1. Pejy fandraisana
  2. Ireo sokajy
  3. Ny hatsarana sy ny fahalalam-pomba

Hadith “Eny tokoa fa Allah Ilay Tsitoha mamelatra ny tànany amin’ny alina mba hamela heloka ny mpanota amin’ny atoandro, ary mamelatra ny tànany amin’ny atoandro mba hamela heloka ny mpanota amin’ny alina, mandra-piposahan’ny masoandro avy any andrefana”

عَنْ أَبِي مُوسَى رضي الله عنه عَنِ النَّبِيِّ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ قَالَ:
«إِنَّ اللهَ عَزَّ وَجَلَّ يَبْسُطُ يَدَهُ بِاللَّيْلِ لِيَتُوبَ مُسِيءُ النَّهَارِ، وَيَبْسُطُ يَدَهُ بِالنَّهَارِ لِيَتُوبَ مُسِيءُ اللَّيْلِ، حَتَّى تَطْلُعَ الشَّمْسُ مِنْ مَغْرِبِهَا».

Tatitra azo avy amin'i Abo Mossa Al-Ashari (R.A), Niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe :
“Eny tokoa fa Allah Ilay Tsitoha mamelatra ny tànany amin’ny alina mba hamela heloka ny mpanota amin’ny atoandro, ary mamelatra ny tànany amin’ny atoandro mba hamela heloka ny mpanota amin’ny alina, mandra-piposahan’ny masoandro avy any andrefana”.

Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim Sahìh Moslim - 2759

Ny fanazavana

Milaza ny Mpaminany (S.A.W) fa Allah Ilay Tsitoha dia manaiky ny fibebahana avy amin'ny mpanompony. Raha manota amin’ny antoandro ny mpanompo ka mibebaka amin’ny alina, dia hanaiky ny fibebahany i Allah, ary raha manao fahotana amin’ny alina izy ka mibebaka amin’ny antoandro, dia hanaiky ny fibebahany ihany koa i Allah. Ary Allah Ilay Tsitoha mamelatra ny tànany ho amin’ny fibebahana, noho ny fifaliany amin’izany, sy fankasitrahany azy ary misokatra hatrany ny varavaran’ny fibebahana mandra-piposahan’ny masoandro avy any andrefana, izay manambara ny fiafaran’izao tontolo izao, Rehefa miposaka avy any andrefana izy, dia mihidy ny varavaran’ny fibebahana.

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Ny fanekena ny fibebahana dia mitohy hatrany raha mbola mivoha ny varavarany, ary mihidy ny varavarany rehefa miposaka avy any andrefana ny masoandro, ary raha mibebaka ny olona iray alohan’ny ora farany hialan'ny fofonainy, izy io dia ny fahatongavan’ny fanahy eo amin’ny tenda.
  2. Tsy tokony ho kivy na very hevitra noho ny fahotana, fa malalaka ny famelan-keloka sy ny famindrampon’I Allah, ary misokatra ny varavaran’ny fibebahana.
  3. Fepetra ny fibebahana : Ny voalohany : fialàna amin'ny fahotana, ny faharoa : fanenenana tamin'ny fanaovana azy, ary ny fahatelo : manapa-kevitra ny tsy hiverina amin’izany intsony, izany raha toa ka tamin'ny zon’I Allah no niharan'ny ota, ary raha mifandray amin’ny zon’ny mpanompo kosa, dia tsy maintsy averina amin'ny tompony izany zo izany ho mariky ny maha-marina ny fibebahana, na koa namela azy ilay manan-jo.

Fanehona ny dikanteny

56 Ny teny
EN English Anglisy
UR اردو Ordo
ES Español Espana
ID Indonesia Indoneziana
BN বাংলা Bengaly
TR Türkçe Torkia
RU Русский Rosiana
BS Bosanski Bosnia
SI සිංහල Sinhala
HI हिन्दी India
ZH 中文 sinoa
FA فارسی Persiana
VI Tiếng Việt Vietnamiana
TL Tagalog Tagaloga
KU Kurdî Kordia
HA Hausa Hosia
PT Português portogalîa
ML മലയാളം Malayalamia
TE తెలుగు Teljo
SW Kiswahili saohilia
TA தமிழ் Tamily
MY မြန်မာ Birmana
TH ไทย Tailandia
DE Deutsch Alimanina
PS پښتو Pasito
AS অসমীয়া Asamia
SQ Shqip Albany
SV Svenska Soedianina
AM አማርኛ Amharika
NL Nederlands Holandia
GU ગુજરાતી Gojratia
KY Кыргызча Kargaria
NE नेपाली Nepalianina
YO Yorùbá Yorianina
LT Lietuvių Litoanianina
PRS دری Aldoria
SR Српски serbianina
SO Soomaali Somalianina
TG тоҷикӣ Tajakianina
RW Kinyarwanda Keniaroandia
RO Română Romaniana
HU Magyar Hongariana
CS Čeština Tsekianina
MOS Moore الموري
OM Oromoo Oromianina
KN ಕನ್ನಡ Kanadianina
WO Wolof الولوف
AZ Azərbaycan Azerianina
UZ O‘zbek Ozbekianina
UK Українська Okranianina
KA ქართული الجورجية
MK Македонски المقدونية
KM ភាសាខ្មែរ الخميرية
PA ਪੰਜਾਬੀ البنجابية
MR मराठी الماراثية
KMR Kurmancî الكرمنجية