao izany, satria hahazo fahotana izy amin’izay manaraka azy, na dia tsy mamporisika azy hanao izany aza.

Fanehona ny dikanteny

58 Ny teny
EN English Anglisy
UR اردو Ordo
ES Español Espana
ID Indonesia Indoneziana
UG ئۇيغۇرچە Aigoria
BN বাংলা Bengaly
TR Türkçe Torkia
RU Русский Rosiana
BS Bosanski Bosnia
SI සිංහල Sinhala
HI हिन्दी India
ZH 中文 sinoa
FA فارسی Persiana
VI Tiếng Việt Vietnamiana
TL Tagalog Tagaloga
KU Kurdî Kordia
HA Hausa Hosia
PT Português portogalîa
ML മലയാളം Malayalamia
TE తెలుగు Teljo
SW Kiswahili saohilia
TA தமிழ் Tamily
MY မြန်မာ Birmana
TH ไทย Tailandia
DE Deutsch Alimanina
PS پښتو Pasito
AS অসমীয়া Asamia
SQ Shqip Albany
SV Svenska Soedianina
AM አማርኛ Amharika
NL Nederlands Holandia
GU ગુજરાતી Gojratia
KY Кыргызча Kargaria
NE नेपाली Nepalianina
YO Yorùbá Yorianina
LT Lietuvių Litoanianina
PRS دری Aldoria
SR Српски serbianina
SO Soomaali Somalianina
TG тоҷикӣ Tajakianina
RW Kinyarwanda Keniaroandia
RO Română Romaniana
HU Magyar Hongariana
CS Čeština Tsekianina
MOS Moore الموري
OM Oromoo Oromianina
KN ಕನ್ನಡ Kanadianina
WO Wolof الولوف
AZ Azərbaycan Azerianina
UZ O‘zbek Ozbekianina
UK Українська Okranianina
KA ქართული الجورجية
MK Македонски المقدونية
KM ភាសាខ្មែរ الخميرية
BM Bambara البامبارية
PA ਪੰਜਾਬੀ البنجابية
MR मराठी الماراثية
KMR Kurmancî الكرمنجية