1. Pejy fandraisana
  2. Ireo sokajy
  3. Ny hatsarana sy ny fahalalam-pomba

Hadith “Raha toa ianao ka toy ny voalazanao, dia toy ny nahatonga azy ireo hahatsiaro ho leo, ary mbola manana fanohanana avy amin’I Allah amin’izy ireo ianao, raha mbola manao izany foana ianao.”

عَنْ أَبِي هُرَيْرَةَ رضي الله عنه:
أَنَّ رَجُلًا قَالَ: يَا رَسُولَ اللهِ إِنَّ لِي قَرَابَةً أَصِلُهُمْ وَيَقْطَعُونِي، وَأُحْسِنُ إِلَيْهِمْ وَيُسِيئُونَ إِلَيَّ، وَأَحْلُمُ عَنْهُمْ وَيَجْهَلُونَ عَلَيَّ، فَقَالَ: «لَئِنْ كُنْتَ كَمَا قُلْتَ، فَكَأَنَّمَا تُسِفُّهُمُ الْمَلَّ وَلَا يَزَالُ مَعَكَ مِنَ اللهِ ظَهِيرٌ عَلَيْهِمْ مَا دُمْتَ عَلَى ذَلِكَ».

Tatitra azo avy tamin'i Abo horaira (R.A) niteny :
Nisy lehilahy iray niteny hoe : Ry irak’Allah ô, manana havana aho, mifandray amin’izy ireo aho nefa nanapaka fihavanana amiko izy ireo, ary manao soa aminy aho nefa mampahory ahy izy ireo, ary mangoraka amin'izy ireo aho nefa tsy mahalala ahy akory izy ireo. Dia namaly i Mpaminany (S.A.W) : “Raha toa ianao ka toy ny voalazanao, dia toy ny nahatonga azy ireo hahatsiaro ho leo, ary mbola manana fanohanana avy amin’I Allah amin’izy ireo ianao, raha mbola manao izany foana ianao.”

Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim Sahìh Moslim - 2558

Ny fanazavana

Nisy lehilahy iray nitaraina tamin'ny Mpaminany (S.A.W) fa nanana havana sy olona akaiky manao tsara fanahy tamin'izy ireo fa ny mifanohitra amin'izany kosa no nataon'izy ireo taminy Ary nifandray tamin'izy ireo izy ary tonga tany amin'izy ireo nefa nanapaka fihavanana aminy, ary nitondra azy ireo tamim-pahamendrehana sy tamim-pahatokiana nefa fanaovana asa ratsy azy no valiny, ary nandefitra sy namela azy ireo, ary tsy nahafantatra ny ratsy nataony izy ireo tamin'ny alàlan'ny teny sy fihetsika, ka mbola hifandray amin'izy ireo ve izy na dia eo aza ireo voalaza?
Hoy ny Mpaminany (S.A.W) taminy : Raha araka ny voalazanao izany, dia manala baraka azy ireo ianao ary manambany azy ireo, toy ny manome sakafo azy ireo lavenona mafana. Noho ny haben'ny hatsaram-panahinao sy ny fahafaham-baraka ataon'izy ireo amin'ny tenany, dia mbola hiaraka aminao avy amin'I Allah ianao izay hanampy anao hanohitra azy ireo ary hiaro anao tsy hanisy ratsy azy ireo raha mbola lazainao aminy ny hatsaranao, ary mbola manohy ny faharatsiany aminao izy.

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Ny famaliana ny fanararaotana amin’ny hatsaram-panahy dia ny fiandrasana ny hiverenan’ny mpanao ratsy amin’ny fahamarinana, araka ny tenin’I Allah ilay Tsitoha manao hoe : (Valio amin’izay tsara kokoa izy, fa izay mifandrafy aminareo dia lasa ho toy ny mpinamana akaiky).
  2. Ny fanarahana ny didin’I Allah, na dia misy loza aza manjo azy, dia anton’ny fanampian’I Allah ny mpanompo mino.
  3. Fanaintainana sy fampijaliana eto an-tany ho an'ny fanapahana ny fifamatorana ara-pianakaviana, ary fahotana sy fanisana any ankoatra.
  4. Ny mpino silamo dia tokony hahazo valisoa amin'ny asa soa ataony, ary ny fanimbana ny olona sy ny fahatapahan'ny fahazarana tsara dia tsy tokony hanapaka azy.
  5. Tsy izay manohy ny fifamatoram-pihavanana aminao dia valinao no antsoina hoe mpanohy fihavanana, fa ny mpanohy fihavanana dia ilay manohy fihavanany amin'ireo nanapaka izany.

Fanehona ny dikanteny

50 Ny teny
EN English Anglisy
UR اردو Ordo
ES Español Espana
ID Indonesia Indoneziana
BN বাংলা Bengaly
TR Türkçe Torkia
RU Русский Rosiana
BS Bosanski Bosnia
SI සිංහල Sinhala
HI हिन्दी India
ZH 中文 sinoa
FA فارسی Persiana
VI Tiếng Việt Vietnamiana
TL Tagalog Tagaloga
KU Kurdî Kordia
HA Hausa Hosia
PT Português portogalîa
ML മലയാളം Malayalamia
TE తెలుగు Teljo
SW Kiswahili saohilia
TA தமிழ் Tamily
MY မြန်မာ Birmana
TH ไทย Tailandia
DE Deutsch Alimanina
PS پښتو Pasito
AS অসমীয়া Asamia
SQ Shqip Albany
SV Svenska Soedianina
AM አማርኛ Amharika
NL Nederlands Holandia
GU ગુજરાતી Gojratia
NE नेपाली Nepalianina
YO Yorùbá Yorianina
LT Lietuvių Litoanianina
PRS دری Aldoria
SR Српски serbianina
TG тоҷикӣ Tajakianina
RW Kinyarwanda Keniaroandia
RO Română Romaniana
HU Magyar Hongariana
MOS Moore الموري
OM Oromoo Oromianina
KN ಕನ್ನಡ Kanadianina
WO Wolof الولوف
UK Українська Okranianina
KA ქართული الجورجية
MK Македонски المقدونية
KM ភាសាខ្មែរ الخميرية
PA ਪੰਜਾਬੀ البنجابية
MR मराठी الماراثية