عَنْ أَبِي طَلْحَةَ رَضِيَ اللَّهُ عَنْهُ عَنِ النَّبِيِّ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ قَالَ:
«لاَ تَدْخُلُ المَلاَئِكَةُ بَيْتًا فِيهِ كَلْبٌ وَلاَ صُورَةٌ».

Tatitra azo avy amin'i Abou Toalha (R.A), niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe :
"Ny anjely dia tsy miditra amin'ny trano misy alika na sary."

Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim Sahìh Al-Bokhari - 3322

Ny fanazavana

Nampahafantatra ny Mpaminany (S.A.W) fa ny anjelin'ny famindram-po dia tsy miditra amin'ny trano misy alika na sarin'ny zavatra manan'aina. Izany dia satria ny sarin’ny zavatra misy fanahy : fahotana lehibe, ary misy fakana tahaka ny zavaboarin’i Allah, ary làlana iray ho amin'ireo fanompoan-tsampy, ary ny sasany amin’izany dia sarin’izay zavatra ivavahana ankoatran'I Allah. Ary ny amin'ny fandrarana ny trano izay misy alika, satria mihinana loto be izy, ary misy sasany amin'izy ireny antsoina hoe devoly; Ary ny anjely dia mifanohitra amin' ny devoly, Ary noho ny haratsian'ny fofon'ny alika; Halan’ny anjely ny fofona ratsy, ary satria voarara ny miompy azy; ka izay niompy azy dia voasazy noho ny tsy fidiran'ny anjelin'ny famindram-po ao an-tranony, tsy fanaovany vavaka ho azy, tsy fangatahany famelan-keloka sy fahasoavana ao an-tranony, ary voasazy amin'ny tsy fiarovan'ny anjely azy amin'ny fikasan-dratsin'ny Satana aminy.

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Voarara ny manana alika, afa-tsy alika mpihaza, mpiambina na ampiasaina amin'ny fambolena.
  2. Ny fakana sary dia anisan’ny zavatra ratsy maharikoriko ny anjely, ary ny fisian’izy ireo eo amin’io toerana io no mahatonga ny tsy fisian'ny famindram-po, ary toy izany koa ny alika.
  3. Ny anjely izay tsy miditra amin’ny trano misy alika na sary dia ireo anjelin’ny famindram-po, fa ny mpiambina sy ny hafa izay manana anjara asa toy ny anjelin’ny fahafatesana kosa miditra ao amin’ny trano rehetra.
  4. Voarara ny manantona sarin'ny zavatra manan'aina eo amin'ny rindrina sy ny toerana hafa.
  5. Nilaza i Khattabi : Ny trano tsy idiran'ny anjely dia ny trano misy sary sy misy alika izay tsy azo ompina, fa tsy voarara kosa ny alika mpihaza, ilaina amin'ny voly, miandry ny biby fiompy ary ny sary ampiasaina amin’ny tsihy, ondana, ary zavatra hafa, dia tsy manakana ny fidiran'ny anjely izy ireny.

Fanehona ny dikanteny

53 Ny teny
EN English Anglisy
UR اردو Ordo
ES Español Espana
ID Indonesia Indoneziana
UG ئۇيغۇرچە Aigoria
BN বাংলা Bengaly
TR Türkçe Torkia
RU Русский Rosiana
BS Bosanski Bosnia
SI සිංහල Sinhala
HI हिन्दी India
ZH 中文 sinoa
FA فارسی Persiana
VI Tiếng Việt Vietnamiana
TL Tagalog Tagaloga
KU Kurdî Kordia
HA Hausa Hosia
PT Português portogalîa
ML മലയാളം Malayalamia
TE తెలుగు Teljo
SW Kiswahili saohilia
TA தமிழ் Tamily
MY မြန်မာ Birmana
TH ไทย Tailandia
DE Deutsch Alimanina
PS پښتو Pasito
AS অসমীয়া Asamia
SQ Shqip Albany
SV Svenska Soedianina
AM አማርኛ Amharika
NL Nederlands Holandia
GU ગુજરાતી Gojratia
KY Кыргызча Kargaria
NE नेपाली Nepalianina
LT Lietuvių Litoanianina
PRS دری Aldoria
SR Српски serbianina
TG тоҷикӣ Tajakianina
RW Kinyarwanda Keniaroandia
RO Română Romaniana
HU Magyar Hongariana
CS Čeština Tsekianina
MOS Moore الموري
OM Oromoo Oromianina
KN ಕನ್ನಡ Kanadianina
WO Wolof الولوف
AZ Azərbaycan Azerianina
UK Українська Okranianina
KA ქართული الجورجية
MK Македонски المقدونية
KM ភាសាខ្មែរ الخميرية
PA ਪੰਜਾਬੀ البنجابية
MR मराठी الماراثية